Fitoriana Ray aman-dreny

1. Fiffi ( 02/03/2006 19:46)
Tena mba mampalahelo kosa aloha raha hoe ny ankizy , zanaka no mitory ny RAD eh! indrindra fa hoe raha vao nahazo 18 taona ilay ankizy dia maha-sahy mitory ny RAD , ao ny hoe tsy nahaloha ny fanampiam-bola , ao ny hoe nikasi-tanana , tsy fantatra intsony hoe mbola misy "autorité" na mbola manana "autorité" ve ny RAD ? Dis misy sahy milaza fotsiny tsotra fotsiny zao hoe " tsy nangataka t@ nareo ny ahatongavako ety an-tany aho " Ohatran'ny hoe lasa "devoir" ho an'ny RAD ka tsy maintsy voatery ry zareo hanaiky izay tian'ny ankizy.Moa rehefa tsy manaiky dia mitory.:(
novalian'i Fiffi ny 08/03/2006 19:07
2. Herimiafina ( 02/03/2006 20:23)
Arakaraky ny làlana misy io akia ry Fiffi an!
Ny aty aminay izao de vao any amin'ny kilasy ambany kely de kely de efa ampianarina miantso polisy amin'ny 911 raha ohatra ka mikasi-tanana ny Ray aman-dReny an! Ary io na dia hoe mamihina mafy loatra fotsiny aza de efa azo hiantsoana polisy.:snif:
3. Veloo ( 02/03/2006 20:27)
za dia tsy mba manaiky an'io...aiza retsy ko arahina doly izay adalan'ny ireto tany am-pandrosona ireto... na tsara na ratsy dia inn ko ilay gasy kely manaraka - misy an'io angaha any Dago sa ny aty ivelany no lazain-njy io?8O
4. zandikely ( 02/03/2006 20:42)
Fahitako azy mila jerena cas par cas fa tsy azo atao resaka ankapobeny ilay izy satria misy tokoa ny ankizy sasany manararaotra ny RAD.
Etsy ankilany misy kosa ny RAD manararaotra ny tsy fisiany lalana: ohatra hoe mikapoka mandratra ohatra efa tsy izy intsony, manasazy efa tsy zakany aina, tsy manome sakafo... Ataoko fa tsy ireo mihitsy ny fomba entina manabe.

Tahaka izany koa ireo mpampianatra mikapoka ankizy ampianarana, efa tsy izy intsony zany.
5. Fiffi ( 02/03/2006 20:45)
Veloo: aty ivelany aloha io eh! vao teo zao t@ tf1 nisy emission mitantara an'io mihintsy , fa ny fahitana ireo RAD mitomany akia tena tsy zakako an! :snif::snif: mitovy ^ iHerimiafina ny heritreritro zany fa tena mampi-te :snif::snif:
6. pika ( 03/03/2006 03:58)
miombonkevitra @ zandikely fa misy tokoa anie ny RAD mamno mandratra sy mampiasa mitady vola ireny zaza ireny sy ny tsy mahavita ny adidiny mandefa mianatra oh raha eto mada

fa ireo hoe efa lhb kosa mitory na manao tsinontsinona RAD dia heverina fa tsy mety indray e
mata lehibe dia tao ireo nisahirana, niankindrindrina ireny ....

misy koa anefa ireo RAD mbola mihevitra fa mbola mpandidy ny zanany na dia efa manatokantrano aza tsy mahay mipetraka ..
7. Fiffi ( 03/03/2006 05:01)
marina daholo izany voalaza izany , saingy misy koa anie ireo ankizy rehefa tsy araikin'ny hitiavany sy anilainy azy dia manao an'io eh! Marina aloha fa tsy azo hatao ny mikapoka , fa ny ahy aloha dia izao fotsiny hiany: tsy mahatanty mihintsy aho hoe ny ankizy no mitory ny RAD , ilay izy manko dia misy ireo ankizy miheritreritra hoe "droit" anay io fa ilay fisainana hoe ray aman-dreniko ireo ka mba mety hisy vokany ve raha andeha hitory azy ireo aho ? na dia ny halahelo mafy ho an'ireo RAD aza ve dia tsy mba hasiana fiheritreretana na dia kely fotsiny aza ?
8. sipagasy ( 03/03/2006 06:09)
mmhhhhh Fiffi hitako tokoa iny fandaharana iny tao @ Fr2 fa tsy tf1 akory "envoyé special" tena marina aloha fa misy ny "droit" ho an'ny akizy ary tsy azo lavina izany fa eo koa anie ny Ray aman-Dreny mihevitra fa izy no nanome "aina" ny zanany ka mahazo mikapoka sns e! ka izaho indray aloha dia aleoko mihaino ny ankizy @ izay e! na nahitana masoandro aza mify fetrany ny azony atao kouuuuusa diso ve aho???
9. Solitikabe ( 03/03/2006 06:17)
Fiffi, mila fampianarana maro isika, ary mila mianatra ny fiaraha-monina Malagasy. Izay no hitako fa lesoka satria ny tsy fanajana Ray aman-dReny dia nolovaina t@ vahiny sy ny tandrefana. Raha tsy diso aho dia na ily Tompo Kristy aza dia tsy nanaja io fiaraha-monina io ka nilaza t@ havany hoe: Fa iza moa no havako sy rahalahiko? Raha nitady azy ny havany. Miala tsiny aminy fa izay no voalaza.
10. Fiffi ( 03/03/2006 07:02)
mila fampianarana maro isika, ary mila mianatra ny fiaraha-monina Malagasy. Izay no hitako fa lesoka satria ny tsy fanajana Ray aman-dReny dia nolovaina t@ vahiny sy ny tandrefana.
indrisy !!! marina tokoa izany , aiza re ireny taloha fomba fanajana ny RAD ireny eh ?
tena marina aloha fa misy ny "droit" ho an'ny akizy ary tsy azo lavina izany fa eo koa anie ny Ray aman-Dreny mihevitra fa izy no nanome "aina" ny zanany ka mahazo mikapoka sns e
tsy mandaha aho hoe misy ny droit ny ankizy fa misy dia tena lasa lavitra be mihintsy. Ny mikapoka aloha dia tsy mety eh! fa arak'io voalazanao io dia aleo miresaka , izay angamba no fahendrena. Izaho aloha tsy nijery htatrmin'ny farany fa tsy tantiko ny fahitana ireo RAD mitomany ireo eh!
11. Fiffi ( 03/03/2006 07:04)
Ny hitako koa dia ireo olona mbola manana ireo RAD dia tsy mba mahay manararaotra fa mafy anie raha sendra ny kamboty eh!
12. pika ( 03/03/2006 10:40)
fa mafy anie raha sendra ny kamboty eh!

