Raha halefa alohan'ny fotoana ny fifidianana Filohan'ny Repo

1. Fiffi ( 08/02/2006 05:26)
Raha halefa alohan'ny fotoana ny fifidianana Filohan'ny Repoblika , hisinda avy hatrany ny adihevitra samihafa mikasika ny fahataperan'ny fotoam-piasan'ny Filoha Marc Ravalomanana , ny amin'ny hoe " tamin'ny 22 febroary 2002 ve sa tamin'ny 6 mey 2002 ? " .Mipetraka anefa ny adihevitra hoe " amin'ny fomba ahoana no hanatanterahana an'izany ? " Araka ny andininy faha-47 ao amin'ny lalàmpanorenana " 30 andro farafahakeliny ary 60 andro farahafaelany alohan'ny fiafaran'ny fe-potoana itondran'ny Filohan'ny Repoblika amperinasa no hanaovana ny fifidianana ny Filohan'ny Repoblika " . Raha ireo daty roa mahabe resaka ireo , tokony ho eo anelanelan'ny 22 novambra 2006 sy ny 6 avrily 2007 no hanaovana ny fifidianana filoha vaovao eto amintsika . Ny fifidianana alohan'ny fotoana izany dia alohan'ny 22 novambra .Araka ny andininy faha-52 ao amin'ny Lalàmpanorenana ihany " raha misy fahabangan'ny toeran'ny Filohan'ny Repoblika , noho ny fametraham-pialana , ny fahafatesana , ny tsy fahafahana miasa intsony ... na fionganana notinapaky ny parlemanta ... dia atao ny fifidianana Filoha vaovao " Ho hitantsika eo ihany ny ho tohin'izany vinavinan'ny mpanara-baovao sasany izany .

Nalaina tamin'ny gazety Taratra laharana 0599
Mpanoratra: Andrianantenaina
novalian'i fijo ny 10/02/2006 19:57
2. fijo ( 08/02/2006 20:48)
ireo efa voafaritry ny lalampanorenana ireo ny fomba ahafahana mampandroso io daty io,ka ny hany azo atao,raha tiana izany,dia mamorona kirizy eo amin'ny andrimpanjakana.dia ravana ny solombavam bahoaka,ary mametrapialana ny filoha,"ny filohan'ny sena no maka ny toerany eto"dia aroso ny fifidianana.
izany hoe ny tim ihany "lehibean'ny sena" sy ny governemneta no misahana azy.ka eto dia tsy hafaka hilaza ny mpanohitra hoe tsy aradalana indray io.
3. Fiffi ( 09/02/2006 04:41)
dia hisy vokan-tsoa ve io ?
4. fijo ( 10/02/2006 19:57)
nyvokany,dia hangina izay tsy lany,ary hitsahatra ny ady hevitra momba ny daty niakaran dravalo teo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2529