Ny Fianakaviana

1. Fiffi ( 16/02/2006 21:08)
Iza no mba mahay milaza ny momba ny Fianakaviana: ohatra voalohany dia ny hoe inona no filaza ireo Dadabe sy Nenibe taloha izany an! alohan'ny dadabe sy nenibe . Dia atomboka koa ny zafikely
Izany hoe: dadabe-nenibe sns...........
1-dadabe-nenibe
2-.........?

1-zafikely
2-zafy.......?


novalian'i Fiffi ny 27/02/2006 20:45
2. jennifer2 ( 16/02/2006 23:59)
0- dadabe sy nenibe
1- dada sy neny
2- zanaka
3- zafikely
4- zafiafy
5- zafin-dohaloka
6- zafi-kitrokely
7- zafi-paladia

zay ihany no haiko!
De ny fahavalo angamba zafi-pamosavy????? tsy tadidiko
3. Herimiafina ( 17/02/2006 00:11)
Efa ampy ireo kah, tsy mikaonty intsony manomboka a eo!

8-Zafin'ny zafikitrokely.
9-Zafiafin'ny zafikitrokely.
10-....
11-....
4. bozimanga ( 17/02/2006 05:08)
dadatoa sy nenitoa , dadafara sy nenifara .
5. Fiffi ( 17/02/2006 06:09)
ary inona moa ny alohan'ny dadabe sy nenibe ?
jenni:ny fahavalo hoy Heri Zafin'ny zafikitrokely ko! fa ahoana indray izany "zafi-pamosavy" izany ? tena mbola tsy naheno anio aho
6. naritsimba ( 17/02/2006 08:45)
misy koa ny zafy tsy torana
7. Fiffi ( 18/02/2006 07:07)
ary ny zafy angaha tsy azo hatao daholo ho zafiafy?
8. booboo ( 18/02/2006 09:14)
zafi-kitrokely klou vô zafi-paladia kouh ! sa ?

naritsimba > mbô hazavao hoe inona io ?
9. Fiffi ( 19/02/2006 19:07)
hoy naritsimba: "misy koa ny zafy tsy torana" ie! mba azavao hoe inona tokoa io ?
10. Fiffi ( 22/02/2006 05:43)
mbola tsy ampy eh! 8O8O
11. Fiffi ( 27/02/2006 20:45)
tsy misy mahay tsony ve ? 8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.218