SIDA

1. Fiffi ( 03/02/2006 04:45)
ZARANAINA : Afaka manasitrana ny sida : Volana maromaro lasa izay dia niteraka resa-be teto amin’ny firenena ny mikasika ilay fikarohana nataon’Andriamatoa Zaranaina , izay nilaza fa nahita ny fanafody ho entina mitsabo ny aretina Sida . Nambarany tamin’ny mpanao gazety fa nahazo ny fahazoan-dàlana hahafahany mampihatra izany fikarohana izany ny tenany . Mbola afaka 15 andro anefa vao mety ho afaka mampiely izay mety ho andinindininy mikasika ny fanafody sy izany fahazoan-dàlana izany ampahibemaso izy .Mandritra izany fotoana izany no hiandrasany izany mety hanohitra ny mikasika izany , satria dia manana zo ireo araka ny lalàna mipetraka ihany koa . Tsiahivina fa efa 7 taona izay no saika namoahany io fanafody io , izay ambarany fa afaka miady amin’ny otrik’aretina VIH/SIDA. Nambarany nandritra izany fa ataony avokoa izay fomba rehetra mety mba ivoahan’ny fikarohany , na mety hampiditra azy amin’ny fanaovana politika ary izany .Manana vinavina hanokatra toeram-pikarohana eto madagasikara ihany koa izy , ary hanohitra ny toe-tsaina rehetra izay mety hanakatsakana ny tanjony . Araka ny nambarany ihany dia azo avy amin’ny ravin-kazo eto Madagasikara ihany ny fanafody . Natao ihany koa ny hotovizany vidy amin’ny fanafody rehetra eny anivon’ny mpivarotra fanafody .


Nalaina tamin’ny gazety Madagascar Laza laharana 346 :
Mpanoratra: Haingo R
novalian'i Fiffi ny 03/02/2006 17:51
2. vale ( 03/02/2006 12:13)
... ny irariana dia mba tsy ho voasakantsakana ny tanjony!:D
3. Fiffi ( 03/02/2006 14:08)
vale: satria mafy dia mafy tokoa ny fitadihavana fanafody hiadina @ io aretina io. :-*:-* ndriko
4. Maheriloha ( 03/02/2006 14:47)
isaorana azy fa afaka mamelona olona efa ho faty zany izy. enga anie ka hitohy ny fahaizany , hisondrotra avo izy ka hanome voninahitra hatrany ny firenena ,, ka iza aminareo anefa no afaka hanome voninahitra ny firenena tahaka azy e?????
5. Fiffi ( 03/02/2006 17:51)
hoy Maheriloha: ka iza aminareo anefa no afaka hanome voninahitra ny firenena tahaka azy e?????
samy manome voninahitra ho an'ny firenena ny tsirairay amiko raha tia tanindrazana , saingy samy manana ny fahaizany koa ny tsirairay. Ny an'io olona io dia momba ny fahasalamana na fikarohana ,maro no karazam-pahaizana ary samy manana ny azy koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.908