Barea en CAN 2008: nofinofy satria.......

1. Bocassa ( 28/02/2006 14:29)
Azo inoana ve fa handray anjara amin'ny CAN 2008 ny Barea de M/car?
Sarotra ihany ny handraisantsika anjara amin'izany CAN izany satria: tafiaraka vondrona amin'i Côte d'Ivoire isika. Marihina fa i Côte d'Ivoire dia finaliste tam CAN 2006 farany teo. Mety ho resintsika ve ry zareo? Toa nofinofy ihany izany! Marina ê! Sa ahoana hoy ianao?....
novalian'i jentilisa ny 06/03/2006 08:09
2. jentilisa ( 01/03/2006 12:45)
Dray dray dray! fa angaha rehefa hoe finalista dia tsy azo resena? ny baolina anie boribory e! iza izao no nanampo hoe efa nandresy an'i Bresil anie izany Norway izany (tamin'ny mondial 1998 raha tsy diso aho), sady talohan'ny nivadihan'ny vintana tamin'ny mondial taloha koa anie ka efa resin'ny gasy ny ivoariana no lasa feno rano ny kianja e! na dia hoe faharoa aza isika mba jerena ihany koa hoe ny faharoa koa anie misy ho tafita ihany e!
3. xxx ( 02/03/2006 07:39)
Marina ny an'i jentilisa; ny baolina dia tsy misy izany tonga dia resy tsy miady izany.raha ny fahaizana anie dia tsy dia mifankaiza amin'ny vitan'ny hafa ny antsika gasy e. Matetika dia tsy voaaraka tsara any amin'ny sokajy mbola kely (minime,junior, etc..)ireo manantalenta ka toa zary ny fitadiavana ny hohanina no lasa vaindohandraharahny (tsy anomezana tsiny azy izany) rehefa tsy eo ambany fiahian'ny ray aman-dreniny intsony izy.Manampy trotraka izany koa ny tsy fananana endurance sy toe-batana, ary farany - nefa tsy kely - dia ny tsy fisian'ny rafi-pitantanana mirindra eo amin'ny tontolon'ny fanatanjahan-tena eto amintsika. Ka aza atao hoe tsy haharesy cote d'ivoire izany isika e.
4. garrol123 ( 02/03/2006 10:32)
Na atao hoe tsy resintsika aza ry Drogba sy ny tariny, ny 3 meilleurs 2è koa anie tafita e; Tsisy resy tsy miady fa raha zany nofinofy zany no mibahana ao antsaina de tsy handroso mihintsy isika
5. jentilisa ( 02/03/2006 12:32)
jereo tsara fa hitandrina be ny Ivoariana ary hanafatra ny kalazany rehetra izy amin'ny fihaonana amin'ny septembre moa sa amin'ny herintaona io.
6. onjah ( 02/03/2006 15:05)
Izay mihitsy garrol123 Tsy misy resy tsy miady izany kosa rangahy amin'ny baolina an. Marina fa mety ekipa efa manana traikefa ny mpifanadrina, fa izaho kosa aloha mahita fa mahay baolina ny malagasy eh, Indray andro any mbola ho tafita ihany isika eh. ho hita eo izany @ 2008 zany e.
7. jentilisa ( 03/03/2006 08:13)
alefa e!
8. navalh ( 06/03/2006 04:56)
tsy misy izany resy tsy miady izany ry jentilisaan!
Zao isika malagasy dia mahay fa ny fanomanana fotsiny no mila atao aloha fa tsy 1 volana indray vao ikoropaka eo dia ho hitanao eo ny resultat raha izay no arahana . ny mahery tsy maody tsy maintsy resin' ny malagasy.

9. jentilisa ( 06/03/2006 08:09)
fa iza inday no niteny teo hoe ho resy isika? izao ary samy nandresy ny uscaf sy ny usjf ka hisy ohatr'izany indray ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3773