hivavaka ho an'ny taniko aho ... (tohiny)

1. bichette ( 10/03/2006 04:34)
Miarahaba ny tsirairay

Misy fiarahana mivavaka ho an'ny tanindrazana inty, averiko eto ilay izy satria efa lohateny efa elaela ihany kanefa mbola mitohy foana

http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m43f2fcf3e7285
novalian'i Fiffi ny 22/03/2006 15:54
2. Fiffi ( 10/03/2006 04:58)
=D=D=D hivavaka ho an'ny taniko marina no hatao raha nahita an'iny reportage iny.
3. caprio ( 10/03/2006 10:35)
bichette:manoana mandrakariva ny hevitrao ny tenako fa hilaina tokoa ny mivavaka eny fa na aty an-dafy aty aza de aoka tsy adino fa mila an,Atra foana isika ary efa natsipiko teto hiany fa aoka isika hivavaka mandran-kariva na mahantra i mada na manakarena satria raha izao manonkana dia tsy misy azontsika antenaina intsony raha izao fiainana izao satria efa manomboka mamafy ny fahatezerany Atra nohon,ny faharatsiana izay miha- mitombo ataon,ni zana-kolombelona ka aleo mivavaka sy mihezaka manao ny marina mba ahafahana manana fiainam-baovao izay asolon,Atra ity tany be ota ity, de mahereza daholo ary e!hoy caprio hivavaka ho anareo
4. dadabe ( 11/03/2006 03:27)
5. marozevo ( 12/03/2006 00:11)
Ilay loha hevitra mitovy amin'ity ange mbola tsy navadiky ny pejy fa mbola hita mora foana ao ambany ao eh.. Ka nahoana raha any no miresaka ?
6. miranto ( 16/03/2006 07:45)
Tena tsara ny mivavaka hoan' ity tanindrazantsika ity ,ary za de vonina ny hivavaka ho azy foana,ny tena marina mantsy raha tiana ny hampandroso azy de mila ho entina ambavaka izy , fa na hanao na inona inona ny fitondram-panjakana tsy hisy zavambanona eo raha tsy misy ny fitahin' Andriamanitra ny firenentsika ,za mino hoe matoa efa mba mihatsara ny firenentsika de valimbavaka izany , raha tsy A/tra no nanolo tsaina ny mpitondra tsirairay ny zavatra ataony sy nitahy azy hafahany manatanteraka ny zavatra hatao tsy nisy zavatra niangana toy izao teto amintsika,efa hita hoe mandeha tsikelikely ny fahatsarana sy fahombiaza eto @ tanintsika , ko izany no mbola hitondrana azy ambavaka mba handroso hatrany sy hahomby @ zavatra hatao ary hiatsara hatrany sy mba ho foana eto amintsika ny ratsy rehetra sy ny fitiavantena samy irery fa mba ahay hitsinjo ny hafa ka samy mba handroso ny tsirairay
7. bichette ( 16/03/2006 11:58)
aoka isika hazoto hivavaka mandrakariva, tsy ho antsika samirery ihany anefa fa koa ho an'ny tanindrazana sy ho an'ny hafa ihany koa
8. marozevo ( 17/03/2006 00:34)
Ny olana koa manko dia mbola tafaharo ao amin'ny samy Mpitondra na ny finoana na ny tsy finoana. Misy amin'zalahy ireo tena mivavaka ary tena miasa amin'ny fo sy fieritreretana, fa misy mbola voagejan'"ilay olona tranainy", ka izay no mampihisatra antsika toy izao. Fa na ho ela na ho haingana, tsy mba ny ratsy no tompon'ny teny farany.
9. Fiffi ( 22/03/2006 15:54)
dia ny Tompo homba sy Hitahy antsika lalandava
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3756