FIFIDIANANA FILOHAN'NY REPOBLIKA

1. Fiffi ( 07/02/2006 04:35)

Raha halefa alohan'ny fotoana ny fifidianana Filohan'ny Repoblika , hisinda avy hatrany ny adihevitra samihafa mikasika ny fahataperan'ny fotoam-piasan'ny Filoha Marc Ravalomanana , ny amin'ny hoe " tamin'ny 22 febroary 2002 ve sa tamin'ny 6 mey 2002 ? " .Mipetraka anefa ny adihevitra hoe " amin'ny fomba ahoana no hanatanterahana an'izany ? " Araka ny andininy faha-47 ao amin'ny lalàmpanorenana " 30 andro farafahakeliny ary 60 andro farahafaelany alohan'ny fiafaran'ny fe-potoana itondran'ny Filohan'ny Repoblika amperinasa no hanaovana ny fifidianana ny Filohan'ny Repoblika " . Raha ireo daty roa mahabe resaka ireo , tokony ho eo anelanelan'ny 22 novambra 2006 sy ny 6 avrily 2007 no hanaovana ny fifidianana filoha vaovao eto amintsika . Ny fifidianana alohan'ny fotoana izany dia alohan'ny 22 novambra .Araka ny andininy faha-52 ao amin'ny Lalàmpanorenana ihany " raha misy fahabangan'ny toeran'ny Filohan'ny Repoblika , noho ny fametraham-pialana , ny fahafatesana , ny tsy fahafahana miasa intsony ... na fionganana notinapaky ny parlemanta ... dia atao ny fifidianana Filoha vaovao " Ho hitantsika eo ihany ny ho tohin'izany vinavinan'ny mpanara-baovao sasany izany .

Nalaina tamin'ny gazety Taratra laharana 0599
Mpandrindra: Andrianantenaina
novalian'i Fiffi ny 11/02/2006 11:56
2. ravatorano ( 07/02/2006 08:45)
d ho hita eo marina tokotrany eh
fa efa misimisy ihany aloha ny kandida amizao ah
aoana io Peta Rakotoniaina io ?
mandrebireby sa hanapatitaka vato
3. Ragadona ( 07/02/2006 09:38)
Fa ahoana moa no tonga dia kilasiana ho mpandrebireby na mpanaparitaka vato izy raha milatsaka, mitovy zo amin izay rehetra milatsaka eo izy n'iza n'iza milatsaka eo, ary tsy mitovy koa ny safidin ny olona ka hoe tsy maintsy ho itsy na iroa no hironan ny rehetra
4. Fiffi ( 07/02/2006 14:35)
:)Ragadona: fanontaniana no napetran'i ravatorano fa tsy tonga dia hoe "kilasiana ho mpandrebireby na mpanaparitaka ":)
5. fijo ( 07/02/2006 21:01)
misy koa anie ny efa fantatra mialaoha hoe tsy ho lasa e,za ve ohatra raha hilatsaka eo,na dia atao aza hoe manana zo hitovy amin'ny rehetra;dia hanantena inona eo???ka raha misaina aho ,dia aleoko tsy hilatsaka toa izay hanadala mpifidy fotsiny.
6. Fiffi ( 08/02/2006 06:15)
fa anga kosa dia tonga de fatratr'i fijo hoe tsy ahazo vato i fijo ? andramo kely jerena hoe:-D:-D
7. fijo ( 08/02/2006 20:49)
mba jerena ny bazy fa milatsaka,fa tsy hoe za be mpahalala dia lsa izao.
8. Ragadona ( 08/02/2006 23:03)
Tsy mbola azo ametrahana kajikajy lojika ny fifidianana any mada fa surprise matetika no mitranga ary izany bazy zany mbola azo aorina sy ravana ao anatin ny fotoana fohy(hatram zao aloha)
9. Fiffi ( 09/02/2006 04:39)
ny hetahetam-bahoaka no tokony tanjona voalohany , ekena fa tsy mora ny fitondrana fanjakana , rehefa jerena kosa nefa izay voafidy hatramin'izao , tsy hita akory izay fihovana fa dia be resaka daholo. Ohatra hoe t@ zafy albert to @ fitondrana , inona no mba zava-bitany ? ka marina mihintsy hoe jerena ny bazy aloha.
10. fijo ( 10/02/2006 20:00)
izay mantsy.ekeko fa any amintsika io mora miova toa ny akanjo,nefa na izany aza mba misy hilana azy ihany ka
11. Ragadona ( 10/02/2006 23:03)
Nifantoka be tamin io resaka bazy io sy ny resaka fandaharan asa no nampitotongana be an i Herizo tamin ny fifidiana filoha farany teo. Za tsy manao hoe ratsy, saingy mbola idealy aloha izy hoan ny tontolo politika sy fiarahamonina malagasy. Mbola ny manaitaitra ivelany sy ny doboka aponga aloha no ahombiazana ra te ho tody eo amin ny fitondrana
12. dadabe ( 11/02/2006 10:47)
:°):°)
13. Fiffi ( 11/02/2006 11:56)
fijo: ka izao kosa ange aloha an! maro ny olona hazo hambakaina , ary ohatra fotsiny ireny fizarana vary sy inona koa moa ? dia indreny ny vahoaka fa mba nino nefa indrisy!!! ny marina rehetra tafavoaka daholo , kay fitaovana hanambakaina ny vahoaka mba hifidy azy fotsiny ireny tekinika ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2585