COE: sao fiarovana sy fanamelohana diso toerana?

1. jentilisa ( 03/03/2006 07:55)
Gaga aho raha nandre ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitra Eokimenika nanambara ny fanamelohany ny namoahana ny sariitatra momba an'i Muhammed.
Ny tao an-tsaina voalohany dia hoe efa nahita ny sary ve ry zareo? Raha nahita, moa tsy tsapan-dry zreo ve fa tsy Muhammed loatra no kendrena amin'ireny fa ny fihetsika tsy mety loatra ataon'ny mpivavaka sasany? Fa raha tsy nahita kosa ry zareo sao dia mihinana am-bolony izay fihetsikyny olona fotsiny; dia ireo izay mitabataba an-dalambe izany.
Maninona moa raha mangina fotsiny satria tsy ny hevitry ny fiangonana no tadiavin'ireo tezitra noho ny sary fa fifonana avy amina fitondram-panjakana?
Sa izany ve no atao mba tsy handoroan'ny silamo ny fiangonana kristiana.
Moa fantatry ny mpitondra fiangonana kristiana izay nivory ka nanapa-kevitra izany fanamelohana izany fa ny fototra ijoroan'ny fiangonana kristiana dia ompa lehibe eo anatrehan'ny silamo. Laviny sy tsy eken'ny sainy izany hoe Andriamanitra manan-janaka izany. Koa noho izany tsy hahay hanaja izany finoana ijoroan'ny kristiana izany amin-kitsi-po na oviana na oviana ny silamo.
Dia nilaina ve ny nanameloka? sa hivarina any amin'ny fanakanana ny fahalalahan'ny tsirairay ihany koa ny fiangonana kristiana?
novalian'i marozevo ny 11/03/2006 00:30
2. naritsimba ( 03/03/2006 08:32)
Anjaran'ny tsirairay no mandinika e, zay no heviny dia izay zany.
3. Fiffi ( 03/03/2006 08:34)
dia izay zany koh!
4. ds ( 03/03/2006 11:02)
Ny hevitra tokoa moa tera-bary ka samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny ary tsy tokony hisy fifampitsarana izany.
Indro kely anefa, mba alaivo an-tsaina hoe raha misy kristiana vitsivitsy na maromaro mampiseho herisetra ampahibemaso na mampihorohoro amin'ny anaran'i Kristy. Noho izay, dia mety hisy olona na mpanao gazety hanao sariitatra mampiseho an'i Kristy miloloha baomba. Ka asa raha hionona amin'ny fahalalahan'ny tsirairay izay toa tsy misy fetra.
5. dadabe ( 03/03/2006 14:14)
jentilisa> COE madagasikara ve no resahan'ise sa erantany e??
6. Veloo ( 03/03/2006 16:17)
:-w:-w
7. lapino ( 03/03/2006 22:32)
Raha ny fahazoako an'izany dia mety hoe nilahatra tamin'ny papa (vatican) izy namoaka ilay fanamelohana, satria i vatican koa dia nanameloka an'ireo sariitatra ireo.
8. jentilisa ( 04/03/2006 09:01)
Toa fanapahan-kevitra tany Brezil mihitsy ilay izy.

Raha misy kristiana vitsivitsy hoy ds: ny mahasamy hafa azy raha misy ny manao izany mbola be lavitra ny kristiana hanameloka ilay mampihorohoro noho ny an'ny silamo, miala tsiny amin'ny fitenenana.

Ny azy tonga dia miharo fandrahonana avy hatrany. Ny valinasa raha mahavita mahafaty ilay nanao sary ka tsy misy manakiana avy any amin'ny silamo dia manamabara amiko fa ankasitrahan'ny maro aminy mihitsy raha maty any ireo mpanao sary ireo. Milaza foto-pisainana ankapobe izany amiko.
9. marozevo ( 04/03/2006 23:56)
Tsara ny hahalalantsika fa ny Fiangonana Katolika, au niveau mondial, dia tsy mambran'ny COE fa observatera ihany. Midika izany fa tsy manana adidy amin'ny fanapahan-kevitry ny COE izy.
NIlahatra tamin'ny Papa ve ny COE nandray ny fanapahan-kevitra? TSIA, satria ny Papa dia tsy nanameloka ny sariitatra, fa ny teniny, raha tsorina dia mitovitovy amin'izao : "Tsy azo tànana ho andraikitry ny fitondram-panjakana iray ny fahalalahan'ny mpanao gazety iray" ary dia nampiany hoe "Ny fahalalahana amin'ny fanaovana Gazety anefa, tsy midika ho baranahiny amin'izay atao, indrindra raha mahakasika zavatra heverina ho masina".
10. dadabe ( 05/03/2006 00:21)
ahan !!zah aloha tsy mahay fa tena tiko le mifampizara information tahaka izao e
11. marozevo ( 05/03/2006 01:24)
Ilay resaka tany Bresil leitsy ry dadabe io ah... Fa any Madagasikara ny Fiangonana Katolika dia tena mambran'ny FFKM tokoa.
12. jentilisa ( 06/03/2006 08:00)
Marina io tenin'i marozevo io.
13. marozevo ( 11/03/2006 00:30)
Fa nahoana ry reto no manjary misy pub eto ah? gaga be aho... tokony hatao any amin'ny loha hevitra hafa angamba ny pub rehefa tsy maintsy ho atao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0941