ilemena

1. klomjah ( 17/02/2006 22:05)
mitady tokiran'i ifanihy mitondra ny lohateny oe ilemena raha mba azo atao,misaotra mialoha.
novalian'i pissoa ny 19/02/2006 08:51
2. lemenakely ( 18/02/2006 11:00)
lemenakely aho fa tsy lemena e
3. xxx ( 18/02/2006 16:40)
indray takariva sembatsemandrahona
dia iny hono i lemena o...
4. Kababo ( 19/02/2006 08:33)
Indray takariva sembatsemban-drahona,
Teroa e! ny ambinany tsy lazaina fa alahelo,
Ny lakan-kely iray natopatopan'ny onja,
Nikarenjy tanivon-drano tomorin'ny oram-baratra,
Nanezakezaka namonjy tora-pasika.

Nalefako teny an-tanana ny fijeriko,
Indreo eo ny mpianakavy sasa-miandry amorom-pasika eo,
Ny vely lamako injao manakoako,
Fa ho avy hono i Lemena รด! hitondra trondro vaoavao,
Rahoviana ihany lahy no hiveriona i Lemena.

Naveriko teny anivon-drano ny fijeriko,
Indry eny i Lemena, Lemena sy ny lakany,
Natsipitsipin'ny onja ka naniditsidina,
Nony farany nilentika rendrika tsy tazana,
Nantsoina ka dobok'onja no nanoina.

Mba nanao ahoana ny tao an-tanana,
Indreo eo ny mpianakavy mbola miandry amorom-pasika eo,
Ny vely lamako injao mbola manako,
Fa i Lemena kosa efa lasa nialoha lalana,
Veloma madinidinika i Lemena ,
Masina fatempatenana i Lemena.

Sur e! dia mazotoa
5. pissoa ( 19/02/2006 08:51)
Misaotra an'i Kababo fa zah kou tsy nahay an'io :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6503