Fanambadiana lova tsy mifindra !

1. Levy ( 01/03/2006 17:37)
Lova tsy mifindra : Ny lafy ratsy mandrakariva no asongadiny @ zao vanim-potoana lazaina mazava sy mandroso izao hoe: Tsy resaka fitiavana fa amboarina, fanavakavahana, resaka ekonomika ( tsy mifindra ny lova), tsy manaja ny fahalalahan'ny tanora....Nefa dia ho ireo mandrakariva ve ? Tsy misy fitiavana tokoa ve fa fiaraha-monina ? Efa lany andro tokoa ve ?
Raha jerena anefa ny tahan'ny mpisaram-panambady sy ny mangataka fisarahana, teny @ fitsana araka ny fanadihadiana, dia vitsy kokoa ny misara-bady ireo ao @ lova tsy mifindra, noho ireo atao hoe tsy mampihatra io.
Raha ny fomba fijery manadihady sy mitsikera ny zava-misy no hitondrana ny resaka dia mbola tsy hay hoe ahoana ? mba ahoana ny fomba fijerinareo azy ity...
novalian'i valinaka ny 03/03/2006 08:31
2. Fiffi ( 01/03/2006 18:16)
Tsy resaka fitiavana fa amboarina, fanavakavahana, resaka ekonomika ( tsy mifindra ny lova), tsy manaja ny fahalalahan'ny tanora
ka raha manaiky an'izany moa ireo tanora , aiza ny olana ?
Tsy misy fitiavana tokoa ve fa fiaraha-monina ?
ka matoa manaiky kosa angamba ry zareo dia misy fitiavana ka!
vitsy kokoa ny misara-bady ireo ao @ lova tsy mifindra
donc: mbola mazava ho azy fa misy fitiavana hiany satria vitsy ny misaraka.
Ny fijeriko azy aloha dia tsotra eh! matoa manaiky ry zareo fa hivady dia ao ny fitiavana , marina fa hoe namboharina angamba saingy voamboahatra tsara zany!
3. zandrikely ( 01/03/2006 18:50)
ra ny fahitako azy , dia mety hoe vitsy ny misaraka satria ny hajan'y rr no arahina sy tandrovina @ ilay namboarina , mino ve isaka fa tena milamina sy miadana ireny vady amboarina @ lova tsy mifindra ireny ,asa aloha fa mety misy ny milamina fa olana be ko nyao anatiny ao e , dia matahotra ny vavan'ny manodidinna dia aleo mihafy ao ihany
4. Fiffi ( 02/03/2006 04:51)
izao koa angamba an! mety tsy misy olana be loatra na fisarahana satria mety efa hatramin'izay no nampianarina ny ankizy , tena ny fomba fitaizana azy ireo manko no tena hisian'ny fanajana ireo RAD
5. kala ( 02/03/2006 05:15)
tsy manan-kambara satria sady tsy ao anatin'ilay toe-javatra sy tsy mandala an'io.

Fa raha amiko manokana aloha dia tsy dia mahavoavoa an'io ê!

Ny zvt hitako de RAD 'ny namako izay no tratran'io. Efa 32 nivadiana ry zareo fa tena mbola misy zvt tsy ifanarahan'izy mivady saina....
Indraindray aza le ramatoa no mahateniteny foana satria hoatrany tsy de tiany le vadiny....

Zà aloha de mila olona malala-tsaina ê! tsy miasa saina ze lova tsy mifindra any zà....:wink:

Soa ihany kou izahay fa nomen'ny RAD nay fahalalahana tsara ny @ we "fitiavana".


6. valinaka ( 03/03/2006 08:31)
ny lova tsy mifindra de toe-tsaina ny razana izay tsy mahita pesipesenina ny solontsaina sy ny finday.
ny tena ilaina matetika de ny olona mitovy firazanana satria be de be ny fiantraikany.misy ohatra iray hitan'ny masoko ity:nisy berger allemand iray an'ny tontonay ary de nokasainy hiteraka @ ny aliaka gasy iray fa nandritra ny 6 mois fa tsy nahita mangirana -fehiny,ny aliaka aza mahay hoe tsy tiako hiarahana ity koa mainka fa ny olombelona?
tena marina io an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2207