Fetin'ny lehilahy efa isanandro, ankoatra ny 08 mars!!

21. naritsimba ( 10/03/2006 09:58)
ekena patrick ah!

Raha misy olona tsy mety afa-po @ nanaovan'Andriamanitra azy dia ny vehivavy zany, ny lava volo te hibory volo, ny mainty te ho fotsy, hiosorana daholo rehefa karazana menaka rehetra zao , tsy hita intsony zay ilazana azy.

NY vehivavy = fanaka mampalemilemy.

Aza tezitra oà fa somonga ny ahy e,

22. Fiffi ( 10/03/2006 10:11)
NY vehivavy = fanaka mampalemilemy.mampalemilemy an'iza ? efa lano andro koa izany filazana ny vhv ho fanaka izany eh!
23. patrick2002 ( 10/03/2006 10:38)
Fiffi:

patrick: dia ataovy @ fahendrena sy hiaraham-bavaka daholo izay tadiavina sy hirina !



ka izay izy harahim-bavaka izay indrindra ,no tsy mahatamana ny vehivavy,omeko andalan-teny ao amin'ny baiboly ianao hisy hosaitsaininao ephesiens 5:22 Que les femmes soient soumises a leurs maris comme au seigneur ,parce que le mari est chef de sa femme comme le christ aussi est chef de la congregation
Ny andron'ny 8 marsa dia manohitra an'io teny io ankitsirano, ary raha mandinika ianao efa tsy izany intsony no filamatra ho an'ny vehivavy maro,mbola mitony tena anefa hoe kristianina ,mandray fanasan'ny tompo,mandray communion ny sasany.
Ny lehilahy miseho mamehy vehivavy ireny jereo raha tsy ialan'ny sipa pah foana ,fa lehilahy mamela ny sipa,hanao izay tiany hatao ireny no hifarombahan'ny vehivavy ,na ho sodoma sy gomoro aza ny fiainana ,rahampitso.
Izany hoe ny tiako ho lazaina dia izao ny anahy lehilahy efa azonay ny zonay ,mifenty foana izahay isan'andro:D, fa ny anareo vehivavy,no mbola maro no tsy hazo,dia mahereza mitaky,mba ho 8 marsa foana ny andro.=D=D=D
24. fijo ( 10/03/2006 20:55)
patrick,tena marina ary arahanay ireo hevitra voalaza ireo e.
25. patrick2002 ( 11/03/2006 04:48)
fanitsiana kely baiboly nomen'ny namana temoins de jehovah ahy no nandikako io andalana io fa izao izy ao @ baiboly protestant.Ephesiens 5:22 que les femmes soient soumises a leurs maris comme au seigneur,parce que le mari est chef de sa femme comme le christ aussi est chef de l'eglise.
26. vegas ( 11/03/2006 09:48)
de tena tsy nisy baiboly gasy mintsy ve?
27. patrick2002 ( 11/03/2006 17:10)
vegas:

de tena tsy nisy baiboly gasy mintsy ve?



izay lesy ra vegas tsy nahalala an'andriamanitra raha tsy taty ampitandranomasina ,miala tsiny raha afaka mandefa baiboly gasy ahy ianao dia raisina antanandroa.
28. Fiffi ( 11/03/2006 19:22)
que les femmes soient soumises a leurs maris
:roll:
29. patrick2002 ( 12/03/2006 15:39)
Fiffi ^:^
30. Fiffi ( 12/03/2006 19:40)
:roll:
31. patrick2002 ( 13/03/2006 02:43)
Fiffi ah! raha mandinika ianao ,na mijery fotsiny karazana dihy rehetra misy,eran'izao tontolo izaho dia mahatsapa fa,ny lehilahy foana no mitarika,rock and roll,sega ,salsa,afindrafidraho ,blues,valse,tango ,tsatsa tsa ireny rehetra ireny dia taratry ny fiainana daholo,ary tokony mbola hijanona ho lalam-piainana,sahala @ hoe ny ray aman-dreny,no natao hikarakara sy hanabe ny zanany,Ny lahy sy vavy amiko dia samy manana ny anjara toerany eto @ fiainana,tsy misy azo hamaivanina ,ary tsy misy ambony sy ambany,samy manana ny maha-izy azy,ka raha hitovy zo @ lehilahy ny dikan'ny 8 marsa,amiko tsy hazo ekena,fa raha kosa fanomezana hasin'ny zon'ny vehivavy,ary fanandratana havo ny zon'ny vehivavy,alao hery ry andriam-bavy lanitra isany ,loloavina hatampon'ny loha ,nahitana masoandro,nitondra 9 volana,fa loha-laharana izaho manohana azy ,ary tokon'ny hasiana 1 volana ho an'ny vehivavy amin'izay fa tsy ho 8 marsa fotsiny
32. Fiffi ( 13/03/2006 07:42)
patrick: ka io kosa aloha azontsika hatao hoe "galanterie" eh! izahay vhv koa anie afaka mitarika anareo mandihy eh! :-D:-D vazi2 ny ahy iny fa iny fitarihana iny kosa anie ahoana tokoa moa no nahatonga an'ierny ? :roll:
33. patrick2002 ( 13/03/2006 17:11)
marina ny anaho efa misy izaho ny fandihy ,samy mampieTsika ny tongony sy ny tanany eo ,dia dihy ny anaran'izay,taratry ny fiainana daholo izany,ao ny hip hop,ny disco,vao nisy fandihy vao haingana an'ny dago kilalaky.efa samy manao ny azy izao ao an-tokatrano ao,efa samy calculatrice,sy calculateur daholo @ izao fotoana izaho ,no tafavoaka.Hany ka ianao mandeha am-pahatsorana victime foana.Ho gaga ve ianao @ izao fotoana izao raha betsaka ny lehilahy efa miraviravy tanana ao an-tokatrano,Ny fitovian-jo izay,no rivotra mitsoaka @ izao fotoana izao,dia mi-profite an'izay ny lehilahy sasany,dia mialangalana,izy raiso ny anao ramatoa ah!tsy manakambara izaho,izay vao mitaraina i ravakamalala hoe LEHILAHY TSY MANDRAY ANDRAIKITRA:roll::roll:
34. corallie ( 15/03/2006 09:25)
oka zay ry patrick fa be resaka be ;mba nomena avantage ndray andro ve ny vehivavy de zany no ataonareo lehilahy
@ heri taona zao io mitombo 1andro sy tapany .hihi

35. patrick2002 ( 15/03/2006 17:28)
dia izay hanao andro-pisaonana herin'andro:(:(
36. lolyony ( 15/03/2006 23:39)
Ary rovina ny fetin'ny volavo e hihiihiihihi, mba mandalo kely oooo de tsikilo de zayyyyyyyy hiihihiihhihi
37. vegas ( 16/03/2006 17:28)
lolyony> volavo ko anaovana fety? hihihih
38. lolyony ( 16/03/2006 20:41)
vegas hihihiihihihi fa maninona kosa moa no tsy mba hanaovana fety ny volavo eee hihihiihhi, mba mangalatra ny forum resandehilahy ooooo , ohatra ny volavo ihany e hihihihhihihihihhihi.
39. xxx ( 17/03/2006 01:27)
oseiie eh
tena hevi dehilahy marina
8O
40. fijo ( 17/03/2006 21:05)
hay loly voalavo kely?andraso ary fa za hanao saka be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078