Gasy voalohany @ J.O d'hiver

1. hery ( 10/02/2006 22:04)
Somary taitra ihany naheno hoe Madagascar tamin'ny défilé tamin'ny fanokafana ny Jeux Olympiques d'Hiver tao Torino Italia. Voamarina tsara izany ny vaovao efa nalaza tato ho ato hoe ho any ry Razanakolona avy any Canada... Dia tao tokoa. Razanakolona Matthieu, gasy tokana sady voalohany handray anjara amin'ny lalao.
Ny rohy ahitana ny momba azy
http://www.torino2006.org/ITA/IDF/ATH/101034.html
Mirary soa e
novalian'i doralala ny 02/04/2006 10:35
2. vegas ( 10/02/2006 23:49)
Mafinaritra e!
Ho an'izay havanana kokoa amin'ny teny frantsay http://www.razalpin.org/fr/index.php
3. lapino ( 11/02/2006 00:13)
>>> Nazionalità Madagascar MAD
>>> il sera un canadien d’origine malgache
Mitondra saina gasy lery sa kanadiana?

Ary ahoana aloha izany lalaon'ny vazaha tongan'ny olona avy any amin'ny tany tropikaly izany kle? =D=D
4. zandikely ( 11/02/2006 02:08)
Angaha moa tsy 2 ry zareo lasa any, na teto CANADA koa aza somary gaga ihany ny olona satria malagasy handray anjara amina sport d'hiver, niseho telé ry zareo mialohany nandeha tany, mpiaramianatra taminay nahenoko fa tsy hitako ilay fandaharana.
Fa araka ny henoko tamin'ankizy dia tena zatra sport d'hiver ry zareo.
Saina gasy no entin'izy ireo any.
Mirary soa an'izy ireo e!
5. Fiffi ( 11/02/2006 06:46)
hoy lapino: "Ary ahoana aloha izany lalaon'ny vazaha tongan'ny olona avy any amin'ny tany tropikaly izany klé ? "
Nahatratra 70 firenena mahery no mandray anjara @ io lalao io , tsy voatery koa hoe firenena ahitana "la neige" hiany no ahazahoana mandray anjara fa izay firenena te-andray anjara dia tonga soa avokoa. mahafinaritra mahita fa ny Malagasy koa ao.Dia mirary soa e!
6. jentilisa ( 11/02/2006 06:47)
misaotra azy ireo mba hitondra ny anaran'i Madagasikara amin'ny lalao tsy ananan'ny gasy terrain e! :-D
mahafinaritra ka!
7. raketaka ( 11/02/2006 06:53)
Mahafinaritra anie rehefa tsy manadino ny origine ny ankizy aty ivelany é! amin'izao fotoana izao mantsy dia tena maro mihintsy ireo zaza gasy aty ivelany no milaza fa tsy gasy satria mitondra taratasy vazaha. Mendrika ho deraina ny zavatra ataon-dRazanakolona.
8. jentilisa ( 11/02/2006 06:57)
efaz tafiditra tsara ao anatin'ny fiaraha-monina kosa angamba ireny koa...fa marina ny tenin-draketaka milaza hoe mba hafa tokoa ity boay kely ity!
9. raketaka ( 11/02/2006 07:08)
Io koa angamba resaka fahafahana é! maro mantsy ireo mpanao fanatanjahatena gasy no mitady aty ivelany mba ahafahany manohy ny sport izay ataony satria raha mijanona ao Madagasikara izy dia tsy ho afaka hanohy intsony noho ny fitadiavana sy ny famelomana ny fianakaviana
10. raketaka ( 11/02/2006 07:11)
HO an'ireo izay efa aty dia afaka mandray anjara amin'ny sport rehetra misy aty ry zareo ary afaka tsara mivoatra ao anatin'izany ry zareo hoatran'izy roa lahy resahan-tsika eto ireo
11. watafon ( 11/02/2006 09:00)
mahafinaritra le toe-tsaina e! tsy manadino ny maha malagasy na d lavitra aza e!
12. hery ( 11/02/2006 14:32)
Manana ny site anazy manokana ry zalahy kah.

http://www.razalpin.org/
13. Veloo ( 12/02/2006 02:02)
tena Zana'olona mihitsy izy roa lahy kle. Dia mirary soa azy ireo:wink:
14. rapala ( 13/03/2006 13:32)
Izahay rehetra taty aminay koa aza dia tena gaga be tamin'io vaovao io. Nijery ny TV kinanjo tsy hita akory i Matthieu, fa ny saina malagasy fotsiny no mba hitanay:(:cry:
15. doralala ( 02/04/2006 10:35)
Manao ahoana daholo e !
Ho an'ireo izay tsy nahita :
http://hetsika.free.fr/namana/JO_Turin.mpg
Mahazoa fahafinaretana e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3667