lasa 7 taona ny primaire

1. rasah ( 13/02/2006 12:57)
tapaka fa ampitomboina 2 taona ny primaire eto dago, nefa raha jerena ny antontanisa dia betsaka ny very an-daharana tsy mahatratra ny T5 .Mety ahomby ve? tsy dia resy lahatra aho
novalian'i Fiffi ny 14/02/2006 10:49
2. hery ( 13/02/2006 14:21)
Ny anisan'ny vahaolana dia tokony hofoanana fotsiny tsotra izao ny CEPE amin'izay dia tsy miala mihitsy ny any ambanivohitra raha tsy mahazo BEPC. Ny any mantsy matetika raha vao mahazo diplaoma iray dia afaka miala fianarana amin'izay.
3. fasaly ( 13/02/2006 15:20)
mety hahomby raha toy ny aty ampita ka! misy ny 1er maternele sy ny 2eme maternele dia 2ans et demi d'efa mandeha any antsekony ny ankizy......:°)
4. kally ( 13/02/2006 16:39)
Ity moa efa voalazako tatsy ambadika fa averiko eto indray. Angamba tsy ny faharetana na ny halavan'ny fotoana hianarana no tena mila fanovàna fa ny zavatra ianarana sy ny tanjona: ohatra hoe ny zaza 4 taona inona no andrasana aminy, inona no tokony ho hainy? Ny zaza 5 taona, inona avy ny tsy maintsy hainy....
5. Fiffi ( 14/02/2006 10:49)
tena marina mihintsy ny an'i hery aloha eh! saingy ny olana angamba dia ny tsy fananan'ny olona indrindra any ambanivohitra mba ahatongavan'ny ankizy ho tonga any @ BEPC , zara ary hoe mba afaka nanala CEPE , ilay fahatran'ny olona any ambanivohitra koa manko no mahatonga an'izany dia hoe raha vao afaka CEPE dia hatreo hiany no takany ? fa raha ny fijeriko azy kosa aloha dia toa ho taraiky be indray izany ny ankizy raha ampitomboina 2 taona io an! raha miditra CP1 fotsiny zao ny ankizy dia efa firy taona ? eny @ sekolim-panjakana io an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3791