FAHANTRANA ARA-BATANA SY ARA-TSAINA :

1. Fiffi ( 09/03/2006 09:36)
FAHANTRANA ARA-BATANA SY ARA-TSAINA : andro tsy niasana nefa nandraisan-karama ny andro omaly 08 marsa 2006 , ho an'ny vehivavy rehetra.Noho ny fisian'ireo fitaovan-tserasera marobe sy fampiasana azy aty an-tanàn-dehibe , nipaka avy hatrany tany an-tsofin'ireo vehivavin'ny tanàn-dehibe ny fanairana.Akaiky vilany feno arina rahateo izy ireo , raha eo amin'ny lafin'ny fampianarana sy fanabeazana ka mba maharaka izay tokony harahina.Ka hiasa sa tsy hiasa ? Dia nisafidy an-kahalalahana izay tiany hatao ireo vehivavin'ny tanàn-dehibe.Saingy tsy izy rehetra ihany koa , sao isika mihevitra , fa ireo miasa amin'ny sehatra sokajiana ho ara-dàlana ihany.Ny sisa rehetra , ireo sady"boto" no "surveillant" , miala tsiny amin'ny fitenenana , tsy nahalala fiatoana.Niasa ihany.Nitovy tsy misy valaka tamin'ireo vehivavy any ambanivohitra, izay itambesaran'ireo adidy eo anivon'ny ankohonana sy mbola manenjika asa an-tselika isan-karazany, ary voafatotry ny kolontsaina nametraka fa ny lehilahy no ambony.Manonofy fitoviana raha mbola tsemboka eny an-tsaha , ary tsy mijery datin'andro fa miandry fotsiny ihany ny fitsimoky ny voa.Hihomehy angamba isika ka hilaza fa tsy mitombina intsony izany toe-javatra izany.Indrisy , maro lavitra ny vehivavy noho ny lehilahy eto Madagasikara.Ary any ambanivohitra any ihany koa no fonenany.Rehefa nofaritana ho faritra 22 i Madagasikara , nibaribary ny fahantran'ny vehivavy malagasy.Amin'ny lafiny rehetra , ary amin'ny fo tsy miangatra , mahantra ara-batana , mahantra ara-tsaina.
Ireo sokajiny "mahantra" , ireo no nentanina handray andraikitra feno eo anivon'ny fiarahamonina , omaly 08 marsa.Hatraiza sy inona no mety ho vitany , hoy ianao ?Mora ny mitady fanentanana pôlitika sy manaparitaka izany amin'ny kabary sy serasera , mifamahofaho hatrany kosa ireo paikady hampanjariana eny anivon'ny fiarahamonina
Hanitra Andriamanantena Rabetokotany Gazety Taratra faha-0627
novalian'i Fiffi ny 19/03/2006 18:27
2. booboo ( 10/03/2006 22:13)
Dia mihevitra ny vehivavy tambanivohitra ho votsa saina sy vendrana zany mpanao gazety izany lé 8O

- Inona no ohatra na porofo mivaingana ahafahany miteny fa " itambesaran'ny adidy eo anivon'ny ankohonana " ny vehivavy any ambanivohitra ? Ary ny tandrenivohitra kosa manakory ?

-Tahaka ny ahoana no isehoan'izany " fatotry ny kolotsaina " izany ?

-Inona no toerana ananan'ny vehivavy eo @ fiaraha-monina malagasy araka ny heviny ?

-Na tsy nahita fianarana aza ny ankamaroan'ireo, maro ny vehivavy mahafantatra ny mikasika ny fadim-bolana sy ny fotoana maha-lonaka azy. Raha ny fandridram-piterahana no tiany havoitra dia tokony ho izay no noteniny fa tsy miteniteny foana tahaka izany !

-Nahoana no hoe " indrisy, maro lavitra ny vehivavy noho ny lehilahy ? " andalana faha 14

-Andraikitra toy ny inona no tsy maintsy sahanin'ny vehivavy vao afaka faritana fa mandray andraikitra eo @ fiaraha-monina izy ?

