Analakely: Nanjavona

1. Fiffi ( 20/02/2006 05:46)
Nanjavona ilay rangahy rehefa avy nihinana ny ankihikeliny!
Tsy mampino nefa zavatra nisy , nivoady ity mpangarom-paosy fa raha migadra fanintelony izy dia tapahany ny ankihikeliny.Nigadra fanintelony tokoa rangahy ary dia notanterahiny ny teniny.Mpandroso masikita tetsy Analakely i Joseph , io no asany rehefa hariva.Misy moa ireo tompon'entana , ny mpividy mijanona ao anaty fiara dia izy no maka ny kaomandy sy manatitra ny masikita.Tsy io ihany no asany fa mangarom-paosy ihany koa ranamana.Tratra ambodiomby izy tamin'ny voalohany ary naiditra maponja nandritra ny enimbolana.Rehefa tafavoaka izy dia mbola tratran'ny mena miraviravy fa dia mbola tratra fanindroany mazava ho azy , naiditra amponja.Tamin'ny famotorana azy tamin'io dia nanao vava rangahy fa raha mbola miditra amponja fanintelony dia tapahany ny ankihikeliny.Inona no nitranga fa in-telo nahita ny maizina rangahy fa mbola tratra nangarom-paosy.Rehefa tafavoaka ny fonja tamin'io farany io dia notapahany tokoa ny ankihikeliny.Notehiriziny dimy andro tao ambany ondany.Afaka dimy andro raha niantsena ny vadiny dia nasainy nividy laoka matsiro , nasiana ireo zava-manitra mampatsiro sakafo , dia narotsany tao ilay ankihikely.Rehefa masaka ilay izy dia nohaniny ny nofo tamin'ilay ratsan-tananay , ny taolana kosa niambozonany.Fotoana fohy taorian'io dia tsy hita intsony izay najnavoan'izy mivady.

Nalaina tamin'ny gazety Taratra faha0610
Mpanoratra: Douda
novalian'i fijo ny 01/03/2006 19:39
2. petakorona ( 20/02/2006 06:59)
anjenestonaoo ee !!:{
3. rurik ( 20/02/2006 07:46)
petakorona tsy anjenestanaoo fa andrianeniko ianao ôô
tena resaka marina ve io:?::?:
4. Fiffi ( 20/02/2006 08:00)
rurik: io aloha navokan'io gazety io an! toa tena marina mihintsy io resaka io satria raha niantso olona tany Dago aho dia toa betsaka hiany ny vavolombelona fa tena tsy tahotsaho an!
5. rurik ( 20/02/2006 09:02)
tsy dia mapino loatra satria maro ko anie ny tsy nahita akory fa mampitombo resaka e tsy ianao aloha an ,
itanao koa taloha le resaka we biby olona maro no nilaza fa nahita nefa za aloha tsy dia mino we marina le izy e !
be loatra le tsahotsaho any mada an nefa asa aloha:-*:-*:-*
6. jentilisa ( 20/02/2006 13:15)
fa disparu sa lasa invisible e? samy nanjavona daholo anie ny dikan'izany e! izay ilay fahaiza-mampiesona an!
7. Fiffi ( 20/02/2006 16:51)
disparu sa lasa invisible ? iza koa anefa moa no tena hoe vavolombelona tena nahita an'io ? mety ho tsahotsaho aloha nefa ve dia mba dadany koa aloha raha izao no havoakan'ny gazety an! heu.....tsy sahy manapaka ny ankihikeliko aho mba hanandrana raha lasa invisible aloha eh:-D:-D:-D misy candidat ve?:-D
8. pissoa ( 20/02/2006 16:54)
Noheveriko fa ilay Analakely feno mpivarotra no nanjavona :roll:
9. Fiffi ( 20/02/2006 17:14)
pissoa: :-D:-D:-D Analakely ngezabe io ve akia dia hanjavona ? raha mba hoe lasa kely varavety mba nekeko hiany fa hoe nanjavona analakely:-D:-D:-D :-*:-*:-* ndriko
jentilisa: mampiesona an! @ alina ve sa andavanandro be zao ?:-D:-D:-D:-D
10. pissoa ( 20/02/2006 17:15)
ka zah ary gaga nahita an'ilay lohahevitra koooo Analakely:Nanjavona:-D:-D:-D
11. fasaly ( 20/02/2006 17:24)
sao de natelin'ilay ankihikely aza lay rangahy e!:(
12. mirana5 ( 20/02/2006 18:01)
ity no tonga aminny fitenenana hoé "NY VALALA MISY NY MPTANTARA KOA MAHAY E"=D=D=D=))=))=)):-D:-D:-D
13. Kadoda ( 21/02/2006 04:56)
Ny tsy mampitombina azy dia izao: iza no nahita ilay hoe notehiriziny 5 andro, nasainy niantsena nanao laoka matsiro ny vadiny, nohaniny aloha ny nofony, sns,...Sa izy ve no nanao hoe: jereo rey olona na jereonao ry anona fa tehiriziko 5 andro ity izao, dia jereo koa fa asaiko manao laoka matsiro ramatoa, sns,... izaho aloha tsy matoky e sady tsy izay ambaran'ny gazety anie dia vrai daholo e. Andriamanitra ihany no tsy mandainga
14. Fiffi ( 21/02/2006 05:38)
pissoa: :-D:-D:-D:-D dia asa aloha fa toa resaka fahampatoriana mitsangana tokoa raha tena dinihina lalindalina eh!
15. jentilisa ( 21/02/2006 06:12)
rrrrrrrrrrr!.........rrrrrrrrrrrrrrrr!
mitsangana ary aho sa mitsilany?
rrrrrrrrrrrrrr!.........rrrrrrrrrrrrrrrrrrrr!
16. Fiffi ( 21/02/2006 09:49)
jentilisa: tandremo sao mianjery ary !! =))=))=))
17. rurik ( 21/02/2006 14:24)
tena maro le olona tsy nahita akory dia maheno dia milaza fa we tena marina e ee nefa izy aminio tsy nahita an
fa tena maro aloha ny zavatra voalazan'ny gazety fa tena tsy mapino e e
ary ry zareo reo ve afaka manoratra izy tiany soratana sa mba misy fanarahamaso ihany?????
18. Fiffi ( 21/02/2006 16:00)
rurik: eny tokoa wa akia ?
19. fijo ( 28/02/2006 21:53)
TSAHO INDRAY ITY E
20. Fiffi ( 01/03/2006 07:15)
f'ita wa ry fijo eh! tsy misy zavatra mampitombona ilay resaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.364