baolina kitra: artista # mpanao gazety

1. jentilisa ( 02/02/2006 05:17)
Izay indray moa izany no tena maresaka eto Antananarivo amin'izao fotoana izao. Eo amin'ny resaka dokam-barotra dia tena tafita ny hafatra. Amin'ny alahady ho avy izao eo amin'ny kianjan'i Mahamasina araka ny fahalalako azy no hotanterahina izany lalao izany. Io lalao io moa dia fanokafam-bavony amin'ny lalao hifanaovan'ny Uscafoot sy ny ajesaia izay be ho kintan'ny baolina kitra atsy ho atsy ankoatra ny Academie Ny Antsika sy ny USJF mazava ho azy.
Mandeha dia mandeha moa ady vava amin'izao fotoana izao ka asa tokoa izay ho fipoakany. Ny artista moa izany dia ahitana mpihira sy mapnao hatsikana no tena maro.
novalian'i Fiffi ny 05/03/2006 06:43
2. eprom ( 02/02/2006 05:42)
Ny resaka marketing io no tena hitako tsy ampy @ fanatanjahan-tena malagasy
3. jentilisa ( 02/02/2006 06:20)
marina izany satria rehefa miverimberina ilay resaka momba ny lalao iray hatao dia betsaka ihany no tonga. Ny tamin'ny voley-ball izao raha tsy mba nisy ny direct nataon'ny MBS tsy liana ny hafa ho tonga tany Mahamasina!
Amin'izao fotoana izao moa na ny any amin'ny faritany aza mangetaheta te-hahita ilay baolina fampisehoana!
4. jentilisa ( 02/02/2006 09:54)
efa namoaka vava moa i Mamy Gôtso fa raha resin'ny mpanao gazety ny artista dia maillot de bain no anaovany mody avy eny Mahamasina mankeny @ etoile rouge fodiany!
5. lapino ( 02/02/2006 09:57)
:lol::lol::lol:
Milay kosa izy zany kle! Ary mety ho baolina manala azy be io an! :D
Fa mba iza daholo àry no mpilalao am'zany kle?!
6. ravatorano ( 02/02/2006 12:16)
ireo kofa ao amin ny kidaona maraian ireo :marco;gerard;francis turbo;mamy gotso,din rotsaka izay aloha no reko fa hidina kianja fa tsy haiko ny ssasany fa anjoany lerony annao entrainement eny amparibe eny zany
fa boll io ah
7. jentilisa ( 02/02/2006 13:28)
ary ny mapnao gazety dia ireo mapnao gazety ara-panatanjahantena mety ho fantatrao. Ny manana ny tena gabany fantatro aloha dia i serge rasanda e! fa rafilomena koa bebe vava ihany fa na cosfa aza hono tsy atahorany! :lol:
8. danibe ( 02/02/2006 14:00)
araka ny henoko momba an'io toa hoe ry Noely (sakelidalana) sy ry gaoty hono no lohalarana hoan-dry zareo artista.
9. jentilisa ( 03/02/2006 08:18)
araka ny vazivazy dia i Lego no goal!
10. jentilisa ( 06/02/2006 09:11)
Raha ny marina izany dia i Jaojoby Eusebe no goal-ny artistes. Nahay ihany ranamana io hoy ny resaka. Saiky hanarika io aho mba hisy hotantaraina saingy ny fotoana tsy mifametra moa ny fotoam-bita tsy mahaelo ny sampona. Resy roa noho iray ny artista izay hamaly ady afaka iray volana. Tsy notanterahan'i Mamy Gôtso ny teniny...araka ny nolazaiko rahateo hoe tsy manara-dalàa raha izay no ataony fa mampigadra!
Tsy nahafaty penalty i Noely Eto'o araka ny vazivazin'ny mpanao gazety.

Manaraka izany dia nampiseho ny fahaizny koa ny ajesaia fa noreseny telo noho iray ny uscafoot tamin'io andro io ihany. Sao dia tsy maharaka ny taktika nentin'ilay vazaha ary ny mpilalao sa sao dia miforitra loatra rehefa ny vazaha no "mibaiko"?
