Ny Fanahy

1. Fiffi ( 16/02/2006 05:11)
Zava-dehibe amin’ny malagasy ny atao hoe fanahy. Tsy ny fanahy araka ny fiheveran’ny firenena, na finoana hafa azy akory fa ilay lazainy ho maha-olona. Iza tamintsika tokoa moa no tsy mbola nandre izany hoe « ny fanahy no maha-olona » izany ê ?
Ny fanahy amin’ny malagasy no ilay fitaovana entina « miahy » ny fiainana. Ny fanahy no mitsara eo amin’ny natao, ny atao, ary ny kasaina hatao. Raha ny marina izany dia io fanahy io no mamefy ny olona tsy hirona any amin’ny fanaovan-dratsy, izany hoe mandamina ny fiaraha-monina, raha ny tokony ho izy.
Ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao anefa dia maha te-hilaza mihitsy fa tsy misy dikany amin’ny ankehitriny intsony izany fanahy izany. Izany no anaovanay hoe lany fanahy ny Malagasy. Isan’andro vaky izao dia tsy maintsy ahenoana asa ratsy foana, ary miha miitatra mankany amin’ny tsy takatry ny eritreritra intsony izany. Iza moa no mba nahazo an-tsaina fa hisy hanetitetika olona izany ? Iza ihany koa no nieritreritra fa hisy hanolana zaza vao efa-taona izany ?... Zavatra fandre isan’andro anefa izany, hoy izahay. Fa dia naninona loatra àry isika itony ê ?...
Mila mieritreritra isika Malagasy, ary hikaroka izay hanatanterahana marina an’izany fiovana toe-tsaina izany. Tanisaina isan’andro koa mantsy io fiovan-toe-tsaina io, hatramin’ny fitondrana teo aloha aza, kanefa tsy hita ihany izay natao ho amin’izany. Isika Malagasy rehetra, hoy izahay, no tokony hisaina izany satria samy tompon’andraikitra daholo fa tsy misy afaka ny hiala. Ny fanabeazana no ahazoana an’io fanahy io, ary manana andraikitra amin’izany ny tsirairay.
Manana andraikitra ny ray aman-dreny ny amin’ny haha vanona ny taranany. Matoa nateraka ireo zaza ireo dia tsy maintsy tezaina sy beazina hanana toetra mahay miara-monina amin’ny manodidina azy. Fialana andraikitra, araka izany, ny filazana fa sahirana amin’ny fitadiavana ka tsy araka ny fanaraha-maso ny ankizy. Nahoana àry izy ireo no noforonina raha tsy ho araka ? Tsy mba nitsinjo ny ho avy ve ? Fitenintsika ny hoe « ny zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano ». Tsy hiditra lalina amin’ny famakafakana izany izahay fa ny fahazoanay azy tsotra no hambaranay dia ny hoe raha niteraka fito ny mpivady dia tokony hieritreritra fa fanahy fito izany no hovolavolainy. Adidy sy andraikitr’izy ireo izany.
Misy koa ireo izay niomana manokana ho amin’izany fanabeazana izany, kanefa raha ny hita amin’izao fotoana izao dia ny mpanao « 30 andro no iray volana » no betsaka. Milaza ho sahirana amin’ny fitadiavana ihany koa ny maro amin’izy ireo, kanefa tsy tokony hohadinoina fa safidy no nidirana tamin’io asa fanabeazana io fa tsy an-tery akory, ary tsy misy asa mora izany intsony koa izao, raha tsy hoe ny manao pôlitika angamba ?...
Na izany na tsy izany aza anefa dia lehibe kokoa ny miandry ny fanjakana, satria ny avy any ambony, hono, no tokony hatao fitaratra. Ny ohatra iray azo raisina amin’izany dia ny eo amin’ny fampiharana ny lalàna. Ny fantatra dia ny hoe tokony hisy elanelana hohajaina ny misy ny mpivarotra zava-pisotro mahamamo sy ny sekoly, kanefa dia iarahan’ny rehetra mahita fa tsy narahina intsony izany. Tahaka izany koa ny hoe tsy azo ivarotana sigara ny zaza tsy ampy taona, na dia iraka aza izy, kanefa dia mandeha ho azy izany, hatramin’ny fotoana elaela izay. Koa raha ny zavatra efa voasoratry ny lalàna àry no tsy arahina, inona no fanabeazana eritreretina hahomby eto ?
Andraikitry ny fanjakana ihany koa ny manamaivana an’io fahasahiranan’ny vahoaka izay lazainy fa tsy ahafahany manara-maso ny taranany io. Na nomena tsiny aza mantsy ireo mpanabe sy ray aman-dreny ireo, tery aloha, dia tsy azo lavina ny fahamarinan’ny fitenenana hoe « raha noana ny kibo, mivezivezy ny

fanahy ». Lany fanahy ny Malagasy ? Tsy azo arenina intsony anefa ve izany ? Isika rehetra no mandinika.

