Ahoana ny procédure divorce atao raha ity cas iray ity...

1. voalohany ( 09/03/2006 13:51)
Mangataka ny hevitr'areo rehetra. Izao no zavamisy :
- Misy zavavavy irany ataontsika hoe Law nanambady, ara-dalàna,lehilahy atao hoe Lord. Tsy niteraka io lehilahy io.Ka nitady fomba ahazoana zaza i Law, niteraka taminy (tao anaty fanambadiana i Law sy Lord tamin'io fotoana io)i Rick, ka zaza roa no teraka tamin'izany. Ankehitriny, misara-toerana i Law sy Lord efa ho folo taona izao. Marihiko fa i Rick dia mbola tsy manambady ka te hampiakatra an'i Law ho vadiny. Inona no procédure de divorce tokony harahiny, mba hahazoan'ny Law sy Rick mivady ara-dalàna.
Dia misaotra anareo mialoha
novalian'i fijo ny 23/03/2006 21:36
2. Rafotsy ( 09/03/2006 14:56)
Raha tena efa 10 taona no tsy nisy fifandraisana mihintsy i Law sy Lord , dia mampiditra procédure de divorce pour rupture de vie commune !
3. zandikely ( 09/03/2006 20:54)

Tsy haiko raha zaho no tsy mahaza ilay cas, fa raha azoko ange dia zanaky Lord sy Law i Ricky.
Na hoe, i Ricky dia zanak"i Law (manokana ), mpianaka i Ricky sy Law.
Tsy misy lalana manome alalana na systeme Common Law na Droit civile, hampanambady olona mianaka. Io no ataony gasy hoe mifototra.
Mety diso ny fahazahoako ilay cas.
4. fijo ( 10/03/2006 04:44)
tsy mazava loatra marina ilay fanazavana,nefa azo ihany rehefa jerena tsara ka.
izao no lalana,raha any mada.
"ny olona nisaratoerana nandritra ny 6 taona dia hafaka mangataka fisarahana noho ny tsy fiaraha miaina maharitra"ka raha izany 10 taona izany,dia ampidiro ny fangatahana fisarahana fa azo io.

raha eto frantsa moa dia 2 taona izao io fisarahatoerana io,dia efa mety.
5. soamiza ( 10/03/2006 06:41)
Atao ny fangatahana eny amin'ny tribonaly ka ny motif
de divorce dia ny impossibilité de vie commune izay
obligation ny mpivady.Ny eto amin-tsika dia mbola tsy
ekena ny divorce par consentement.Mikasika ireo zaza
indray dia zanak'izy sy Lord ihany ireo satria teraka
tao anaty mariage ka fitsarana hafa indray no atao toy ny declinatoire de paternité.Porofo fa nanao
adultere i Law ka motif de divorce azon'iLord entina
eo amin'ny fitsarana.
6. ds ( 10/03/2006 11:58)
Any amin'ny toerana misy ny lehilahy no tokony hatao ny fangataham-pisarahana raha azo hatao (tsy lavitra loatra).
Mazava ho azy fa i Law no diso eto (mijangajanga) ka mety hiantoka ny lany rehetra momba ny fitsarana.
Momba ny zaza, dia izay misoratra any amin'ny sora-piankohonana no afaka manambara izay rain'ny zaza. Raha tsy misy anaran-dray ao amin'ny sora-piankohonana dia mila mangataka fanangana izay milaza ho ray. Rehefa vita indray ny
mariazy aty aoriana (Law & Ricky) dia mandeha ho azy ilay fananganana (enfant légitimé par le mariage)
7. voalohany ( 10/03/2006 14:18)

Asa angamba tsy tena mazava ny fanazavako azy : ka averiko indray ary : Nanambady an'i Lord (lehilahy) iray i Law (vehivavy). Tsy niteraka izy ireo (Izany hoe ny zaza teraka roa (2)tao anatin'io mariage io dia tsy zanak'ilay lehilahy vadiny, i Lord io, fa zanaky Law tamin'ny lehilahy hafa (adultère)atao hoe Rick).
Ankehitriny dia efa misara-toerana (efa 10 taona)i Lord sy Law, ary ny zaza dia tezain'ny Law.
Ary mikasa ny hanambady an'i Law i Rick, ka ahoana no hataon'izy ireo hahazoana divorce. Ary avy eo afahan'ny misoratra. I Rick dia libre tanteraka satria mbola célibataire.
8. voalohany ( 10/03/2006 14:24)
Ity misy fanontaniana roa tiako apetraka koa.Tokony hoatrinona no vola mety ho lany, satria eto dia, i Law no nanao fijanganjana (adultère) niterahany an'ireo zaza roa ireo.
Ary ahoana koa no mety ahazoana ilay déclinaison de parternité voalaza etsy ambony?
9. ds ( 10/03/2006 23:21)
Sarotra ny maminavina ny tokony ho lany amin\'ny fanaovana divorsa. Tokony Mipetaka ao amin\'ny biraon\'ny lehiben\'ny mpiraki-draharaha (greffier en chef) anefa ny sora-bidy momba ny fandehanan\'ny raharaham-pitsarana na anontaniana azy.

Fomba telo no ahafahana manambara ny maha-ray :

1) Fiahiahiana maha-ray (présomption de paternité) : ny vady vita mariazy dia azo hahiana ho rain\'ny zaza teraka nandritra ny fanambadiana. Io no mifanaraka amin\'ny lazain\'i soamiza.

2) Fananahana zaza ara-dalàna (reconnaissance de paternité) atao eo anoloan\'ny mpitan-tsora-piankohonana.
Raha voaporofo fa nitaiza ilay zaza nandritra fotoana maharitra, dia afaka manao an\'io ny lehilahy.

3) Filazana manamafy ny maha-ray (déclaration judiciaire de paternité)
atao any amin\'ny tribonaly. Raha tena tsy misy hevitra ireo roa ambony ireo, dia ity no hatao.

Olana hafa tsy nanontaniana teto :
ahoana ny fomba fizarana ny fananana niombonan\'ny mpivady nandritra ny fiaraha-monina sy tao aoriany ?
Dia tsy haiko...

10. fijo ( 23/03/2006 21:36)
efa novaliako io fanontaniana farany i tary ambadika tary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3388