marina izany, maty vao ramalala sy ...:snif::*:(
13. Veloo ( 03/03/2006 15:44)
hay aty ivelany a mandry ny saiko raha izany ry fiffi... raha ny gasy ankizy no manao anio dia efa mivadika mihitsy ny tany aman-danitra kle :roll:
14. Fiffi ( 03/03/2006 15:51)
Veloo: sohiany fa aty ivelany io an! isika Malagasy manko malaza @ fahaizantsika ny fanajana ny RAD.
15. ikalakintina ( 03/03/2006 16:53)
tantara ity:nisy maizina izay reto de nikapoka ny zanany izy, de nantsoiny voisin ny polisy de hoy le rangahy we avelao izy kapohako dieny mbola kely fa refa manao adalana izy refa lehibe de nareo ihany no hampigadra azy si non, teneno we iandraikitra ny zanako am fahendreny mandrakizay nareo, de le polisy ndray no leo,, de ho an'ze mbola velondray sy reny de hajao e, mba ho lava andro am tany izay nomen'Atra anao
16. Fiffi ( 03/03/2006 21:17)
mbola tsy naheno aloha aho hoe efa nisy zavatra nitranga tahak'izao avy @ gasy eh! fa raha tsy izany angamba dia......
17. pitchou ( 04/03/2006 00:56)
le izy @ko tokony à double sens fa tsy we ny RAD manana zo hanao ze tiany @ zanany na ho vonoiny aza (any @ tany silamo d izay no mitranga!) na we ny zanaka hitaky ze tiany rehetra @ RAD!
Marina nen'le zaza raha miteny izy we "angah izy nanontaniana ze heviny raha te-ho tonga ety na tsia", fa le RAD rehefa te-hiteraka d mila mahazaka ny vokany, indrindra ze rehetra takiana mba hahatonga le zaza ho lehibe sy olom-banona anaty fitiavana, fa tsy anaty vono satria ny kapoka rehetra d mamela takaitra avokoa indrindra ange rehefa rotsan-kazo zay, tsy afaka intsony ny trasy! tsy tokony hihevitra ny RAD hoe fahasoavana mihoa-pampana no nomeny ny zanany par le fait hoe nisy izy, satria eo, d ny RAD no nahazo fahasoavana fa tsy le zaza!
fa ny zaza koa mila mahay mankasitraka ze soa atao aminy! zà aloha gaga taloha we feno 18 ans le zaza d mitaky vola @ RAD eny! rehefa feno 18 ans aza izy amiko no tokony tsy omena intsony satria efa afaka miahy ny tenany!
raha mbola kely tsy ampy taona le zaza d rariny raha miantso vonjy any @ polisy sy ny fitsarana raha mizaka ny tsy eran'ny ainy, saingy hatraiza no azo tolérer-na?
rehefa lehibe izy, ze hiafarany indray tokony aferan'izy samirery fa tsy idirana intsony
18. Fiffi ( 04/03/2006 06:23)
le RAD rehefa te-hiteraka d mila mahazaka ny vokany, indrindra ze rehetra takiana mba hahatonga le zaza ho lehibe sy olom-banona anaty fitiavana,
@ lafiny iray mba ahatonga ny zanany ho olom-banona aloha dia marina ny andry! fa ny tena mba tiako fantarina dia ny hoe : mba ahoana re ny ao am-pon'ireo ankizy mitory ny RAD ny fahitany azy ireo mitomany , malahelo , eny na dia hoe nisy hadison'ire RAD aza , fa misy kosa anie mila vaniny fotsiny no hanaovana an'ialy izy eh! ao koa ny namana izay mampirisika hoe zao hatao , ary matetika dia ara-bola foana no mahatonga an'izany.
19. Veloo ( 04/03/2006 23:57)
:°)
20. pitchou ( 05/03/2006 00:08)
fiffi> le we malahelo mitomany alou d tsy handaitra mintsy amin-dry lerony satria ataony otran'ny hoe "ngah izy te-halala nahita ahyt nalahelo tsy nahazo vola sns ..."
fa matetika tokoa aloha le resa-bola any e! ampianarina hisehoseho @ vola ny ankizy
fony aho nianatra tany d nilaza ny ankizy tao @ le sekoly we izao ny montant tsy maintsy omen'ny RAD-nay anay isam-bolana vao afaka mianatra ato izahay! gaga be aho satria efa ho doblan'ny bourse oemna anay nefa izahay @io sady manofa trano no tsisy RAD any!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3127