« TSY HILATSAKA AMIN’NY FIFIDIANANA NY PASITERA MAILHOL »

1. Fiffi ( 01/02/2006 05:05)
Tamin’ny tafa nataon’ny pasitera Mailhol tamin’ny mpanao gazety nilazany ny zava-bitany no nanambarany fa tsy hilatsaka amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny tenany . 170 no isan’ny fiangonana voatsangany eto madagasikara ary 500 000 ny isan’ny mpanara-dia azy , araka ny filazany . Tamin’ny taona lasa izy dia nanorina fiangonana 4 tany Frantsa , ary ireo vola fahafolon-karenan’ireo mpanaraka azy no nahavitany izany . Amin’ity taona ity dia mieritreritra ny hivahiny any Canada sy etats-Unis izy ary haharitra ny diany. Nanamafy koa ny tenany fa tsy hanao kandidà mihintsy na amin’ny 2006 na 2013 fa ho tonga ho azy amin’ny toeran’ny filoham-pirenena araka ny faminaniany .

Nalaina tamin’ny La gazette
Mpanoratra: V.Z
novalian'i Achia ny 09/03/2006 20:44
2. Vahinala ( 01/02/2006 08:36)
Hay moa, izy mantsy toe efa ela no nidradradradra foana hoe am 2013 tsy maintsy izy no ho lany prezidan koa, sa ve ho tonga hoazy eo izy na d tsy milatsaka aza, hafa kely ndray zany ! Misaotra any Fiffi aloha mamita vaovao an.
3. jentilisa ( 01/02/2006 09:09)
kay! hafa tokoa an!
4. Fiffi ( 01/02/2006 10:19)
Vahinala: tsy misy fisaorana akia an! raha mba mahafaly ny namana izao hataoko izao dia faly tokoa aho @ famitana ny vaovao izao:):)
jentilisa: tena mahalasa heritreritra e ?:roll:
5. dadabe ( 01/02/2006 11:48)
ka faminaniana ko , de aleo andrasana
6. cheboman ( 01/02/2006 12:30)
Fiffi> mahafaly, makasitraka dia misaotra :D
7. Vahinala ( 01/02/2006 14:30)
D asa fa tsy mitombona ndray anga hono ny faminaniany am hoe ho prezidan izy am 2013 ? Sa sao d hanao magie kosa izy d tonga hoazy eo tsy misy mifidy akory kle.
8. Fiffi ( 01/02/2006 20:11)
cheboman: :D:D:D rehefa faly ianareo dia hatraty koa io .
9. fijo ( 02/02/2006 03:58)
ka diso kely izany le famonaniana,fa mety 3012 izy vao ho tonga eo ko
10. Fiffi ( 02/02/2006 06:12)
fijo: manam-potoana tokoa izy hiheritreretana tsara izay ho hataony .:-D:-D
11. Vahinala ( 02/02/2006 08:24)
fijo > Mba ela velona kosa raha mahatratra 3012 zany kle !:-D:-D:-D
12. sonwin ( 02/02/2006 21:49)
raha misy olona milaza fa ho tonga ho azy eo amin'ny fitondrana nefa tsy mandalo fifidianana dia midika zany fa hanao fanonganam-panjakana.Sa hamerina ny zava-nitranga tamin'ny 75?...misy raha la terre
13. fijo ( 03/02/2006 19:50)
sonwin a,nen'i lery anie ka izao e.izy no hiongana mijery,dia lazainy fa ny hitany rehetra no miongana hoazy.
14. Fiffi ( 04/02/2006 07:46)
eny hoy aho ry sonwin !! de asa indray izay hiafaran'izy ity fa dia ho hitantsika eo zany @ 3012 e! :-D
15. scorpion ( 05/02/2006 17:39)
:-D:°)
16. dadabe ( 11/02/2006 09:31)
o ry zalahy a, isika anie ka mbola 2006 e, aleo aloha ho tonga izany 2013 izany, de ho hita eo e, raha toa ka izy marina dia ahona?? ary raha tsy izy dia ahona ?? aleo isika any vao hitsara e8)
17. Fiffi ( 11/02/2006 11:58)
O ry dadabe a! ny an'ny sasany aza efa lasa saina @ 2013 fa azy sahady ny toerana , sao dia i dadabe no lany @ io 2013 io ? :-D:-D
18. fijo ( 14/02/2006 21:23)
sao dia hilatsaka marina ela ry bedada?
19. hajajeanclaude ( 09/03/2006 15:50)
o ry zareo a! resaka mandany jiro daholo izany e! @ 2013 na 3012 mifankahita e ,fanonganampanjakana io!
20. Fiffi ( 09/03/2006 20:39)
3012 :?: :roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7659