mpanazatra Frantsay: resy indray ny gasy!

1. jentilisa ( 20/02/2006 05:36)
nitetateta niditra tamin'ny lalao 3-5-2 ny uscafoot fa izay no tian'ilay mpanazatra frantsay dia resy 1 noho 3 avy hatrany isika! esory ilay mpanazatra frantsay fa tsy mamely! mamorika ny mahazatra ny malagasy fotsiny!
novalian'i garrol123 ny 02/03/2006 10:38
2. eprom ( 20/02/2006 07:15)
Sao de le karatra mena azon'i Mamisoa kosa no olana?
3. jentilisa ( 20/02/2006 07:39)
efa baolina faharoa niditra kosa vao navoaka i MAmisoa ka, fa hitako hoe tsy mahazaka fehezina vahiny koa ilay zalahy io. Jereo ny tamin'ny nihaona tamin'i Ezipta naharesy be ny ekipa nasionaly gasy iny.
4. Fiffi ( 20/02/2006 08:10)
esory ilay mpanazatra frantsay fa tsy mamely! mamorika ny mahazatra ny malagasy fotsiny! hoy jentilisa. Mampalahelo indray izany nataon'io olona io izany an!
5. jentilisa ( 20/02/2006 09:01)
Sady ny mahavariana anie tsy mba hita akory izay vokatra goavana efa nananan'ilay rangahy e! amboara taiza no efa nahazoany? mba fantany ve fa tsy ampy sakafo loatra anie ilay gasy kely ka izay no maha-4-4-2 azy io aloha?
6. Chuan ( 20/02/2006 11:27)
Kou ry leirony ary tam`match test teto am`tanàna resin`ny Ajesaia ! Tokony efa nampoizina ihany zany io vokatra io !
7. fbi ( 20/02/2006 20:50)
tsy voatery ny mpanazatra foana no diso fa ny mpilalao koa mety tsy mamely ary ny 3-5-2 anie no tena formation solide fa manankenda avy hatrany ny
adversaire !e sao dia tsy azon'ny mpilalalao kosa ary
8. Lepetitbeau ( 21/02/2006 05:37)
Le teknika entin'ilay mpanazatra vahiny no mbola tsy voafehin'ny gasy e! mbola mila fampianarana ela! ka tsy tokony tonga dia hampiharina raha tsy voafehy ! Fa raha resaka mpilalao no jerena dia ireo mpilalaon'ny Uscaf ireo aloha no hita fa anisan'ny mahay eto @ tanàna e! Za aloha mino fa mbola ho resin'ny Uscaf ireo Excelsior ireo raha miverina amin'ny filalaony izy e!
Allez-y Uscaf
9. jentilisa ( 21/02/2006 05:56)
fbi> efa nahita ny Uscafoot nilalao ve ianao? izaho aloha farafaharatsiny nijery ny famaranana tamin'ny herintaona ilay nisaraka ady sahala iny. Tena voatsindry tanteraka anie ny USJF tamin'ny tapa-potoana faharoa e, ny baolina fotsiny no tsy tafiditra! ary mba velom-panantenana tamin'ny baolina kitra gasy mihitsy ny mpijery nahita an-dry zalahy ireto.
Tsy tafiditra famaranana ry zalahy raha tsy mamely.

Ny 3-5-2 kosa raha nampiharina hatrany amin'ny fanombohan'ny taom-pilalaovana dia azo nekena ihany. Ny USJF koa anie saiky hanao io 3-5-2 io fa rehefa hitany fa hain'ireo mpifaninana taminy ny nahita ny lavaka dia niova ho 4-4-2 ihany ry zareo e!

lalao 6 izay ny an'ny Uscafoot no nanaovany io lalao 3-5-2 io fa tsy nisy fandresena afa-tsy tamina 2° division iray monja...

Sady inona no idirana amin'ny lalao iraisam-pirenena amin'ny fomba filalao tsy voafehy e?

Manaraka izany dia mandeha teknika io filalao iraisam-pirenena nolazaina io, ny gasy anefa mandeha amin'ny inspiraka (breziliana). Izay ilay hoe tsy mifanentana amin'ny gasy loatra aloha amin'izao fotoana izao. Sady tsy miaraka koa anie ny gidra-piteny vazaha sy ny gasy manaraka baikom-bazaha izany e! manjary isaky ny mihetsika dia ilay mpanazatra hatrany no jerena!

Tsy misy baolina vanona ao anatin'ny tahotra ny ho bedy izany.
10. Achia ( 21/02/2006 11:08)
Tena mafinaritra ny dinika fa zao e za nahita ny bol hatrany amboalohany ka hatr@ ny farana fa le 3 5 2 al oha de tsy lasa mitsy betsaka ny europeana no mampiasa azy fa tsy lasa mila joueur matanjaka indrindra fa ny sisiny roa .Fa le mpanazatra vaza aloha tsy lasa e efa hitany fa tsy nete t@ M.T AJESA IA mbola hataony ihany .Fa t@ 1ere M aloha de tsy nanao bol mitsy ny gasy satry le vozongo no nitantan a 2eme M vo namboarindrAniry sy Tity teo vao nampise fahaizana ny gasy kely fa tsy nikitika bol ny Kringa fa ny ny nahafaty ny bolny de avy any @ Rado fona . I mamisoa ndray tsy fantatro na tezitra na ahona fa manao faute grave ao anaty surfasy fotsiny sady otrany tsy ampy vitesy miraikiraiky be zany ndraindr ay tokony ho fantany fa izy dernier defanceur tsy manjera olona fa maka bol . De ny zavatra mba nampalahelo kely de zao naninona refa mba vita ny ma tch raha mba nisaotra le spekta gasy na de hoe resy aza nefa nge zay any @ 200km mba hanohana ana reo tsy olana nefa zany fa mba fampatsahivana fotsin y .Fa raha hoe filalao aloha de voantsika izy any an tanana e
11. stephan ( 21/02/2006 13:55)
misaotra nankahery dia mba hahita ny lesona anie ry zalahy!
12. jentilisa ( 22/02/2006 11:57)
efa hoe aleo izay mahay ny fotopisainana gasy ihany no manazatra ny gasy!
rehefa hiala ve raniry vao ho tonga saina ny sasany hoe misy tsy mety ao!
13. eprom ( 23/02/2006 03:51)
Ary toa hoe noroahina ilay mpanazatra frantsay?
14. jentilisa ( 23/02/2006 05:43)
nafindra toerana hanofana ny tanora hono ka!
15. garrol123 ( 02/03/2006 10:38)
Erreur fondamentale iny nitazomana iny 3-5-2 izay efa n-tester-na betsaka teo mahamasina fa mbola tsy voantsika ary nony hita fa tsy nety mintsy de tokony talohan' iny match aller iny de efa novana 4-4-2 @ zay;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4421