Fanajana ny ray aman-dreny.

1. Fiffi ( 03/02/2006 07:51)
Malaza isika Malagasy @ fomba fanajana ny ray aman-dreny ary tena tsara tokoa izany. Saingy lasa ny heritreritro raha namaky lahatsoratra anaty gazety aho hoe mbola misy foana ankehitriny ireo ray aman-dreny manery ny zanany hanambady ny safidiny fa tsy ny safidin'ny zanany. Ny tantara dia ilay tovovavy mbola vao 16 taona sy ny tovolahy 18 taona dia noterena hivady , kanjo tsy ela dia fijaliana no mitranga ao an-tokatrano.
Apetrako ny fanontaniana: hoy ity hira ity hoe: i Dada sy i Neny rehefa miteny , tsy maintsy hajaina fa fototrin'ny aina" nefa hatraiza ary misy fetrany ve io fanajana io raha resaka fanerena ny zanany hanambady ny tsy sitrakin'ny fony ?
novalian'i Fiffi ny 09/02/2006 16:32
2. ravakamalala ( 03/02/2006 09:57)
fanaja tokoa raha ny RAD, ary tokony ho henoin teny foana satria iza moa ny RAD haniry zavatra ratsy ho an ny zanany fa matoa izy izay miteny dia satria fitiavana no antony ary fantany ihany koa fa mahasoa.

Fa raha ity toe javatra iray ity kosa aloha dia hoy aho hoe aoka etsy e!

ilana fahendrena ny zava-drehetra, amiko dia RAD manaonao foana ny manao toy itony, hoe hanery ny zanany amin ny mariazy. raha tena tia ny zanany izy dia manaja ny safidiny. sady ny fitiavana anie tsy azo ifanerena izany e! rehefa tsy vokatry ny fo dia tsy fitivana mihitsy izany.
3. vale ( 03/02/2006 11:52)
Hita wa ko, raha tena tia ny zanany izy dia manaja ny safidiny, tena izay voalazan'i ravaka izay mihintsy, fa manjary lasa fitiavan-tena indray raha ny mifanoitra ,ary ny ray aman-dreny fanaja fa kosa tsy voatery hanana ny marina foana koa! koa rariny raha ASIANA limitiny ny fankantoavana ny teniny.
4. Fiffi ( 03/02/2006 14:07)
izany hoe ny ray aman-dreny miheritreritra izay ahasoa ny zanany ary angamba izany no nanaovana sy fikarakaraina ny fanambadihany dia mihevitra izy hoe tokony tahak'izao koa no tokony ho iay ho an'ny ankizy , saingy efa nivohatra be loatra ny fiainana ka tsy mety intsony ireny.
5. Veloo ( 03/02/2006 14:28)
ilaina mihitsy ny fanajana ny RAD, mihaino an'izay lazainy nefa kosa ndray2 tsy mitovy @ toe-tra'andro ihanan-tsika intsony indray2 ny hevitry ry zareo, atsika ny mieritreritra sy miresaka faca a face @ RAD mba milaza ny opinion-ny tena...jerene ambony sy ambany ny hevitra ... ilaina ny logique-javatra ankehitriny ary ny RAD tokony hanaraka ny teo-tr'andro... Mila manana communication entra parents-enfants mihitsy ankehitriny raha tsyizany tsy misy mande ny fiainana.
6. mandrindra ( 03/02/2006 15:02)
ny fihainona no fanajana, ny fantanterahana izay teneny rehetra dia fanompoana. olondehibe manantsaina ary mahay misafidy daholo, noho izany mahay mihaino, mamakafaka dia maka ny tsara.
7. mandrindra ( 03/02/2006 15:03)
ataovy fitia fary, tsakotsakoy daholo, ny mamy atelomy ary ny faikany aloavy
8. Fiffi ( 03/02/2006 16:20)
mandrindra: marina daholo izany fa tena mbola misy tokoa anie ny hoe rehefa ray aman-dreny no miteny dia mangina ny ankizy e! satria sao dia ahazo filazana hoe "maniratsira" RAD avy eo ? jeroe fotsiny aza io notantaraiko io fa anga na ny andalany na ny ankihinany nahazo nilaza izay mba heviny fa dia iny naroso iny ny fanambadiana.
9. Vahinala ( 03/02/2006 16:22)
Ataoko fa mendrik'haja foana ny ray amndreny fa raha izy kosa no hisafidy izay mety ho fiainako sy handidy aminy dia tsy afaka hekeko, mamapalahelo fa tena mbola betsaka tokoa ny manao io "mariage arrangée io na hatramzao aza.
10. Veloo ( 03/02/2006 17:18)
zao kosa aloha e misy ndray2 RAD tsy mahay manampy ny zanany an...fa vitsy io aloha e:wink:
11. Vahinala ( 03/02/2006 18:40)
mariage arrangé mantsy fa tsy arrangée e !:wink:
12. Veloo ( 03/02/2006 19:40)
8O tsisy olana aky a betsaka ny fote de frapy ato a:wink:
13. vale ( 03/02/2006 20:40)
dia indray2 koa ny t@ ntaolo taloha mifankatia ny RAD roa tonta dia mifanaiky hoe andao hampivadiana ny ankizy, nefa ny fitiavana tsy mety raha tsy an-tsitram-po:oops:
14. fijo ( 03/02/2006 22:08)
ilaina ny manaja ny ray aman dreny,fa tsara koa ny mba manana ny maha izy ny tena.
15. Veloo ( 04/02/2006 23:59)
ie alaiana izay tsara nolazainy ary arina izay itanao fa ratsy :wink:
16. fijo ( 08/02/2006 04:56)
ny fotoana iainanan koa anie tsy mitovy e,ny nety taminy,mety efa tsy mety intsony aminao izao,ka mila ovana .
17. Fiffi ( 08/02/2006 05:42)
ka izay indrindra manko, saingy tsy hitako mihintsy hoe nahoana koa ary no nanaiky an'izany ireo ankizy ireo? sa ve hoe natahotra ny RAD ? nefa efa mba feno 18 taona kosa ilay tovolahy ko!
18. mandrindra ( 09/02/2006 12:58)
fiffi, valin'ireo fanontanianao : tsy ampy hazondamosina
19. Fiffi ( 09/02/2006 16:32)
zany ve ? sa matahotra tsy sahy mamaly ny RAD ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1565