Handeha hifanome-tanana hitory an'I Kristy

1. rabeflorian ( 17/02/2006 10:44)

Manana tetik'asa hitoriana ny filazantsara @ alalan'ny sarimihetsika izahay , ary manofana ny olona vonona ho amin'izany .Koa raha misy liana dia raisina antanandroa. antsohy ny 0331148311. Misaotra indrindra.
novalian'i marozevo ny 23/02/2006 00:29
2. jentilisa ( 17/02/2006 13:02)
dia inona no mahasamy hafa ny ataonareo amin'ny Campus pour Christ na ny Mampiely sampana haino aman-jery koa aza?
3. caprio ( 17/02/2006 13:02)
Fanapiana angamba no azoko atao fa ny andray anjara dia tsy mbola fantatro satria lavitra ny dago no misy ahy fa raha misy soso-kevitra dia alefaso eto hiany e(caprio)
4. bichette ( 17/02/2006 13:32)
manohana ambavaka izahay aty lavitra aty
5. Fiffi ( 18/02/2006 06:37)
hoy bichette: "manohana ambavaka izahay aty lavitra aty" ny aty koa ary mazotoa.
6. rabeflorian ( 20/02/2006 07:52)
jentilisa:

dia inona no mahasamy hafa ny ataonareo amin'ny Campus pour Christ na ny Mampiely sampana haino aman-jery koa aza?


Miarahaba anao @ anaran'I Kristy. Tsy misy maha samihafa ny asa tanterahinay, saingy ny fararitra iasana no mety tsy mitovy. Ny Campus pour Christ dia nitambatra tamin'ny Mampiely Baiboly tany ampiandohana fa nanomboka ny taona 1997 izy vao nahaleo tena. Izaho kosa dia olona vita fiofanana tao @ Campus pour Christ ary efa manana ny faritra manokana iasana ankehitriny dia ny faritra avaratra eto @ Faritanin'Antananarivo izany ary fiaraha miasa @ Campus pour Christ no ataonay fa manana ny fomba fiasa sy teti-bola manokana izahay amin'izany.
7. rabeflorian ( 20/02/2006 08:02)
caprio:

Fanapiana angamba no azoko atao fa ny andray anjara dia tsy mbola fantatro satria lavitra ny dago no misy ahy fa raha misy soso-kevitra dia alefaso eto hiany e(caprio)


Ho aminao ny fahasoavan'I kristy Tompo. Mahafaly ary mampahery ny mandre fa tsy manadino ary vonona hifanome tanana ianareo any lavitra any. Raha mahatsiaro ny voalaza ao amin'ny bokin'i Nehemia ianao dia nahita fa i Nehemia any ampahababoana raha nandre fa rava Jerosalema dia nalahelo mafy ary nangataka tamin'ny Mpanjaka handefa azy hiverina any Jerosalema hanamboatra ny manda sy ny tranon'Andriamanitra.Mila anareo any ampielezana any Madakasikara tanidrazantsika koa tohano ny fitoriana ny Filazantsara fa avy amin'izany no hamonjena ity tany ity sy hitahian'Andriamanitra ny olony.
8. rabeflorian ( 20/02/2006 08:07)
Fiffi:

hoy bichette: "manohana ambavaka izahay aty lavitra aty" ny aty koa ary mazotoa.


Faly miarahaba anao.
Ny vavaka no zava-dehibe indrindra eo amin'ny asa fanompoana koa isaorana eram-po eran-tsaina ny fitondrana amim-bavaka tanterahinao. Homba anao mandrakariva Kristy.
9. bichette ( 20/02/2006 12:22)
rabeflorian > homba antsika rehetra anie Kristy
10. Achia ( 22/02/2006 20:00)
Mba vakio daholo aloha ny dinika serasera fa ra mito vy daholo ny fijerintsika ny baiboly de afaka miaraka tsara misaotra e
11. marozevo ( 23/02/2006 00:29)
Achia:

Mba vakio daholo aloha ny dinika serasera fa ra mito vy daholo ny fijerintsika ny baiboly de afaka miaraka tsara misaotra e



marina izany, nefa tokony ho ekena ho namana ihany koa na ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena aza. Hafa kosa anefa ireo tsy manaja ny zon'olombelona sy ny zo maha zanak'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4742