faniriana hafahafa kosa ity ry zareo ah

1. ravatorano ( 10/03/2006 10:56)
FANIRIANA. Efa naharitraritra ihany no nitetika hahazo an’ilay ramatoa ilay rangahy saingy tsy tanteraka ny faniriany.
Kaotikaotiny ary arahiny sy rahonany hatrany an-gabone


--------------------------------------------------------------------------------

Tsy haritr’ilay rangahy mihitsy ilay ramatoa miara-mivarotra amin’ny vadiny fa tangirihany foana. Efa naharitraritra ihany izy io no nitetika hahazo an’ilay ramatoa ( efa ho roa taona izay), saingy tsy nanaiky ny faniriany ity farany ity. Voalaza aza fa rehefa mankany an-gabone ilay vehivavy dia arahiny ary tsikiloviny. Sorena ilay ramatoa noho ity rangahy ity mitanaraka.


RD


Mipetraka eny Ivato ilay rangahy sy ilay ramatoa tsiriritiny ity. Lava ranjanana ilay ramatoa, ilay rangahy mitsiriritra azy somary fohifohy. Asa na izay haben-dramatoa izay no nahatonga an-drangahy ho jamba, ka tsy mahatsapa fa tsy azokazon’ilay vehivavy izy, kanefa misisika ihany. Rehefa hitany indray fa narisarisa ilay ramatoa dia toa hoe nanomboka nandrahona izy. Heveriny angamba amin’izay fa hilefitra ravehivavy ka manaraka azy fotsiny, saingy tsy izay ny zava-nisy. Leo ny fihetsik’ity rangahy ity, izay efa manambady, ilay ramatoa ka nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa vita ny famotorana azy nataon’ny tomponandraikitra dia nandalo fampanoavana ny raharaha, omaly.

Tsy vao ela akory izay no re sy hita tamin’ny haino aman-jery samihafa, ilay tale ara-barotra ana orinasa lehibe iray nitsiriritra ilay tovovavy teo ambany fifehezany. Rehefa hitany anefa fa tsy naniky ilay vehivavy dia notsoahiny ny tombontsoan-drakalakely tao am-piasana. Nesorina ny fiara, notsoahina ny finday. Tsy vitan’izay fa tsy nanana birao hiasana intsony. Tezitra ravehivavy nanoloana izany fepetra noraisin’ity tale ity izay hitany fa tsy rariny ary takany fa ny tsy fanekeny azy no nahatonga izany. Nitondra ny raharaha teny amin’ny manam-pahefana ravehivavy ary nifampitaritarika hatreny amin’ny tribonaly mihitsy.

Midi madagasikara 10/03/2006
novalian'i fijo ny 16/03/2006 21:08
2. Fiffi ( 10/03/2006 14:00)
mba tsy rariny kosa izany an!
3. Achia ( 10/03/2006 20:09)
Kefa oe aza mitsiriritra zao eny @ tribonaly:lol:
4. fijo ( 10/03/2006 20:11)
ravato,za koa toran'ny hehy nahita an'io androany.atao akory fa sy haritr'i lery intsonyle halavany e
5. pika ( 11/03/2006 03:04)
misy hisaintsain' ireo lhl tsy mahalala tsy tina kosa izany
6. Fiffi ( 11/03/2006 11:14)
nampihomehy ahy koa ity tantara ity an! :-D:-D:-D
7. fijo ( 16/03/2006 21:08)
fitiavana aby io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2037