Inona izany atao hoe mitia olona iray izany?

1. rakikih ( 09/02/2006 14:53)
Raha misy olona ve efa niteraka ry zareo ka nosakana tsy hivady nefa koa ilay renin-janany tsy manaiky ny hanam-bady an-drangahy ihany koa raha tsy voatso-dranon-dray aman-dreniny dia mba ahoana ny hevitrareo mikasika an'izany tantara izany ary inona no tokony ataon-drangahy nefa izy mila manambady fa andeha iala ny tanindrazany?
novalian'i mbositra ny 13/02/2006 20:19
2. fasaly ( 09/02/2006 14:57)
mila resaka sy dinika be amin'ny andaniny sy ankilany angamba io e!:roll:
3. mandrindra ( 09/02/2006 15:41)
inona no mbola hiandrasana tso-dranondray amandreny amin'izany ? raha RAR tsy manosika amin'ny fanambadiana amin'izany toejavatra izany dia asaivo vadiny any ny zanany vavy.
4. fasaly ( 09/02/2006 16:13)
:-D:-D:-D
5. jousoua ( 09/02/2006 17:28)
mitia olona iray ka tena fitiavana marina de maharitra mandrakizay,tsy voahozongozona intsony;AMEN
6. Lejim ( 09/02/2006 17:35)
Elah ary rakikih hiala antanindrazana. Manaova voady fotsiny izany ianareo dia vita e. Aza mbola aroso izany ny fanambadiana fa tsy dia misy dikany firy satria ianao handeha. Mba alefa manao voady ao ianareo mivady hoe tsy hisaraka hoe. lol
7. vale ( 09/02/2006 17:36)
rakikih: raha izaho no teo @ toeran'ilay vehivavy, tsy rarahiko na tsy hitso-drano aza ny R&Reniko, izaho no hiaraka @ le olona fa tsy ry zareo ka tsy hitako izay olana:wink:
8. vale ( 09/02/2006 17:39)
Lejim:

Elah ary rakikih hiala antanindrazana. Manaova voady fotsiny izany ianareo dia vita e. Aza mbola aroso izany ny fanambadiana fa tsy dia misy dikany firy satria ianao handeha. Mba alefa manao voady ao ianareo mivady hoe tsy hisaraka hoe. lol
izaho indray aloha dia contren'izay hevitr'i lejim izay, araka ny handehanan'ny iray no ilaivana fifamantorana, sady ilay R&R koa izany efa tsy hanome tso-drano:twisted:


9. Lejim ( 09/02/2006 22:09)
vale> Ka tsy voatery amin'ny alalan'ny fanambadiana anie no hahamatotra kokoa ny fiarahana e. Fa avy amin'ny fo mifampatoky tsara. Raha ohatra ka hiteraka olana entre ilay vehivavy sy ny ray aman-dreniny ny raharaha, dia avy eo ilay bandy mandeha. Sady tsy eo izany ilay bandy hatao hiaro, dia ilay RAD koa efa tezitra. Tsy aleo miandry?
Rehefa samy efa vonona hiara-hipetraka amin'izay ny roa tonta vao aroso ny raharaha.
Sa ahoana hoy i vale? :wink:
10. Herimiafina ( 10/02/2006 00:37)
rakikih:

Raha misy olona ve efa niteraka ry zareo ka nosakana tsy hivady nefa koa ilay renin-janany tsy manaiky ny hanam-bady an-drangahy ihany koa raha tsy voatso-dranon-dray aman-dreniny dia mba ahoana ny hevitrareo mikasika an'izany tantara izany ary inona no tokony ataon-drangahy nefa izy mila manambady fa andeha iala ny tanindrazany?

Mila fantarina izay tena tian'ilay rangahy fa tsy izay tian'ny vadiny sy ny fianakams ny tsy akory no hitondra ny safidiny.
Ny fianakams izao miziriziry amin'ny heviny, ramatoa ihany koa miziriziry amin'ny heviny. Inona no antony mampiziriziry?

Rehafa fantatra izay antony izay de hita eo hoe iza no moramora hataop kokoa? Na i rangahy mandresy lahatra ny fianakams ny hamela azy hanambady andramatoa, na ramatoa no resena lahatra hanaiky hanambady na tsy dia misy tso-drano aza.
Izay ilay izy, tsy maintsy safidy misy sacrifice izany e! On ne peut pas tout avoir! hehehehe:-D:-D

11. pika ( 10/02/2006 06:49)
rehefa tena tia izy tsy voararan'ny RAD izany fa tsy mbola vonona izy ny hanambady dia avelao any izy ary mahazaka nefa vhv sady izay indray efa niteraka

miandry vady atolotry ny RAD izany izy ko:-D
12. diamondra27 ( 10/02/2006 07:12)
rakikih: tso drano: fombandrazana io!

fa raha ohatra kosa aloha oe tsy nanome tso drano ny RAD, fa tianao le vhv de ataovy ny raharaha e! tsy ny RAD no hiaraka aminy fa enao, ka raha iny ary no hanome fahasambarana ny fiainanao , tsy vao maika ve tsara zany?

Ra matahotra RAD njay de aza atao, fa sao ra misy fiadiana kely , tonga de ozy elah oe: hum njay ary fa le tambin'ny le tsy nakanto RAD 'ty; kanefa olombelona ve tsy hisy disadisa.

de za zany ahoana?:wink: very aho re olona, kay nafenina an!
13. marengarenga ( 10/02/2006 09:31)
ny tambitamby no ataovy fa resy lahatra izy @ farany
14. Veloo ( 10/02/2006 20:30)
ny ahy ndray dia izao no mba tiko lazaina...
Ny tso-drano ny ray aman-dreny ry reto tena mahery mihitsy a^:^^:^
15. akamatiana ( 11/02/2006 05:07)
veloo marina nenjy nefa tsy zareo no hanambady fa njy ange !! ka ra izay tonga eo tsy ankasitrahany de tsy omeny tso-drano njy de aona??? de njy zany tsy mba manan-tsafidy fa de zareo fona , asa alou
16. vale ( 13/02/2006 19:36)
sady milay be kou le fitiavana ôtran'zay , mivôka ny @ ny ordinera, mba manao Romeo sy Juliette eh :^), injay2 manko ny R&R diso an!:wink:
17. mbositra ( 13/02/2006 20:19)
fitsapana ny hamafin'ny fitiavana zany e milamina io rehefa ao lay izy:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2831