vinato sy rafozana

1. kiry ( 09/02/2006 11:52)
hono oha ry reto inona no mahatonga ny vinanto sy rafozana miady fialonana ve
novalian'i Angie ny 30/03/2006 08:41
2. Fiffi ( 09/02/2006 12:25)
tsy hoe fialonana ka. Fa betsaka ny antony mahatonga an'io. Oh: ny rafozana dia miheritreritra hoe mahasoa ny zavatra hatorony hataon'ny vinanto nefa izy tsy manaiky , misy koa ny rafozana mbola malahelo @ fisarahana @ zanany ka tonga mamangy azy foana mitebiteby raha toa ka milamina ny fiainanay eny na dia efa olon-dehibe aza ny zanany fa io no mahatonga azy reny koa. Misy koa aloha ny tsy mahatanty ny rafozana na vinanto tsotr'izao fotsiny.
Maro no anton'ireny fa samy tokony hiheritreritra ny andaliny sy ny ankinany .
3. danibe ( 09/02/2006 12:27)
kiry, satria mpifahavalo izy ireo. ny rafozana saro-piaro an-janany ny vinanto kosa saro-piaro am-badiny.voajanahary io.
4. mandrindra ( 09/02/2006 12:43)
tsy hoe io foana ny zava-misy fa amaro koa ny rafozana sy vinanton mifanraka tsara ka. lasa ilay vinanton indray aza no toy ny zanaka.
5. rakikih ( 09/02/2006 14:00)
Raha sendra ny rafozana tsy mahay mandamina ny zava-misy sy mitranga eo aminao sy ny vadinao fa mitongilana any @ zanany foana ry zareo na mety na tsy mety ataon'io zanany io dia tsy maintsy misy foana ny fifanolanana eo @ izy roa tonta ireo.
6. Veloo ( 09/02/2006 19:34)
misy kosa ny rafozana tsara eeeeeee, :wink:
7. Herimiafina ( 10/02/2006 01:06)
Arakaraka ny olona ihany io. Saingy tsy maintsy misy ny tension rehefa ireo olona roa ireo no ampihaonina na ampiarahana monina, tsy maintsy misy, noho ny fifandraisana misy amin'izy roa sy amin'ny olona iray tiana hitambarana, hehehehe:-D:-D:-D:-D

Toy ny polygamie ihany: tsy maintsy misy tension eo amin'ireo vehivavy maro vadin'ilay rabaina raha toa ka misy ny fitiavana. Raha tsy misy ny fitiavana fa forcé dia mety izay vao hifankahazo.
8. maelys ( 10/02/2006 05:05)
ny anton'ny tsy fifankazahoana matetika de satria @ maha RAD azy de mihevitra foana ny rafozana hidikiditra @ fiainan-tokantranon'ny zanany. oh hoe normal be aminy zany satria io zanany. Ny vinanto kosa ndray mba te hanana ny fahaleovantenany ka sarotiny raha vao misy manakiana ny fiainan-tokatrano.
Raha samy mandray ny anjara toerany avy ny tsi-11 de mety tsy de hisy firy ny fifanolanana.
9. ari.malala ( 10/02/2006 06:49)
Misy koa rafozana mihevitra fa tsy ampy ny antaon'ilay vinanto, dia na izy mibaiko tsotra izao an'ilay vinanto na izy miteny antsokosoko ny zanany. Misy koa ilay mitsikera ny fanaon'ilay vinanto, miteny hoe fony izy tany aminay dia toy izao na toy izao, dia teraka eo ilay fifanolanana.Matetika izany ny reny mihevitra fa ilay zanany lahy efa nanambady dia mbola tokony ho eo ankohonany ihany.
10. ravatorano ( 10/02/2006 10:25)
za kalouh mbola tsy niady tamin drafozako izany fa milamina foana hatramizay ka tsy manakambara amizany aho:wink:
11. Veloo ( 10/02/2006 19:45)
ahona tokoa moa ilay obolana momban'io? tena adiniko misy mahay nareo?:wink:
12. mbositra ( 13/02/2006 19:27)
rafozambavy sy vinantolahy hono metimety kokoa ny fiarahany monina noho ny rafozam-bavy sy vinantovavy
13. lali ( 02/03/2006 09:50)
ary ny zao bavy manakory
14. ikalakintina ( 02/03/2006 16:21)
mamanay sy ny vinantony reto milamina be a!, asa na ahoana no ataondreo?
15. Angie ( 30/03/2006 08:41)
Za koa aloha dia misaotra ny Tompo fa tena tsara rafozana sy zaobavy e tsy mba manana problème zany. Tena tahaky ny zanaka sy rahavavy za @ zareo, anisan'ny manome fifaliana ho an'ny fianankavianay koa aloha izany e.

Ny dialogue no atao tsara refa misy zavatra tsy miady na hevitra tsy mitovy, za koa mantsy direct be :D. Miankina @ vady koa io angamba kah satria matoa ny fiankams miditra trop @ fiainana dia lay zanany zay no mitantara zavatra manokana any. Nefa ny tsara dia miaraka miresaka ny zavatra rehetra ny mpivady @izay dia milamina tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1571