Fa ahoana hiany ity ODY ity ?

1. Fiffi ( 08/03/2006 06:09)
Tamin’ny Sabotsy lasa teo no noravan’ny fifohazana sy ny mpitandro ny filaminana ny doany Ambohitranjomba, doany iray malaza ao Alatsinainy Bakaro, 50 km miala an’Ambatolampy. Nokasaina handova ny fiambenana ity doany ity ny zazavavy iray 16 taona ka niady mafy tamin’ny aretina vokatry ny mosavy nahazo azy.
Havan’ny tompon’ilay doany ity zazavavy ity, ka efa niara-nanompo ity doany ity izy sy ny ray amandreniny, sady mivavaka ihany. Taona vitsy lasa anefa izay dia tapa-kevitra ry zareo fa hiala amin’ity fanompoana doany ity ka niova fo ary lasa nivavaka tanteraka. Tsy nankasitrahan’ireo tompon’ny doany anefa izany ka nataony tamin’ny “fanaovana azy”. Nanomboka tamin’ny taona 2005 iny dia nisy ny fotoana nanapahan’olona ny volon-dohan’ity zazavavy, ary taorian’izay dia nisehoan-javatra ity zazavavy. Mi-delira ary manonona ilay doany. Teo no nahatsapan’ny ray amandreniny fa asa ratsin’ilay tompon’ny doany izao. Nitory tany amin’ny manampahefana ny havan’ilay zazavavy ka tonga nanatrika ny fandravana ilay doany ny mpampanoa lalàna any an-toerana sy ny zandary ao Ambatolampy.
Niantsoana mpiandry
Tamin’ny herin’ny androany kosa no nanome vaovao ho an’ny sampana fifohazana ao Amin’ny FJKM Ziona Anosibe ny havan’ilay zazavavy izay nangataka azy ireo hamongotra ilay doany. Nampitain’ny sampana fifohazana tany amin’ny foibe ny vaovao ka ity farany indray no nanangona ireo mpiandry avy amin’ny fiangonana FJKM maro. Mpiandry miisa 268 no tonga tany an-toerana tamin’ny Zoma hariva teo ka nivantana tao amin’ny FJKM Ambodiriana Fitiavana.
Ny Sabotsy maraina no nifamotoana teo anoloan’ity doany ity ny mponina manodidina sy ireo manampahefana ary ireo mpiandry rehetra.
Rovamanga
Trano iva iray fitehirizan’ireo tompon’ny doany ny karazana ody no antsoiny hoe “Rovamanga” Voamarin’ny ray amandrenin’ilay zazavavy narary fa volon-janany nisy nanala tany Ambatolampy no anisan’ny hita tao, nifangaro tamin’ireo fati-bolo samihafa niampy hety. Misy vato iray fanaovana sorona eo anoloan’ny Rovamanga. Fady kisoa sy fady miasa amin’ny andro Alakamisy ny faritra manodidina ity doany ity.
Ady mangotraka
Voatsiahy talohan’ny fandravana ilay doany fa raran’ny lalàna ny fitehirizana ody gasy toy itony. Ireo tompon’ny doany 3 lahy moa dia efa voatana any amin’ny zandary talohan’ny Sabotsy, ka ireo mponina tao an-tanana no nanatrika ny fandravana.
Nangorom-potsy ny tanàna niasan’ireo fifohazana, araka ny vaovao azo. Nanomboka tamin’ny vavaka sy fametraha-tanana, ka tsikaritr’ireo mpiandry fa nisy no tsy nahafoy ity doany ka tsy nanaiky nametraha-tanana. Araka ny fitazana ny sasany aza dia nisy ny nanantena ny hisehon’ny zava-mahagaga mety hahavoa ireo mpiandry izay heveriny ho mianankendry. Navoaka ny ody gasy rehetra ka nodorana ampahibemaso. Nodorana koa ilay doany ka rava tanteraka.
Fanaovana “Joro”
Isaky ny voalohan’ny taona dia fihaonamben’ireo mpanasina sy mpanompo ity doany ity ao Alatsinainy Bakaro. Mpitaiza amin’ny fomba gasy sy mpitsabo malaza no mpanasina sy mpanao sorona eo. Nino ny herin’izy io ny ankamaroan’ny mponina. Tamin’ny fotoana nandravana ny doany dia nisy tavoahangy iray tsy sahin’iza na iza nokasihina noho ny lazany. Nipoitra ho azy avy any ambanin’ny tany hono io tavoahangy io ka natahorana tokoa.
Resy ny devoly
Nandresy Andriamanitra!, izay no vokatra farany. Niasa tamin’ireo mpiandry sy izay nanatrika teo ny heriny ka tamin’iny andro iny ihany dia foana tanteraka ilay fanompoan-tsampy malaza. Nitomany nigogogogo ny mponina ka nizara roa dia ny hafaliana ho an’ireo nandresy ary hatezerana kosa ho an’ireo mbola tsy mahafoy ilay doany.
Madagascar Tribune
Mpandridra: Hery A
2. sonwin ( 08/03/2006 06:31)
lalina indray 'zany
3. Fiffi ( 08/03/2006 06:44)
tena tsy mahatonga saina mihintsy an!
4. ravatorano ( 08/03/2006 06:50)
raha izany inn ary nbo tsy andravana ireo doany maro manerana ny nosy
sa misy doany mitahy sy ho an ny mpivavaka ihany koa
???????
:twisted::twisted::twisted::twisted:
5. Fiffi ( 08/03/2006 08:17)
fa misy karazany roa ve zany ireo doany ? Fa mba ahoana koa izany doany manao ody ratsy izany ? tsy azoko ry zareo an!
6. andry44 ( 08/03/2006 08:32)
Tena lalina izany!!!de aiza ho aiza ny toerana misy an-dry pasteur Mihlol sy tariny@ izany?
Mila valiny mihitsy aloha ilay hio misy ve ny doany mitahy,manasoa sy ny mampitondra faisana ny olona?
Amiko ny karazam-pinoana toy ireny de tsara am-boalohany ary tena maro tokoa ny olona no mahita soa sy mahazo fahasoava angaha raha izay no hilazana ay.Omeny izay tadiavinao ianao raha toa ka mahafeno ny conditions rehetra,fa ny fiafarany matetika tsy maintsy faharavana na fahavoazana!

