Izay vao tena raikitra : Miketrika ny fametrahana tetezamita

1. Fiffi ( 06/02/2006 05:01)

Mikonokonona fatratra ny tetikady hametrahana ny tetezamita izay takian’izy ireo ny 3FN amin’izao fotoana izao .Mifanesisesy ny fivoriana eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny telo tonta tamin’ity herinandro ity.Mbola hitohy anio zoma indray izany fivoriana izany. « Fametrahana ny paikady rehetra sy ny làlana mazava tena hizorana any amin’ny tetezamita no tena fototr’ireo fivoriana ireo » araka ny nambaran’ny Filoha vonjimaikan’ny komitim-pirenena momba ny fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka tamin’ny fihaonambem-pirenena teny Andoharanofotsy ( CNRR ) , Ramasy adolphe .

Tapa-kevitra tanteraka ny hanatanterahana hatramin’ny farany ny fametrahana fitondrana tetezamita ny 3FN . Ny filohan’ny CNRR anefa dia nanambara fa raha misy ny vahaolana politika avy amin’ny fitondrana dia vao mainka tsara . « Na fifandimbiasana demokratika ao anatin’ny fandriampahalemana na ny ady an-trano. Izay ihany no tsy maintsy hiseho eo ka izay no hitadiavanay fatratra vaha-olana am-pilaminana” hoy ity mpisolo toerana an’I voninahitsy Jean Eugène ity .

Efa natoritory ity fametrahana fitondrana tetezamita dradrain’ny 3FN ity teo aloha teo ary izao fohazina izao indray. “ Hivoaka tsy ho el any drafitra rehetra hametrahana izany” hoy ny filoha vonjimaikan’ny CNRR naneho ny fahavononany.

Nalaina tamin’ny gazety Ao Raha laharana 0150
Mandrindra Ratefy.


novalian'i fijo ny 08/02/2006 20:51
2. reeves ( 06/02/2006 05:50)
Olona matahotra fifidianana ireo ary efa zatra ny làlan-dririnina hatramin`izay ka mampitahotra ny olona amin`ny resaka ady an-trano .Ny tena mahadiso an-dry zalahy dia ny hoe ny vahoaka ihany no tompon-kevitra na aongana ny fitondràna na tsia fa tsy ity mpanao politika rehetra tsy nahazo toerana ity akory . Izaho tsy miteny hoe tsara 100% ny fitondràna ankehitriny fa hita kosa fa misy ny zava-bita tao anatin`ny fotoana fohy ary nihena ny gaboraraka sy ny kiantranoantrano , azo ny fitokisan`ny mpamatsy vola , mila miasa mafy amin`izay ny gasy mba ho tafarina fa tsy vahaolana intsony ny grevy lava sy ady an-trano izany satria isika tsy hianatra velively ny afrikana .Izay gasy rehetra mahavita ka vonona hampandroso an`i Dago dia tokony tohanana na avy aiza fihaviany na avy aiza fa ny mahavoa antsika koa indraindray dia mbola ity fijerena foko sy fihaviana ity ihany . Mba hisorohana ny zava-nitranga tam`2002 dia tsara raha apetraka dieny zao ny fahafahana manao confrontation de PV raha ilaina izany amin`ny manaraka . Izay eo amin`ny fitondràna koa tokony mahay tsara manisy equilibre amin`ny fampandrosoana ny faritra rehetra eto Dago mba ho tsapan`ny vahoaka tsara fa manana Mpitondra ho an`ny gasy rehetra izy fa tsy hoe ho an`ny foko na faritra izatsy na izaroa fotsiny ary na inona loko politika entiny na inona fa izay no antoky ny firaisam-pirenena . Ho ahy manokana aloha , ny Mpanohitra amin`izao fotoana izao somary maivan-danja ihany satria tsy dia manana hevitra mafonja constructive fa saika fanankianana bontolo tsy misy vahaolana atolotra ny olona akory .
3. jentilisa ( 06/02/2006 08:51)
Na fifandimbiasam-pahefana ao anatin'ny fandria-pahalemana na ny ady an-trano...izany hoe raha ny fahazoako azy dia hoe avelao izahay indray no mitondra fa raha tsy izany dia velominay ny ady an-trano. Mazava tsara ka! :°)
4. Herytae ( 06/02/2006 09:43)
Tetezamita ho aiza kou anefa e! mita ho any andavaka? raha irao ihany aloha no mbola atao hoe mpanohitra eto amintsika dia tsy ho lasa lavitra mihitsy e! mamafy lainga sy manakorontana fotsiny ve no mba tetikady?
5. Fiffi ( 06/02/2006 16:37)
de asa aloha fa dia samy manana ny filazany daholo ny tsirairay mba ahazoana ny seza hiany aloha no tanjon'ry zareo dia alefa daholo izao katsaka , tsaramaso , voanjobory sy ny salady rehetra izao!
6. fijo ( 07/02/2006 21:07)
araka io voalazan'i reeves io,dia vava be fotsiny ireo ka tsy misy mihaino akory.le izy koa anie ,raha mba olombaovao,mety nahaliana ihany e,fa raha ireo,toa efa mba hita ny nataony ko
7. Fiffi ( 08/02/2006 06:17)
ka izay indrindra manko ! ny omaly foana no miverina ka mankaleo indraindray sady koa tsy dia nisy zava-bita tena matotra fa singasingany tetsy sy teroa .
8. fijo ( 08/02/2006 20:51)
ry zalahy ireo anie tsy mihaino izay zavamisy e.izy mihevitra hoe tian'ny olona,nefa raha tian'ny olona ve ,dia tsy nisy nanampy teny analakely?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2993