Tsy harena ny ressource rehefa tsy hay trandrahana.

1. Herimiafina ( 09/03/2006 16:01)
Tsy azo raisina toa ny harena mihintsy ny karazana ressource maro hananan'ny firenena iray rehefa tsy manana ny enti-manana hitrandrahana azy izy na tsy afaka mikasintanana izany.

Toa ny hoe misy volabe ao amin'ny bankiko kanefa tsy azoko alaina. Izaho anefa maty noana, reraka, tsy manamboa omena.

Tsy misy dikany izany ilay vola any amin,ny banky na firy miliara na firy miliara.

Koa noho izany, ahoana ireo harena ankibon'ny tany, ireo ala, ny resaka biodiversité. Iza no tena tompony?8)
novalian'i xxx ny 14/03/2006 17:35
2. Fiffi ( 09/03/2006 18:20)
Herimiafina: iza ahoana no tena tompony ? tsy azoko loatra ilay fanontaniana satria matetika ohatra hoe ny ala zany dia tsy an'ny fanjakana ve ireny sa an'olon-tsotra sa a'ny commune . Raha hoe an'olona tsotra aloha ka tsy manana fitaovana tokoa izy dia mazava ho azy fa tsy ho afaka hanao na inona na inona eh!
3. lapino ( 09/03/2006 19:20)
Mamerina polemika indray izany resaka ato izany. Hotrandrahana ny solitany, orinasa vahiny no hitrandraka azy, ... inona izany no tombontsoa ho azon'ny malagasy amin'izany?! Hamidy ny tanindrazana no dikany?! Etsetra ...
4. Herimiafina ( 10/03/2006 17:28)
Maro ny tany mahantra no mirehareha fatratra amin'ny fananany ala sy karazana ressources toa ny mines ankehitriny. Hany fiononana eo anatrehan'ny fahantrana ara-ekonomika.

Hita any anatin'ny karazana kabary ny fandraisana an'izy ireny (ny ressource) toa ny harena, volaza ohatra fa manankarena i Madagasikara satria manana an'izao sy izao rehetra izao.

Tsy hita mivaingana eny amin'ny fiainana andavan'andron'ny olona kenfa izany. Ka noho izany lasa ny saina miheritreritra hoe: "Tena manankarena marina ve ny tany manana ressource rehefa tsy hainy akory ny mitrandraka azy?"
"Marina ve ny fitenenana fa harena ireo ressource ireo?"

Mino marimarina aho fa ny harena dia ny fahafahana mitrandraka azy fa tsy ilay fananana ressource velively. Mila ahitsy ny voambolana ampiasaina!!!!
5. cutie ( 10/03/2006 17:34)
ressource in avy moa no tiana horesahina eto. tsy mazava.:roll:
6. Herimiafina ( 10/03/2006 19:29)
Ohatra:
Tsy misy dikany izany ilay vola any amin,ny banky na firy miliara na firy miliara.

Koa noho izany, ahoana ireo harena ankibon'ny tany, ireo ala, ny resaka biodiversité. Iza no tena tompony?

7. kally ( 11/03/2006 07:40)
Tsy tokony ho lazaina anaty kabary izany ny fisian'ireny @ Herimiafina? Izany hoe tsy tokony ampahafantarina ny vahoaka? Dia aiza no ahafahana hanao tetik'asa hitrandrahana azy raha tsy fantatra akory ny fisiany? Moa ve vita herintaona ny fitadiavana milina, ny mpiara-miasa hitrandraka azy? Manginy fotsiny ny fitadiavana ny mpividy sy ny famerana ny vidiny ho amin'ny ara-dalàna (izay tsy miankina amintsika) eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.
8. Herimiafina ( 11/03/2006 16:05)
Azo tononina anaty kabary ny fisian'ireny zava-maro tokony ho trandrahana ireny. Fa ny filazana fa hoe harena be ho an'ny tena ireny, toa ny hoe efa manana ny enti-mitrandraka azy ny tena no hitako somary misy fahadisoana kely ihany.