Tsy misy tsara noho ny manompo an'Andriamanitra@ herinao sy ny sainao ary ny fonao rehetra!!!!
7. naritsimba ( 08/03/2006 08:33)
asakasakareo io ko
8. mamzelkely ( 08/03/2006 08:35)
fa angah doany no fiantso ana reny olona reny [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/gif/pascompris/vignette/thumbnails/headscratch_gif.gif[/IMG] ary za zay vô kôpy aaa:roll:
9. Fiffi ( 08/03/2006 08:36)
marina izany saingy tsy mahatonga saina izao zava-miseho izao .
10. pissoa ( 08/03/2006 12:15)
lalina marina izy izany

mamzel, ny doany ve le olona sa le trano vatokely otran'ny fasana ireny e :roll::roll:
11. mamzelkely ( 08/03/2006 13:01)
ny fahazoko an le article klou de le olona eee [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/19032003/presse_citron.gif[/IMG] nefa ts haiko :°)
12. pissoa ( 08/03/2006 13:25)
Tamin’ny Sabotsy lasa teo no noravan’ny fifohazana sy ny mpitandro ny filaminana ny doany Ambohitranjomba
Dia noravan'ny mpitandro filaminana ahoana zany le olona kle :roll::roll:
13. mamzelkely ( 08/03/2006 13:37)
de ts haiko njay zany ky ka :-D:-D za ko mbô fanina [IMG]http://smileyonline.free.fr/images/gif/pascompris/vignette/thumbnails/wam_gif.gif[/IMG] :-D:-D
14. Fiffi ( 08/03/2006 16:22)
ary zah koa anie niheritreritra hoe olona io doany io eh!
raha izany inn ary nbo tsy andravana ireo doany maro manerana ny nosy
sa misy doany mitahy sy ho an ny mpivavaka ihany koa
nefa raha mamaky ny lahatsoratra aho dia olona io doany io sa ahoana ?
15. Fiffi ( 08/03/2006 16:39)
nahita an'ity site ity aho sao dia misy mahaliana anareo ao. http://www.taloha.info/document.php?id=161&format=print
16. Fiffi ( 08/03/2006 16:44)
na ity koa misy iray tena mahaliana mihintsy
http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=101
17. mimiso ( 08/03/2006 17:05)
:roll::-w
18. Fiffi ( 08/03/2006 18:49)
:roll:
19. tovolahy007 ( 31/03/2006 02:55)
salut
zao e,ny ody gasy de misy hatramin'izao,ary tena mandaitra mitsy,fa de tsotra fotsiny ny fiarovana mba tsy ho voany.
Zao le izy ary:Mahaiza fotsiny miara-monina @ olona de tsy ho voan'ny ody zany enao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1281