Teny zato, kabary arivo…Tsy zaka marina.

1. Fiffi ( 14/02/2006 05:02)

Zary mifampitsetsetra ry be resaka ambony latabatra sa ny akon’ireo raharaha nampihoron-koditra ny Malagasy hatramin’izay teto amintsika... asa na ny fahasahiana mandray andraikitra no tsy misy no mbola mibahana ao an-tsaina ny tsy fanaovana valifaty.
Tsy misy malagasy na dia iray aza tsy nitaky ny hamongorana ifotony ireo fahavalom-pirenena nahavanon-doza teto, toy ny raharaha Ratsimandrava, ny 10 Aogositra 91, teo ihany koa ny nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana 96, ary ny olan’ny 2002.
Mila fahasahiana goavana ho an’izay mpitondra ny mitady sy mikaroka ny marina rehetra ary sazy henjana ho anatry ny be vinany aty afara.
Ny olan’ny 2002 aloha hatreto no tena nahitana fisamborana sy fanomezana sazy henjana ho an’izay tratra na miteraka savorovoro eo anivon’ny fiaraha-monina. Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo heverina ho meloka isika kanefa koa, mbola tsy zakan’ny saintsika ny fampiharana azy. Sa samy diso na ny mpitondra amin’izao fotoana sy ny teo aloha, raha ny toe-draharahan’ny 2002 no jerena, ka ilaina, ny fampihavanam-pirenena ? Fahavalom-pirenena ve ireo olona nogadraina sa miendrika valifaty no mitranga ankehitriny ? Raha hipoitra ny marina momba ny 91 sy ny nahafaty an-dRatsimandrava ary ny naha may ny rova, moa ve hisy hilaza indray fa mbola valifaty politika no atao raha sanatria ka misy mpanao politika amin’izao fotoana voasaringotra ao ? Ny hany tsy azo lavina aloha dia mbola sarotra eo amin’ny fiainantsika ny hisehoan’ny tena marina, ka ny fitakiana alefa ihany, fa raha mivaly toa manahirana ny fiantraikany.

Nalaina tamin'ny gazety: Madagascar Tribune
Mpanoratra: Naivo kely























novalian'i fijo ny 15/02/2006 21:01
2. fijo ( 14/02/2006 20:53)
marina tokoa,fa isika gasy tsy mbola mahazaka ny marina,io nefa dia mila henarana miadana koa,fa tsy hoe hiova tampoka eo
3. Fiffi ( 15/02/2006 05:47)
fijo: ka mafy kosa ny manjoa koh!
4. fijo ( 15/02/2006 21:01)
eny e,fa mila enarana miandalana io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0107