Ireo fanontaniana rehetra ireo no tsy hiombonako hevitra na kely aza @ io mpanao gazety io.
3. sipagasy ( 11/03/2006 07:59)
booboo ann aza manao fo lentika tahaka izao fa indrisy fa izany tokoa anie no iainan'ny rahavavintsika any an-toerana e! mampahonene fena indrisy fa izay ny zava-misy e! maro ny ezaka ataon'ny fanjakana @ izao fotoana izao hanantonana ny vehivavy any ambany vohitra any, nefa firy @ ireny vehivavy ireny moa no afaka mba mamonjy izany toby izany??? ankavitsiana ihany, nefa ny mpanentana tsy ampy hirotsaka ho eny an-tsaha hanao ny famelabelarana sns,
Aza mijery arina an-tava kosa e!Maro ny andraikitra sahanin'ny vehivavy, na eo @ fiaraha monina izany na ao @ fiainam-pianakaviana,( tsy nihaino ilay famelabelarana nataoko tao @ RVG ianao raha izany hihihi) Antoky ny firenena isika vehivavy fa mila manana ny fitaovana ho enti-manana ny @ izany kosa, tsy tena eo am-pelantanantsika anefa io akora io (akora tiana lazaina eto = fahalalana, fahaizana)ka io indrindra ny ilana antsika hifampitaona, hifampitarika ho any @ soa indrindra, izany hoe mila fanentanana na any ambany vohitra na ny an-drenivohitra mba samy handray andraikitra e!, maro tokoa mantsy no mbola voafatotry ny kolo-tsaina malagasy na dia eo @ sehatry ny fanambadiana fotsiny aza ohatra, izaho tsy mandà ilay boky vakianareo ahitana ny hoe "ny lahy no alohan'ny vavy" (jereo baiboly ngamba ny anaran'ilay boky lool)ary ny rafi-panambadiana hoe "kitay telo an-dalana" fa inoako/faniriako @ izao fotoana dia ny hoe ny zon'ny lehilaly = zon'ny vehivavy.
Ambava homana am-po mieritra hoy ny fahendrentsika malagasy izay izay ahitana soa ihany koa fa tsy dia lafy ratsiny ihany akory.
4. kally ( 11/03/2006 10:15)
Niaina tany ambanivohitra ihany aho fa misy tsy ekeko loatra ny hevitra sasany avoakan'ilay ranamana mpanao gazety ity.

Fatorin'ny kolotsaina hono ny vehivavy Malagasy any ambanivohitra. Raha manaja ny vadiny ve ny vehivavy dia ho lazaina fa voafatotry ny kolotsaina? Raha mametraka anareo lehilahy ho hery mpitarika azy ve ny vehivavy dia lazaina fa voafatotra? Sao miteniteny foana e!
Ny lehilahy any ambanivohitra dia omena ny vilia lehibe indrindra aoan-trano ( rariny izany fa izahay vehivavy tsy hahalany ny sakafo laninareo mihitsy) saingy adinon-dranamna mpanao gazety fa iza no mpanapa-kevitra fa tsy ny vehivavy any ambanivohitra? Iza no manapaka hoe tsaramaso na ovy no hambolena amin'ity taona ity?-Ny vehivavy, iza no manapaka hoe omby no ho vidiana fa tsy kisoa? Ny vehivavy no mpandresy lahatra anareo lehilahy amin'ny fanapahan-kevitra raisinareo ka sao diso fijery.
5. booboo ( 11/03/2006 10:54)
eka ouz ! zay mitsy lé teny : "diso fijery" ilay mpanao gazety amiko.
6. Fiffi ( 11/03/2006 19:19)
diso marina!
7. Herimiafina ( 13/03/2006 15:02)
:roll::roll::roll::roll:
8. Veloo ( 13/03/2006 18:17)
8O inn ty manjo any hery?
9. fijo ( 18/03/2006 04:28)
misy marina ny voalazany,saingy ny tsy azoko,dia hafangarony ny fiainana hiainanay aty andrenivohitra sy ny zavamisy any ambanivohitra.
10. Fiffi ( 18/03/2006 17:02)
marina tokoa!
11. xxx ( 18/03/2006 17:36)
ka io gazety io nge le gazety mitsikera be fahantany fotsiny e mamendrofendro sy mandrangitra fotsiny io de milaza abobo .Tsy homeko tsiny izy fa tsy eo tsony le noandrandrainy :°)
12. dezaka ( 18/03/2006 17:46)
sali sali doli ny panao gazety ange ry zareo afaka mitatara sy milaza ny zavatra zay tiny lazaina AMIN'NY IZAY MAHA METY NY ZAVATRA LAZAINY @ HEVINY E
fa isika pamaky tsy voatery hino izay lazainy raha to
13. dezaka ( 18/03/2006 17:52)
fa isika pamaky tsy voatery hino izay lazainy raha toa ka efa hita izao fa misy endrika afa ohatra politika na dokambarotra ao ambadika
14. Fiffi ( 19/03/2006 18:27)
dezaka: hita hiany anie ilay voasoratrao na nataonao kely aza eh!:-D hatraiza hatraiza aloha dia ny mpanoratra ny gazety dia afaka milaza izay tiany eh! fa marina izany fa ny anjaran'ny tsirairay no mamolavola alohan'ny hitsikerevana ilay voalaza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2002