11. maelys ( 06/02/2006 09:25)
raha ny fijeriko le artista aloha de mahay baolina ihany fa ny aina no tsy misy e !
tsy ampy fanazaran-tena angamba. Le défense mbô mahay kely ihany fa le avant tena tsisy course mitsy.
afaka 1 volana zany de ho hita eo e !
Ny mpanao gazety ndray de hita fa efa zatra ady. Tsy de betsaka no nisolosolo teo am terrain.
12. ravatorano ( 07/02/2006 09:18)
ka ny fandakan dry goth boll zany aloha d héhéhéhéhé
ry turbo zany efa lery rery sy Serge rasanda goal an dry zareo artiste no nifanatrika mbola tsy voadaka an i turbo tany anaty harato iany lé boll fa rafilomena sy ry zalah ao amin ny tarika rebika ireny mahavoa fa marina ilay kozy we tsisy aina ary izay no tsy nahafaty ilay penot satria efa faran ny fotoana miitsy d efa kely aiana d nanao izay ho afany hany ka daka pointe d lasa niakatra avo b ohatran ny dakan dry Deka sy ry Galy amin ny rugby eh
fa milay kah ! Ilay boll matin i Dina Hebdo kosa tao tsara lery rahateo mlbolaz tanora no nanao ny taranja EPS d ampy kotrana fa novereziny ireo niandry azy ary d tany anty harato no noraisin i Jaojoby ny boll
Farany 2-1 araky ny voalaza tery ambony no nisarahandry zalah journaliste sy artiste.
Ny uscaf kosa tsy afa bela amin ny ajesaia intsony rah ireny ny filalaony fa napoakan dry voavy paulin miitsy fa ry mamisoa uscaf tsy tazana miitsy fa d nanjakan dry boay kely ny tanana eh
13. jentilisa ( 08/02/2006 12:27)
ka ilay lalao 3-5-2 kosa no mbola tsy mahazatra ny Uscaf ka izay no nanararaotan'ny ajesaia azy koa. nanjary niova "asa" izany ry Mamisoa!
14. Samoana ( 08/02/2006 12:39)
Ary nilalao ihany ve Henri Ratsimbazafy ? Hitako etsy @ dokambarotra mantsy fa toa ho any marseille izy : ny OM ve no nanafatra azy :D?
15. jentilisa ( 09/02/2006 08:09)
izy indray aloha efa lasa any frantsa ka mety nanao prokirasiô e!
16. ravatorano ( 10/02/2006 10:29)
samoana
17. jentilisa ( 10/02/2006 12:51)
ary nahagaga ahy ny filazana naton'ny vaovaontsika omaly hoe efa nanao 3-5-2 ny uscafoot tamin'ny nihaonany tamin'ny soudanais nandroso teto an-toerana dia iny 3 sy 0 nandesen'ny gasy iny! fa izy moa nilaza ankolaka hoe ilay mpanazatra frantsay tokony hiala toy ilay gasy tamin'ny herintaona rehefa tsy namokatra fa tsy hihatsaraveltsihy eo satria hoe vazaha!
ry ingahy Ben'ny tanàna indray moa no nikiry hoe tsy maintsy tazonina koa!
18. yonikafopl ( 03/03/2006 18:35)
Ary ahoana koa ilay foot n'ny artista st journalista vehivavy am 12 Marsa io?? mba tantarao raha misy azo tantaraina fa toa hahafinaritra io kleeee, toa hidina eny ry Bodo, Nanie, Lalie Tahiry sy iza kou mouu izy teo??
19. Fiffi ( 04/03/2006 07:49)
eny tokoa wa ? mba tantarao izaymahafantatra eh!
20. stephan ( 04/03/2006 12:00)
izahokoa mbola tsy mahafantatra fa tsy dia naheno taim-bava loatra tsinona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2352