Henri Ratsimbazafy
1. Fiffi
(
03/02/2006 07:38)
Henri Ratsimbazafy : Tompondakan’ny halterophilie : Malaza ankehitriny ny lalao baolina kitra hihaonan’ny mpanao gazety sy ny mpanakanto , hatao ny alahady 5 febroary izao etsy Mahamasina.tsy ho anisan’ireo hiakatra kianja amin’io ilay kintan’ny hira malagasy Henri Ratsimbazafy , noho ny taona efa mandroso araka ny filazany , nefa mbola vonona ny hanitsaka ny bozak’i Mahamasina , raha ny mpanakanto tena zokiny ny antsoina hilalao.Ny lalao rugby no tena ankafiziny sy mbola arahiny akaiky amin’izao fotoana.Anisan’ny mpilalao ity taranja ity izy fony mbola nianatra tany Nantes Frantsa.Niangaly ny taranja « haltérophilie » ihany koa tany amin’io toerana io ny taona 1960 , ary voahosotra ho tompondakan’ny akademia tany Rennes tamin’izany fotoana.Efa zokinjokiny taty aoriana , efa niorim-paka teto an-tanindrazana ny fony vao nilalao tenisy ho fanalana andro.Nambaran’i Henri ratsimbazafy tamin’ny Taratry ny lasa fa sahala amin’ny zava-drehetra ihany ny fanatanjahantena eto amintsika , tsy maintsy amin’ny alalan’ny herin’ny tena tsirairay no hampiroborobo azy fa tsy tokony hiandry ny fanjakana.
Nalaina tamin’ny gazety Taratra laharana 0597
Mpanoratra: Manohy
novalian'i fijo ny 10/02/2006 20:01
2. fijo
(
03/02/2006 19:46)
marina mihintsy izany ka.tsy tokony hiandry izany fa manao aloha vao mitady lalana hafa
3. Fiffi
(
04/02/2006 07:43)
fijo: ao ary mba ampio ry zareo e! :-D:-D vazi2 ny ahy fa marina ny anao , raha hifampy andry eo aloha dia tsy hisy zavatra ho vanona mihintsy e!
4. Herytae
(
06/02/2006 09:48)
ka io ary ingahy fijo a! ampio izy ary fa any aminareo i Henri Ratsimbazafy sy i Lego manao spectacle @ 25 févrié izao e!
6. mirana5
(
10/02/2006 18:26)
na misy faty olona zaza tsy maintsy mandeha any @Henri Ratsimbazafy zahay é, lay Lego tsy fantratroloatra fa @io no hahafantarako ny talentan'i leiry é=D=D=D=D=D=D=D
