galette de riz

1. Angie ( 09/03/2006 08:27)
Sao mba misy afaka manazava ahy hoe ahoana no fampiasana ireny galette de riz efa vita hoe hanaovana nem ireny? tena fanina aho fa lay izy mafy be ne fa mora vaky ka tsy haiko na lemana kely na atao aona?

Misaotsa e :D
novalian'i Fiffi ny 02/04/2006 05:58
2. ainaheri ( 09/03/2006 09:35)
Manaova rano mati2 d ataovy zvtr talesaka otrany we vilia d alatsao tsi11 ao d esory refa itanao fa @ tokony ilanao azy !!d zay ny haiko fa za tsy d avanana lotra mazotoa
3. Fiffi ( 09/03/2006 09:44)
maka saladier iray ndry , dia hasiana rano somary mafana fa tsy mamay , dia avelatra eo ambonin'ny latabatra ny "torchon" atao 2 , raisina tsirairay ny galette dia asosa ao antin'ny rano io avy dia hapetra eo ambonin'ny torchon dia rehefa mialemy dia apetraka eo amboniny ny farce dia manao ny nem ndry.Raha sanatria ka hitandry somary enjakenjana kely dia ampio rano kely eo @ io toerana mbola henjana io dia andraso kely zay vao mametraka ny farce. Eny @ magazay sinoa koa dia betsaka ny paty efa vonona "surgelée" fanaovana ny nem sy ny sambos , dia mazotoa ary :)
4. Angie ( 09/03/2006 10:42)
tena misaotra betsaka, ka tena io sinoa io mihintsy no fampiasako saingy tsy nisy fa lany dia ireny galette ireny no hitako nefa dia tsy haiko.
Andraso fa andramako zany.

5. Angie ( 09/03/2006 10:43)
fa hono wa e raha te hanamboatra lay pate fa tsy te hampiasa ireny efa vita ireny dia aona no atao?
Merci d'avance
6. rurik ( 09/03/2006 12:17)
ny ahy ny fanaovako ko raha ilay pate efa vita an maka lamba madio voatokana hikarakarana sakafo ianao dia lemana tsara dia avelatra dia atao ao ilay pate dia elanelanina lamba le izy atao mando tsara le lamba dia jerena fa rehefa malemy dia efa vita zany . tena mety fa ilay fanaovana pate aloha tsy haiko .
7. era ( 09/03/2006 12:30)
Angie:

fa hono wa e raha te hanamboatra lay pate fa tsy te hampiasa ireny efa vita ireny dia aona no atao?
Merci d'avance


ranooina ny kobam-bary dia atao ohatry ny mahandro crêpe, ny lapoaly no asiana menaka kely. Somary manahirana fa raha vao tsy mety ny fatran'ilay koba dia miraikitra be,moa raha tsy mahay manala azy koa dia mora rovitra. Tsy aleo ve mampiasa ilay efa vita ?
8. mandrindra ( 09/03/2006 15:11)
asio vinaingitra kely ilay rano amin'izay mora mihamalefaka ny galette de riz. ny indron'ny galette de riz dia miraikitra amin'ny nify rehefa avy endasina. raha mahita dia galette de blé ampiasaina.
9. Angie ( 09/03/2006 16:37)
Toa sarotra be zany mahndro zany marina mou. za mba te hampiseho @ zalah vaza f mahay fa toa eee

Misaotra betsaka zareo an lazaiko nareo @ vokany radem za manao an'io mantsy
10. Fiffi ( 10/03/2006 05:24)
fa tsy atao mendy be anie ilay izy ry mandrindra eh!
Angie: tsy sarotra akia an! fa na izany aza dia tsy maintsy manandrana koa anie ndry alohan'ny ahaizana eh! sa tsy izany ? dia raha simba ny voalohany dia tonga dia ho hanina dia zay ko! :-*:-*
11. mandrindra ( 13/03/2006 08:56)
fiffi a, raha vao tsy mendy tsara anefa io dia malodaloda sy tsy mikarepoka.
12. Fiffi ( 13/03/2006 09:26)
mandrindra: io ary misy recette kely an! dia mba tsy hankarary ny palet rehefa minana azy ary azonao hatao mendy tsara koa izy @ zay! hasio poireaux miaraka @ totokena , handrahona aloha ny poireaux fa mitera-drano be io an! dia ata anaty passoir aloha dia zay voa afangaro , dia ataovy ny nem dia hendaso ary ataovy mendy arak'izay hitiavananao azy fa rehefa vita i dia ho hitanao eo fa somary malemy avy eo satria ny jus-ny poireaux mbola hisy hamalemy azy hiany .
13. Angie ( 15/03/2006 08:53)
Ilay kobam-bary aloha dia tsy nahita e lay galette de riz koa vaky daholo no betsaka sao misy solution hafa @ ilay fanaovana pate? farine 00 va tsy mety?

lay efa vita mantsy toa sinoa daholo dia tsy dia tian'ny fianakams vaza hihihi ka zay no tiako hanaovana azy.
Misaotra e
14. Veloo ( 15/03/2006 20:06)
sambatra nareo mahay mahandro sakafo:cry:
15. Fiffi ( 19/03/2006 21:22)
Angie: mividiana indray ary ireny pâte à brique ireny dia tapahana 2 ilay izy mba tsy ho ngeza be loatra ny nem . Raha farine fotsiny dia mety koa an! fa hatao manify di manify rehefa roulena @ rouleau à patisserie iny an! fa raha matevina dia lasa tsy masaka tsara ny farce sady ratsy be koa ny endriny.
Dia ity ary misy recette kely fanaovana ilay pâte:
-200g farine
-1/2 sotrokely sira
-rano + huile d'olive 1 sotrolehibe
petrisena zany ireo dia ny mahatsara azy dia avela 1h saromana torchon.
velarina dia roulena dia izay mahamanify azy indrindra no hatao an! dia tapahana carré dia apetraka eo ny farce dia ataovy ny nem. Mazotoa ary.
Veloo: henarana daholoakia zany an!:-*:-*
16. vale ( 25/03/2006 12:49)
Fiffi: rehefa mampiditra ny galette ao anatin'ny rano mafana dia tokony firy minitra ny faharetany? sa asosa araka ny lazaindry io dia mety ? merci.:wink:
17. Veloo ( 26/03/2006 03:11)
:idea:
18. Fiffi ( 26/03/2006 15:51)
vale: asosa fotsiny akia an! dia apetraka eo @ torchon , ny ena tsara dia nytorchon koa efa somary mando kely hiany !
19. vale ( 31/03/2006 12:03)
fiffi: ok merci akia à(l)
20. Fiffi ( 02/04/2006 05:58)
aiza ny vao2 ry Angie ahhhh nanao ahoana izy tao eh ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7239