usjf: hanao hadalana lehibe?

1. jentilisa ( 02/03/2006 05:54)
Taitra aho raha nandre ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny usjf aloha. Heveriko avy hatrany ho karazana chantage ilay izy, izany hoe tsy hiakatra amin'ny sehatra manaraka intsony. Mety ho haika mba hampiakatra ny hambom-pon'ny vahoaka mpakafy io taranja io ihany koa. Iny eo ihany fa ity no tena loza:
Lazaina fa hisy ny fandrotsahana rakitra ho fanampiana ny ekipa mandritra ny lalao amin'ny faran'ny herinandro iny. Io ilay hadalana lehibe ahiako. Nahoana moa no atao hoe rakitra ilay izy? Lazaina manko hoe any anaty vahoaka any no hisy hitaty rakitra. Manome vahana ny mpisoloky avy hatrany izany. Tsy misy marika hahafantarana hoe ohatrinona tokoa ny vola azo. Mazava ho azy fa fahazoam-bola tsy mazava loatra ilay izy ka afaka manonona izay vola lazainy fa azo teo izy ireo. Maninona raha atao karazana tapakila misy sanda mialoha vidiana ilay izy amin'izay fantatra avy hatrany ny vola tokony ho ao anaty kitampom-bola fa tsy eo vao manisa ka raha misy ny mampiditra am-paosy eo ampanisana vola dia tsy hotsikaritra izany. Tena mila mandinika tsara ny mpitantana ny ekipa usjf fa tsy hanao an-tandrevaka ny asa toy izao.
novalian'i jentilisa ny 06/03/2006 13:15
2. xxx ( 02/03/2006 07:30)
na ny mahatsotra azy dia asiana vatan-drakitra lehibe eny @ fidrana dia rakitra no alatsaka ao ka asiana mpanara-maso tsy avy ao @ USJF miara-manisa ny azo.
3. ravatorano ( 02/03/2006 09:14)
sao d tsy tadidinao aza ilay boll farany nataon i usjf sy ry zareo afrika atsimo ka nahafaty olona iny
ny bié marobe no natonta nefa lazaina fa tsy miohatran izany ny vola niditra
aiza zao ny vola azon ny ekipa tamin ireny ?
za maalala fa nisy afera naloto tamin iny sady tsy mba nisy fanazavana sy fampisehoana ny mangarahara miitsy.Efa nisy lohahevitra momba an io tamin izany fotoana izany teo.
Zao ndray d rakitra marina ny an lah ra jentl fa fandrebirebena io ;milaza ny tompon andraikitry ny usjf fa bokan ny trosa ny club amizao nohon ny fandraisany antanana ny fandehanay tany ivelany farany teo iny ka izany no nanapahany hevitra fa na mandresy aza zareo d tsy afaka ny handeha amin ny dingana manaraka asa raha fantatry ny mpitarika fa misy vola lamandy aloa anie amin izany sady ry zareo mpitarika an io club io koa anie ka misy membre eo amin ny federation eh ka mahalala tsara an izay.
Io na miara manisa amin ny olona ivelan ny club aza ny olona efa misy mahatsikaritra tsy fandehany izay d aleo amizao.Za tsy manan vahaolana amin izany satria efa nilaza rafanjakana fa ny club no miantoka ny lany amin ireny fivoahana rehetra ireny ary ry zareo koa no mandray ny sosy amin ny lalao miverina etsy mahamasina d zay ihany , amiko fakana sponsor matanjaka sy fanaovan hetsika goavan no mety:wink:
4. garrol123 ( 02/03/2006 10:29)
Za koa de toy izany mintsy;Tsy tokony hiandry 1sem avant match vao hoe misy pb financier fa efa tokony nisy hetsika lehibe natao vao fantatra fa hisolo tena an' i M/car zany hoe ankoatry ny fanomaman-tena @ entrainement de misy koa ny fanomanana ny vola entina iatrika izany satria na hanao entrainement tena raitra aza kanefa tsisy vola de zavapoana ny effort rehetra. Ny artista koa tsy handà izany mintsy satria tia sport koa izy ireny.Raha tafita @ zao dingana zao de tokony manao hetsika amafana ny trosa sy iatrehana ny dingana manaraka.
5. jentilisa ( 02/03/2006 12:41)
Ny eto moa izany toa tsy hay be ihany izany sponsor izany. Sa tsy malaza ve ny baolina gasy? Inona moa ny maha-ravinala ny ravinala raha tsy hoe ny mpintantana ny Radio Televiziona Ravinala no mpiandraikitra sy mpiantoka ny USJF. Moa ny rafitra koa no asa na taraiky loatra ny gasy na ahoana. Mba misy horaisina ihany koa ity hevitry ny namana iray ity.
http://raepr.blogspot.com/2006/02/tsy-matotra.html
6. ravatorano ( 03/03/2006 08:07)
io ilay zatra fanampiana avy amin ny fanjakana foan e
d zay foana ka raha vao tsy maazo izany d tsy handeha tsy afaka ny hanao fifaninanana
zany foana satria ny fanatanjahatena malagasy amin ny ankapobeny tsy manan sponsor no tsy maay mietsika koa ny federation misy anazy na ny liginy
7. jentilisa ( 03/03/2006 08:16)
Misy rafitra tsy mety no dikan'izany amiko.
8. jentilisa ( 06/03/2006 13:15)
Nanatrika ny baolina notontosaina ny alahady aho ary dia hitako fa tsy nisy ilay fanatazan-drakitra na teo amin'ny vavahady na teny amin'ny gradin! tsapan'ny usjf ihany angamba fa tsy nety ny fikasany. Manaraka izany dia tokony ho mba manana fandraisana anajara amin'ny fandaniana ihany ny fanjakana na dia mody ho fanampiana ara-bola na "part" atao amin'ny federasiona ihany aza ny anarany. Tena sahirana tokoa ny ekipa vao mety ho afaka handray anjara amin'ny sehatra afrikana.
Manaraka izany tsaroako tsara fa tamin'ny nanaovan-dRazanamasy ny fisintahan'ny fanjakana dia ekipa iray ihany no niantohana raha tsy diso aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2592