Izany ve no atao hoe fitiavana par intérré?

1. rakikih ( 10/02/2006 11:40)
Raha misy vehivavy niteraka taminao dia miteny aminy ianao hoe andaho isika hiara-hipetraka dia izao no navaliny za tsy hiara-hipetraka aminao raha tsy manana an\'izao ianao na manana an\'izao no sady mahavelona ahy nefa le rangahy efa miezaka sy manao izay tratrin\'ny heriny rehetra mba iarahan-dry zareo mipetraka nefa izy tsy afaky ny hanaonao foana na dia tiany ohatran\'inona azy ilay renin-janany dia mba ahoana no fandinihanao ny eritreritr\'ilay vehivavy @ izany nefa izy tsy mba vonona ny hanampy anao fa be condition fotsiny eo am-pitoerana eo fotsiny?
2. maelys ( 10/02/2006 12:31)
mety mba te hiadana izy ko ! ny hanambadiana hono hiadanana ! :wink:
3. Ragadona ( 10/02/2006 13:54)
Tsy maintsy mifanampy kosa fa efa tsy natao hitavana sy hovelomina fotsiny zany intsony ny vhv. Hazavao azy fa efa tsy izany "mahavelona ahy" zany ntsony zao fa efa natao "hifamelona"
4. koralie ( 10/02/2006 14:30)
Hitsikitsika hono tsy mandihy foana fa ao raha hoy ny gasy e!
5. xxx ( 10/02/2006 14:52)
misy diso tsipelina e interet no izy sa entérré no tianao ho tenenina hoe nalevina!!!:-D
6. Herimiafina ( 10/02/2006 15:29)
Toy ny voninkazo afindra toerana ihany io. Tsy maintsy jerena ny condition rehetra naniriany teo aloha ka iny no ezahana averina eo amin'ilay toerana vaovao na ny tsaratsara kokoa aza.
Tadidio fa tsy misy naufragé volontaire izany eto ambonin'ny tany na dia eo aza ny fitiavana! Mafy anie le mitotongana e!
7. fasaly ( 10/02/2006 16:06)
mety tsy par interet fa mila ny assurance avy am rangahy izy hoe mahavita azy mianaka marina ve le rangahy, satria ny vehivavy niterahanao tsy votery ho vadinao akroy ka! sendra ny aksidà ohatra....:wink:
8. Herimiafina ( 10/02/2006 16:16)
Marina izany! Misy lafinjavatra maro tokony hojerena raha vao manana intention hiara-hipetraka fotsiny, misy securité sy assurance apetraka tsara aloha fa tsy enti-mpo fotsiny hoe andeha hiara-honina!!!!:roll:
9. nani ( 10/02/2006 19:54)
nan , tsy interet zani fa securite kosa ee!!ahona kosa moa no anekeko we hiarahipetraka amin olona efa fantatro fa tsy ahavita ahy , eny fa na dia rainjanako aza izy , Tsy midika velively anefa izani hoe hiantehitra aminy zaho an !! Fa mila saintsainina keli fotsiny ka !!Sady aleo tsy miriska ra zavatra tsy hay ee!!
10. Herimiafina ( 10/02/2006 20:18)
Ka izay mihintsy kah, tsy ho voatery hoe hahavita hamelona ny tena anie fa kosa mba miheritreritra sao de lasa charge ity olona iarahana hipetraka ity kanefa ny zaza aza mety efa manahirana ny mitaiza azy dia hiampy olondehibe iray ihany koa.
11. Veloo ( 10/02/2006 20:27)
ary angaha tsy mba misy ilay oe mifanampy rehefa mifankatia fa dia miandry ny assurance sy ny interet sy etc....:wink:
Fitiavana aloha no voalohany dia manaraka ho azy ny rehetra kle
12. Herimiafina ( 10/02/2006 20:41)
Matoa misy ny faniriana hiara-hipetraka de efa misy izay ny fitiavana klou. Vita hatreo ny an'ny fo.
Ny saina indray no ampiasaina izao, de miara-mitady hoe inona ary no securitaire kokoa sao lahy dia hidi-kizo avy eo!
Satria ny fiainana tsy conte de fée anie e! Ny fiainana dia problemes! :P
13. Lalah ( 11/02/2006 02:14)
Marina zany ry Herimiafina, salut lo toi fa zao , tsy de hitako loatra ze mahamaika ny hiaraka hipetraka, raha tsy mba efa misy zavatra mitsangana maromaro aloha satria ,ra za manokana tsy te hiaina @ fiainana kimosimosy, ny antony hianarako sy hiasako mafy de ny mba hananako fiainana kalma, ka sao maika ny hiara hatory hanao ambony ambany fotsiny fa avy eo anie ka tena hifanao ambony ambany ao e indrindra refa tsy misy ny vola.
14. fasaly ( 11/02/2006 09:13)
veloo: matoa tsy mazto lay sipa aho raha , mbola tsy mafàna tsara ny fitiavana zany, indrindra mou ka tsy assuré hoe hahavita azy mianaka lay rangahy, amzao fotana izao ange efa mila mieritreritra be daholo ny olona vao miroso amin'io tokatrano io e! de aleony mijanona irery amzao, mba kozy e! tsy mahatsikeriatra izany ve nareon toa hitako hoe tsy maika zany tsony ny tanora anktriny hivady hiray trano zany fa samy maka ho azy eny, hifankatia de hoe ok! fa lay hiara-hipetraka toa mihazohazo dooly,
15. nani ( 11/02/2006 10:27)
Izy ty zani efa tonga aminilay hira we aza maika ny hanambady eee!!!
Veloo an , mifanampi anie refa mifankatia eee , fa aza entina aminn fo fotsiny ni fiainanan fa hentina amin saina koa .Refa hita fa hafahafa veuu na dia tia tahaka n innn ary de mbola hidirana ihany , refa any aorina vao hanenina ee !! KA tsy aleo veuu misoroka toy izay milanja ee
16. fasaly ( 11/02/2006 11:12)
ka zay anie ry nani e! ny fiainana amzao fotoana izao tsy vitan'ny fitiavana sy ny tsodatsoda fotsiny fa ilaina ny rehetra mihintsy sinon tsy mari-pototra lay tokatrano, satria ny fitiavana tsy misy vola tsy haharitra koa ange e! ny tiko lazaina tsy hoe ny vola no inona fa mimva mivelona e!:wink:
17. Veloo ( 12/02/2006 01:06)
tena zamy manana ny point de vue tsika rehetra ka:wink:
18. maelys ( 13/02/2006 06:38)
tsy hoe hiandry velomimpotsiny foana anie le hoe te hiadana e! marina daholo ny voalaza teo ambony rehetra hoe refa miray trano zany de ny saina no tsy maintsy miasa aloha satria ne misy engagement be zany e!
ahoana kosa moa no iarahana mipetraka nefa avy eo ny vola tsy haharaka? tsy voatery hoe lebany be fa mba hoe misy ny ampy hananana le fiainanaa milamina sy mirindra e ndrindrandrindra hoe misy zaza!
sady n'inoninona fitiavana refa tsy misy ny vola mikorontana ho azy e!
"on ne peut pas vivre d'amour et d'eau fraiche" hozy ny vazà.
19. mbositra ( 13/02/2006 20:30)
on peut vivre avec des presérvatifs
20. ninimalala ( 20/02/2006 13:05)
Ka ny tsy azoko de hoe hiara hipetraka fotsiny tsy misy raharaha moa zany ve fa union libre araka ny filazan'ny vahiny azy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1477