TOAMASINA miaina tanteraka ao anatin'ny loto sy fako

1. gasypantin ( 07/03/2006 18:45)
mba jereo kely anie ny site
www.madanight.com
fa dia tena maloto tokoa TOAMASINA nefa 1é port de MADA mahalasa saina ihany!!!
novalian'i vahatra22 ny 08/05/2006 14:31
2. zandikely ( 07/03/2006 20:01)
Ie, maloto tokoa ny tanan'ny Toamasina. Satria ny maire tsy manao ny asany? Alohany hitsara azy dia omeo aloha ny anjara subvention ho an'ny commune urbaine de Tamatave, izay tsy omeny fanjakana foibe hatramin'izao, tsy lazaina intsony ny vola avy taminy banque mondiale izay nahodiny fanjakana amina zavatra hafa.
Maninona ary Toamasina no tsy ampitovina aminy commune hafa eto Madagascar, satria hoe Roland Ratsiraka no maire aho?

3. xxx ( 07/03/2006 20:11)
tsy miombo-kevitra aminao kosa aho hoe mila subvention vao mahalàla madio !toe-tsaina no tena important voalohany ,jereo fa na ilay rangahy manary fako ve dia tsy mbà mieritreritra hoe misy olona mipetraka ireo trano fa dia tsy miraharaha fa asavovo efa hila hihoatra ny trano ny fako!!!:{
4. zandikely ( 07/03/2006 22:12)
XXX

Angaha moa misy niteny hoe mila subvention vao mila madio, aza mandika vilany e !
Ny tiako ho lazaina dia hoe misy fiantraikany aminy fahalotoan'ny tanana ihany koa, ny tsy fahazahoany ny subvention tokony ho azy. Fa na izany na tsy izany raha miresaka tanandehibe any Madagascar, tsy dia hitako hoe tanana aiza no mba misy tanana madio.
5. Lejim ( 08/03/2006 01:47)
Zah zalah mba olona avy any amin'ny faritra iny fa lasa saina be zah nahita io fiovan-javatra io. Tsy dia olona tsy mahalala madio loatra izahay ireto, fa misy zavatra mihitsy no manery ny sain'olona tsy hisaina afa-tsy sakafo angamba.
Malahelo zah mahita ny tananan'ny Toamasina otran'io fa tsy manome tsiny an'iza n'iza!
6. ambivotra ( 08/03/2006 20:29)
Mampalahelo tokoa ny loto fa tena loza dia ny firefarefan'ny toetsaina, ka asa izay tokony hatao laharam-pamehana?Ny fako sa ny fisainana ?Sao dia tokony tsy hovariana amin'ny fifanomezan-tsiny ary isika fa misy maimaika noho izany tokony hatao ?
7. vahatra22 ( 08/05/2006 14:31)
io tsy afaka hifanilaka mintsy n'iza n'iza fa samy tompon'andraikitra daoly ny tsirairay e! tokony samy mitandrina tsy handoto d miezaka manadio!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3798