Fitiavana hafahafa :Kambana roa vavy an’i nedala irery !

1. Fiffi ( 11/02/2006 06:31)

Roapolo taona izy roa vavy ankehitriny. Kambana izy ireo ary mbola mipetraka miaraka amin’ny ray aman-drenin’izy ireo eto an-drenivohitra. Aleo sady tsy tononina ny anaran’izy ireo no tsy tondroina ihany koa ny toerana onenany. Sao misy mahafantatra eo mantsy izy ireo ka ho loza ! Inona tokoa anefa ny “tantara” ratsy zary mety hampisitrika azy ireo tsy ho sahy hiatrika ny masom-bahoaka ? Manana sipa ilay zokiny (andao atao hoe ilay nivoaka voalohany tamin’ireo kambana no zokiny). Efa naseho ny ray aman-drenin-drazazavavy io tovolahy io ka efa tafiditra an-trano mihitsy. Kanjo izay fidirany an-trano izay no nahitany ilay zandriny.

Asa izay nahazo azy tao, fa dia babo mangina tamin’ity zandriny ity indray ny fony. Tsy fantatra ihany koa izay paika nampiasaina tao, fa dia vitany ny namboraka tamin’io zandriny io ny fitiavany. Dia na inona ihany koa no nampientana ny fon’ity zandriny ity, fa dia nekeny ilay fitiavana natolotr’ilay sipan’ny zokiny. Ka inona moa izany fa tsy dia raikitra ilay “raharaha” ? Sady mitia ampahibemaso ilay zokiny izany i nedala no miaraka miafina amin’ilay zandriny ihany koa. Dia hafahafa tokoa ity fitiavana ity ê ?
Rehefa mangotrakotraka moa izany fitiavana izany, na hafahafa na tsia, tsy maintsy mandroatra foana. Mazava hoazy, tsy maintsy hitan’ny besinimaro. Dia izay tokoa no niseho, satria tsy nahafehy ny fidoboky ny fon’izy ireo intsony ireto mpangalatra fitiavana ireto, ka tsinjon’ilay zokiny ilay “zavatra” fanaon’izy ireo. Raha tsorina dia hoe “tratra” ê ! Raikitra ny fifanazavana, saika nivadika ho ady saritaka mihitsy aza, saingy ilay zokiny no nahatsindry fo ka tsy te-hanenjan-tanana tamin’ilay zandriny. I nedala moa zary naka zorony ihany, toa tsinjo tsy te-hipitihan’ny rà mety hitsiritika. Farany, nanambara ilay zokiny fa “hiala an-daharana” ka mitso-drano ilay rahavaviny hivoaka avy any amin’ny maizina misy azy, ka hiriaria imasom-bahoaka amin’izay miaraka amin’ilay sipany. Ity farany ity koa moa tsy naka sarotra. Zarany aza moramora foana ohatra an’izay ilay “fifandimbiasan-toerana” sy
“fifanolorana faneva” teo amin’izy mpirahavavy kambana. Ka moa va
tsy tonga dia “nobedainy” ilay zandriny ka nampisandratany ny avo
indrindra ?Satria tokoa tonga dia resaka fikarakarana fanambadiana no nisy teo amin’izy roroa. Asa koa moa rey olona izay mba hevitr’ireo niteraka, fa toa zary nanara-poana ny zava-niseho izy ireo : androany, ilay zokiny no nampiseho azy ireo, tovolohy iray ho sipany ; ny ampitso, ilay zandriny indray no nitondra io tovolahy io teo anatrehan’izy ireo fa hoe hatao ny mariazy. Sa izany tokoa ilay hoe rehefa tsy voafatotr’ilay zokiny dia aleo… handrian’ilay zandriny ilika ? Mahazendana koa izay fomba fitaizana taranaka izay. Fa tsy io aloha no tena resaka fa iretsy izy roa vavy kambana an’i nedala irery iretsy. Ny atambo moa mitingitingina, rehefa hoavy. Hay rey olona ka efa bevohoka ilay zokiny tamin’ny fotoana nanapahany hevitra “hamotsotra” ilay sipany ho lasan’ilay zandriny. Ilay rain-janany sy ilay zandry anefa ity efa eo an-dalana hanao mariazy. Inona no hatao ? “Iza no diso ?”, hoy i Clo Mahajanga, izay mitantara an-kira ny reniny sy zanany miaraka amina lehilahy iray. Tantara hafa indray koa moa io.Saritaka saro-bahana ity tranga indray mitoraka ity…

Nalaina avy tamin'ny La gazette de la Grande Ile
Mpanoratra: Rolly
novalian'i fijo ny 14/02/2006 21:01
2. jentilisa ( 11/02/2006 07:33)
kay! mahery izany tantara izany! nefa metyho mpitranga be atsy ho atsy!
3. dadabe ( 11/02/2006 09:27)
zany no tena izy e, " soa ny manadroa e":°)
4. gozy ( 11/02/2006 09:41)
(l):*Dia samy ho tratry ny fety St Valentin daolo ary fa dia izay ifanarahan'izy mianakavy ao .
Veloma daolo
5. lapino ( 11/02/2006 09:43)
"Vadin-joky kilalaon-jandry" izany, fa tsy najanon-dry zareo ho kilalao le izy ko! :)
6. Fiffi ( 11/02/2006 11:49)
lapino: fa na dia izany kosa aza e! fa mba tsy aiko aloha hoe mba mandry ve ny heritreritr'ialy bandy manao an'izao?8O
7. mbositra ( 13/02/2006 21:12)
valiny: hay lery koa kambana
8. bozimanga ( 14/02/2006 11:33)
de atao vadin' ilay zokiny ilay kambana aminy.
9. fijo ( 14/02/2006 21:01)
hoy ny gasy:"vadinjoky kilalaon jandry"ka dia tsy hitako izay olana,.ary raha efa bevohoka moa ilay zoky,dia mbola hoy ny gasyihany hoe:"zanaky ny mpirahavavy,kibo tsy omby"ka dia mbola tsy hitako ihany izay olana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3249