La Frantsa no hangalan'ny kandida tso-drano

1. Fiffi ( 10/02/2006 05:18)
Saika nandao an'i Madagasikara avokoa ankehitriny ireo kandida noheverina ho mpifaninana amin'ny fifidianana 2007 izay hatao eto amintsika. anisan'izany ingahy Rolland Ratsiraka, Herizo Razafimahaleo, Lahiniriko Jean, Ravalomanana Marc.
Mety ho samy manana ny fomba fijeriny ny anton-dian'ireto olo-maventy ireto avokoa ny tsirairay, saingy ny tsy azo lavina dia saika mandalo ao Frantsa avokoa izy rehetra ireo. Ny tombatomban'ny maro dia ny filazana fa maka tso-drano ao amin'ny reny malala avokoa izy ireo, satria raha ity firenena iray ity no mitsipaka dia mazana tsy ahitam-pahombiazana eo amin'ny fampandrosoana ny firenena, satria mbola eo ambany vahohon'ity firenena iray ity isika na dia ambara fa manana ny fahaleovantena madiodio aza.
Ankilany, dia eo koa ny fahitana fa maro ireo mpitsoam-ponenana avy aty Madagasikara ao amin'ity firenena iray izay mialokaloka ao, ka mety ho mpanampy ara-bola izay heveriny fa ahatonga azy ireo ho tafaverina an-tanindrazana indray, eny fa na ara-kevitra fotsiny ihany aza.
Tsapa ihany koa fa ho maro amin'ireo heverina fa handray anjara amin'ity ady masina ity no efa mihevitra fa hanonta ny biletany any ivelany, ny antony dia heverina ny mba tsy hisian'ny sakana amin'ny fingana mety hitranga eto an-toerana no nahafantarana izany. Mihevitra ny ny kandida izay hifanehatra amin'ny mpitondra amperin'asa fa ho maro ny mpamatsy ara-bola hifanome tanana amin'ity indray mandeha ity. Ny hita aloha hatreto dia firenena tsy azo hialana ho an'ny mpitondra sy izay mihevitra ny hitondra i La Frantsa koa tsy mahagaga raha hifanotofan'ny malagasy rehetra ry zareo, ary ny tambiny dia manjaka tanteraka eto ny orin'asany satria « atao fitia mifamaly ».

Nalaina tamin'ny gazety: Tribune
Mpanoratra : Naivo kely






















novalian'i fijo ny 14/02/2006 21:21
2. Fiffi ( 10/02/2006 05:19)
« atao fitia mifamaly ».:)
3. dadabe ( 10/02/2006 10:27)
tssss aleo amizay miova @ tany miteny angilisy fa tsy mamely intsny lafrantsa e, na aleo miova italiana hehehe :wink:
4. fijo ( 10/02/2006 19:19)
ka ry ra8 efa miova,fa ry bevava mbola aty foana ko
5. Veloo ( 10/02/2006 21:02)
loza wa ry fijo...:-*
6. Fiffi ( 11/02/2006 11:52)
fijo: iza hono zany bevava zany kay ? 8O
7. fijo ( 14/02/2006 21:21)
ry zalahy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2916