Nalaina avy amin'ny La Gazette
Mpanoratra: Alain R
novalian'i Fiffi ny 21/02/2006 05:43
2. fiaritiana ( 16/02/2006 09:02)
lava beuhhhhhhhhhh!
3. mirana5 ( 16/02/2006 12:58)
:!::arrow::arrow:ny ahy rehefa resaka lava loatra dia tsy jereko akory miala tsiny!!!!!!
4. fiaritiana ( 16/02/2006 17:44)
lava beuhh ozy ahy fa ilaina ny zavatra ohatra itony! voavakiko ihany na dé izany aza!
5. jennifer2 ( 17/02/2006 00:02)
Fiffi a! lava loatra le izy ka!
6. Herimiafina ( 17/02/2006 00:56)
Fiffi: marina mihintsy izany fa ny fanahy no tena maha-olona ny olona. Hamafisiko kely: betsaka ny teny azo handikana ny atao hoe fanahy raha ny teny vahiny no alaina, ary ny ataon'ny Ntaolo malagasy hoe fanahy ihany koa dia lafinjavatra maro mitambatambatra ka manome ny maha-olona ny olona iray.

Ny olona dia samihafa daholo, na ara-batana na ara-mpanahy, eny fa na dia ny kambana aza. Tsy maintsy misy soritra foana entian hanavahana olona tsirairay.

Misy karazampanahy izany eto antany.
7. Fiffi ( 17/02/2006 06:05)
fiaritiana , jenni , mirana : tena miala tsiny raha lava loatra fa io no tao @ gazety ka tsy azoko fitinina satria raha misy olona manana an'io gazety io ka namaky koa dia ho hitany eo fa tsy mitovy @ voasoratra ny navoakako eto.
Herimiafina: ny fanahy no maha-olona ny olona , marina izany , ary mba ahoana moa izany rehefa milaza hoe "ratsy fanahy , tsy manam-panahy" ?
8. fijo ( 17/02/2006 20:28)
ka izay maha olona azy izay,dia misy ratsy izy misy tsara.
9. Herimiafina ( 17/02/2006 20:29)
Ny ratsy fanahy tian ho lazaina angamaba amiko dia ireo izay tsy misaina afatsy ny hanisy ratsy ny hafa, ny mamandrika, ary ny manapotika.

Hafa ny masiaka, satria ny masiaka dia mety mpananatra na mpitaiza, na mpanabe, izay tsy azo sokajiana ho ratsy fanahy foana.

Ny tsy manampanahy indray amiko dia ireo karazana olona izay tsy dia tia mitrandraka loatra ny maha-izy azy fa ny mijanona amin'ny endrika ivelany. Superficielle hoy ny Frantsay, ary tsy dia miraharaha, tsy dia misaina hanatsara na hanao soa, na koa mandositra foana ny irakin'ny fanahiny lalina.
10. Fiffi ( 19/02/2006 19:11)
toa misy endrika maro zany ny filaza ny fanahy raha izany , nefa kosa tokony hoe na izany aza dia manana fanahy avokoa ny rehetra sa diso aho?
11. Herimiafina ( 20/02/2006 18:13)
Manam-panahy avokoa ny olondrehetra kah! Misy ny antsoina hoe dualité amin'ny olombelona tsirairay! Izany hoe zavatra roa : Tsara/Ratsy, ka voasokajy ao amin'izay ny endriky ny fanahy ananany, toa ny hoe 50%ratsy 50%tsara ve sa 70%tsara na 30% ratsy, dia arakarak'izay (Loi du Karma).
Raha mamono olondratsy iray ohatra ianao dia naman'ny mamono ilay tsara ao aminy ihany koa na dia kely varaiventy aza izany.
Ka noho io dualité io de misy ny karazan'olona ary amin'ny extreme ratsy ary misy ary amin'ny extereme tsara, dia eo no hisokajiana ny fanahy.

Amin'ny teny vahiny ho aho dia betsaka ny azo handikana ny fanahy fa amin'ny teny gasy dia iray ihany, izay tsaraina amin'ny Manière d'être an'ilay olona.
12. mirana5 ( 20/02/2006 18:21)
fiaritiana:

lava beuhhhhhhhhhh!

finnnnnnnnnnnnné!!!!!!

13. Fiffi ( 21/02/2006 05:43)
mirana: rehefa hoe io hono hoy ny gazety dia io zany , tsy mety koa raha ho fitinina ilay izy manjary tsy mivoaka ny tena tian'mpanoratra lazaiana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128