Raha miteny ny vahiny hoe nos ressources dia entiny milaza zavatra efa acquis izany ary tsy mametraka olana aminy ny hi-exploiter iznay.
9. kally ( 12/03/2006 10:08)
Amin'ny saina tsy miangatra, moa ve azo ampitoviana ny gasy sy ny vahiny? Jereo ny fitaovana eo am-pelatantsika raha tiana hahazoana tombony ilay harena ho trandrahina, aiza ny lalana hitaomana azy ka ahafahana manondrana azy haingana? Tsy vao eo am-pananganana ve isika?
10. Herimiafina ( 13/03/2006 14:30)
Ny tiana ho lazaina mba tsy hampa hors sujet ny resaka dia, tsy ny "fahabetsahan'ny ressource" no maha-harena azy fa ny "acces aminy".

Maka ianao kisoa iray dia ravao volamena hatrany antampondoha ka hatrany ampaladiha. Azo lazaina ve fa manankarena iny kisoa iny?8)
11. Herimiafina ( 13/03/2006 15:51)
Manjary mampanantena tsy misy ny olona mantsy ny tonga dia fandraisana ny zavatra tsy efa eo ampelatanana ho harena.

Valable io amin'ny resaka ao antokatrano, sns, ny fiainana andavan'andro, sns, fa tsy voatery eo amin'ny firenena ihany.
12. kally ( 13/03/2006 16:29)
Izany an?
13. Herimiafina ( 13/03/2006 16:45)
Izay no fahitako azy aloha e!
Raha ohatra izao ka hihindrambola any amin'ny banky ny tena dia anontanian'ny banky momba ny mety ho ressource financière rehetra, dia voasarika hitanisa zavatra maro mety mbola tsy sure akory atao garanti, izany hoe mbola tsy hanananao antoka akory fa azonao trandrahana hamerenana ny volan'ny banky avy eo.

14. kally ( 13/03/2006 18:43)
Misy ny zavatra azo andrandraina,hanaovana tetik'asa, misy ny zavatra tsy misy nefa foronina.
Fa ny nahagaga ahy dia ny nanoharanao an'i Madagasikara amin'ny kisoa miravaka volamena:°)
15. Herimiafina ( 14/03/2006 00:59)
hehehehe:-D:-D Aiza izany ry Kally?
Ity ohatra nomeko ity ve?

Maka ianao kisoa iray dia ravao volamena hatrany antampondoha ka hatrany ampaladiha. Azo lazaina ve fa manankarena iny kisoa iny?


Nisy soratra angaha teo hoe i Madagasikara toy ny kisoa? Hors sujet fanindroany izany!
16. xxx ( 14/03/2006 01:06)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 09-03-2006 20:01:25
Lohateny : Tsy harena ny ressource rehefa tsy hay trandrahana.

tsy tanjaka ny hery rehefa mihafina :-D
17. Herimiafina ( 14/03/2006 01:08)
Aleo ary ovaina hoe vantakazo ilay ohatra sao dia mivadika fifanolanana amin'io resaka kisoa io indray klé. Miala tsiny miala fondro ry malagasy namana.
18. Herimiafina ( 14/03/2006 01:13)
Fa misy koa ny sakay be tsy masiaka kah, poivrons hoy ny vazaha, bokony be nefa be konetaka, hehehe=))=))
19. Herimiafina ( 14/03/2006 01:15)
Fa misy koa ny sakay be tsy masiaka kah, poivrons hoy ny vazaha, bokony be nefa be konetaka, hehehe=))=))
20. xxx ( 14/03/2006 01:21)
kally:
Fa ny nahagaga ahy dia ny nanoharanao an'i Madagasikara amin'ny kisoa miravaka volamena:°)
mitrongy vao homana :x ataovy moramora sao henon'ingahy ambassadeur!:-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3624