KABARY , OHABOLANA , HAINTENY

1. Fiffi ( 28/02/2006 05:41)
y « KABARY » : araka ny firaketana dia avy amin’ny teny Maley hoe “kabar” na Jahavanay sy arabo hoe” kabar “ na Soahily hoe “ khabary “ na “ H’abari “ izay filazam-baovao no heviny , Far aha lazaina amin’ny teny tsotra kosa ny dikany dia “ lahateny atao amim-peo avo ho an’ny olona maro “ .

Ny kabary Malagasy dia tsy lahateny tsotra ihany fa lahateny voarindra sy voahaingo tsara amin’ny ohabolana sy hainteny ary karazam-pitenenana toy ny fomba fitenenana mahaliana samihafa mba hanamafisana ny tian-kambara.Koa raha izany dia afaka milaza izay tiany hambara sy mandresy lahatra ary mamaha olan tsara amin’ny alalan’ny teny ambarany ho an’ny vahoaka mpihaino azy ny mpikabary.Noho izany dia misy ireo maso roa tsy misaraka amin’ny loha , toy ny “ohabolana sy karazam-pitenenana” sy ireo tandroka tsy misaraka aman-tsofina dia ny “hainteny “

Ny “OHABOLANA” : Fototeny roa no mitambatra manome ny teny hoe ohabolana: ohatra sy volana . Ny ohatra dia fampitahana , fanoharana , fa,ahafana … no heviny .Matetika no hahitana ireto teny ireto ny ohabolana:Tahaka , sahala , toy ny , aleo …sns Ny volana indray dia “ teny “ no dikany. Ny ohabolana izany dia fanoharana amin’ny fitenenana.Tsy dia misy famaritra raikitra ny ohabolana satria matetika avy amin’ny ohatra sy fitenenana fampiasan’ny vahoaka izy ireny.Avy amin’izay hitany sy iainanany andavanandro no hanaovany fanoharana ka lasa ohabolana.

Ny “HAINTENY “ : Ny hay dia niavian’ny hoe “fahaizana “ ka ny hainteny izany dia ny “hain’ny teny na fahaizan’ny teny “ no heviny.Ny hainteny no azo lazaina fa poezia ho an’ny Malagasy , saingy izy tsy mba manahaka loatra ny fombafomban’ny pôezia , satria tsy voatery miady rima na misy andininy sy andalany , fa matetika aigam-panahy ranofotsiny.Ahitana ohabolana sy fomba fitenenana ary teny milaza zavatra an-kolaka ny hainteny

Nosintonina tao amin’ny boky faharoa sy fahatelo “ ny fikabariako “ nosoratan-dRaholdina Ranaivo Herinantsoina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4722