Carnaval

1. madagasikara ( 11/03/2006 15:34)
Manao ahoana daholo!
Raha sanatria ka tsy eto no tokony hasiako ity lohahevitra ity dia mba ilazao ihany aho.
Tokony tsy asiana safidy eo amin
ny mpanoratra, amin'izay izay rehetra mandray anjara eto amin'ny dinika dia milaza ny anarany.
Fa kosa asiana ohatra hoe herinandro anaovana carnaval, ka afaka misarontava avokoa ny rehetra.
Raha toa moa ka tsy azo amboarina intsony ny eo amin'ny mpanoratra fa tsy maintsy eo foana ilay safidy dia ireo izay mpiandraikitra no mpisivana izay rehetra tsy milaza ny ps, ka na milaza ny ps ihany aza izy rehefa mamarana ny tiany ambara dia tratran'ny sivana foana.
Tokony ho ferana ho lohahevitra iray ihany isaky ny mpikambana isan-kerinandro, mba hisian'ny fahamatorana eo amin'ny resaka atao, no sady ahafahan'ny sasany milaza ny tiany ambara, satria dia tena be loatra ny resaka mandeha ka sarotra na ny hitady lohahevitra mety mahaliana ary mandany fotoana tokoa. Nefa betsaka ireo any madagasikara no tsy dia manana fotoana betsaka toa antsika mipetraka aty ivelany.
Ny lehilahy tsy tokony hananihany vehivavy rehefa miteny izy ireny, mba asiana fifanajana e.
Misaotra o.
novalian'i pissoa ny 12/03/2006 08:15
2. lapino ( 11/03/2006 15:46)
madagasikara:
Ny lehilahy tsy tokony hananihany vehivavy rehefa miteny izy ireny, mba asiana fifanajana e.

:-w:-w Ary raha mananihany am-panajana? :wink:
3. pissoa ( 11/03/2006 15:57)
Voatohintohina indray ny zoan'i lapino kle :-w:-D:-D
4. Fiffi ( 11/03/2006 17:05)
Tokony ho ferana ho lohahevitra iray ihany isaky ny mpikambana isan-kerinandro, mba hisian'ny fahamatorana eo amin'ny resaka atao
fa angaha raha toa ka mandefa hevitra 2 na 3 isan-kerinandro dia tsy matotra ?
Tokony tsy asiana safidy eo amin
ny mpanoratra, amin'izay izay rehetra mandray anjara eto amin'ny dinika dia milaza ny anarany.
efa nisy dinika momba an'io teto nefa dia malalaka ny safidy ka aleo samy hanao izay tiany satria misy antony tokoa matoa miafina izy , eny na dia contre an'io aza aho t@ voalohany nefa inona moa eh ? zara aza fa mba misy an'ity serasera ity mba ahazahoantsika rehetra mifampilaza zavatra sa ahoana ?
Fa kosa asiana ohatra hoe herinandro anaovana carnaval, ka afaka misarontava avokoa ny rehetra.
dia efa samy manana ny tandrifiny zany eh! rehefa carnaval dia raha tiany dia miafina izy na tsia!
Raha toa moa ka tsy azo amboarina intsony ny eo amin'ny mpanoratra fa tsy maintsy eo foana ilay safidy dia ireo izay mpiandraikitra no mpisivana izay rehetra tsy milaza ny ps, ka na milaza ny ps ihany aza izy rehefa mamarana ny tiany ambara dia tratran'ny sivana foana.
dia aiza ny liberté @ izany ? dia ho voatery avokoa zany ny namana hotonona ny ps-ny ka raha tsy hanao an'io dia ho sivanina ve ? Na dia milaza ny ps-ny @ farany ve izy dia ho sivanina koa ? :-w:-w
5. lapino ( 11/03/2006 17:10)
pissoa < aza mananihany kloo ndry e! :wink:
6. fasaly ( 11/03/2006 17:51)
:°):°):°)
7. Fiffi ( 11/03/2006 17:54)
lapino ! kiiii !! de tsy afaka mananihany tsony koa ve ? :-D:-D:-D:-D
8. pissoa ( 11/03/2006 17:59)
Kiiii, lapino :-w zah bedy raha tsy mananihany kooooo :roll:
9. Fiffi ( 11/03/2006 18:58)
ka mba hasiana hanihany kely kosa aloha fa manjary monotonina dia tsy misy hihomezana kely eh!
10. lapino ( 11/03/2006 19:59)
kiiiii :-w, ka tsy mety amin'i madagasikara le mananihany koo :roll:
11. Fiffi ( 11/03/2006 20:26)
kiiiii! madagasikara ve dia tsy hanaiky an'izany kosa eh ? samy avy any daholo hiany koh! :roll:
12. pissoa ( 12/03/2006 08:15)
Kiiiii, dia hianjy carnaval kou zany zah vao mahazo mananihany :-w:cry::cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1917