Ny daty any an-kibon’ny omby , ny kandidà efa efatra sahady

1. Fiffi ( 30/01/2006 04:11)
Kandidà efatra sahady izao no fantatra fa hirotsaka amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika . Raha ny andiany voalohany dia ireo antoko mpanohitra no azo ampidirina ao anatiny . Mitaky tetezamita . Dia indro fa tonga maneho ny heviny I Herizo Razafimahaleo , kandidà efa indroa nisedra ny safidim-bahoaka . Naneho ny fahavononany hirotsaka ho fidina I Monja Roindefo sy Roland Ratsiraka . Kandidà heverina fa tanora ireo roa ireo .Ny an’ity faharoa dia tamim-pomba ofisialy no nampahafantarany izany ny zoma 20 zanvie teo . Saingy noho ny anarana Ratsiraka dia lasa hatrany ny saina : ao an-damosiny ve ny filohampirenena teo aloha ? Tsapa fa mitombo tsikelikely ny halatra eto amin’ny Nosy. Tahaka ny fotoana akaiky fifidianana rehetra izany . Famakiana tobin-dasantsy?izay misy lelavola.be no ilaina amin’ny fotoam-pifidianana. Mila fanjakana hentitra ny Nosy. Mila olona afaka hanara-maso ny fifidianana. Misy ve izany ?

Lahantsoratra nalaina tao amin’ny gazety LAKROA n’I Madagasikara laharana faha 3455

Mpanoratra: JRJ
novalian'i fijo ny 03/02/2006 19:53
2. jeancharles ( 30/01/2006 04:56)
Amiko aloha dia tokony mba hieritreritra tsara ny vahoaka alohan'ny fifidianana, ( tsy manao fampielezankevitra aho sanatria fa ny hevitro no avoitrako) fa raha hiova mpitondra isaky ny 5 taona isika dia tsy ho tafavoaka mihitsy, satria ho hafa indray koa no tetik'asan'izay vao2 eo.
Ny hilahatra eny andalambe koa aloha tsy hisy intsony, ary, ny @ ilay anarana iray dia: Rafotsibe leon-Trandraka ny vahoaka ka matahotra vodi-kofafa, sa ahoana hoyianareo?
3. Fiffi ( 30/01/2006 05:07)
jeancharles: marina aloha ny anao an! nefa moa raha nandritrin'ny 5 taona tsy nahitan-tsoa ary fantatra fa tsy mora ny fitondrana nefa koa misy koa aloha ny tsy mba mijery izay mba vitan'ilay mpitondra teo @ fitondrany ka io marina no hoe tokony hiheritreritra tsara ny vahoaka .
4. bozimanga ( 30/01/2006 05:25)
izaho mba namaky fotsiny fa tena tsy manao pol eh ! amiko na iza na iza na iza mitondra eo ny omaly tsy miova ihany ny fiainana ;fa kosa ny olona ho fidina dia aleo ireny mba tsy be fampanantenana ireny.
5. Fiffi ( 30/01/2006 05:58)
bozimanga: tsy haindriko anga ilay fitenenana hoe " qui ne fait pas la politique fait de la politique" ?
an3 , izaho koa aloha sy manao pol eh! fa manaraka vao2 amin'ny gazety isan'andro aho dia mba mahampafantatra antsika aty lavitra aty ny zava-miseho ka! :):)
ary ny hoe "ny omaly tsy miova hiany ny fiainana" dia tsy zavatra mora aloha ny momba ny fampiakarana an'i Madagasikara e! eny fa na dia mba hita aza aloha fa mba nisy fihovana kely sa ahoana hoy ndriko ? :-*
6. ravatorano ( 30/01/2006 08:53)
atramizao aloha ny olona miseho vatana fa hiditra amin io fifidianana io dia tsy hitako loatra zé marina .Ao ny mandova anarana toa an Dratsiraka rolland , sy Ingahy Monja Roindefo - ao indray ny efa teo d nanipy gà nefa te hiverina.
Aminareo v ireo olona ireo afaka hifaninana amin-dRamose na Ingahy Ra8 ? ? ?
Nisy tokoa ny fiovana teto na dia bitika sy episilona aza fa nisy aloha d izay.Tsy midika izany fa tsy hahavita intsony ireo mpitondra amizao fotoana izao ireo ny tsinyny hitako amireo d mitady hiady antrano toy ny tao amin ny andron'ny herivelona taloha ka ho sahirana Ingahirainy hampîhaiky ny heviny manokana manomboka amin io mandat manaraka io.
Za manokana aloha dia mbola mahita fa lany amin ny51% Ingahy ravalo eh:wink:
7. Ragadona ( 30/01/2006 10:27)
Fa na iza na iza aloha candidat eo dia tokony hanana paika mazava hampahafantarina ny vahoaka ary raiketina an tsoratra mihitsy hanarahana maso ny fanatanterahany azy mba hialana amin ity démagogie lava sy fanaovana ho zaza ny olom pirenena ity. Toa sarotra ny hahatratrarana haingana ny tena fandrosoana raha mbola hafatratra ao an tsain ny olona hoe "raiamandreny" zay filoha eo. Misy fiatraikany be dia be any amin ny fomba fanapahan kevitry ny filoha sy ny fomba fijery politikan ny vahoaka manko io
8. lemenakely ( 30/01/2006 11:02)
mahaiza ary mifidy tsara fa sao mananina e
9. jeancharles ( 30/01/2006 12:10)
Samy manana ny heviny daholo isika é!
Fa hoy aho hoe:Raha ireo Candidat ireo aloha dia mbola hitohy ihany ny fitondrandra-8, ka @izay hita tsara ny fandrosoana é!
10. vale ( 30/01/2006 12:55)
jeancharles:

Amiko aloha dia tokony mba hieritreritra tsara ny vahoaka alohan'ny fifidianana, ( tsy manao fampielezankevitra aho sanatria fa ny hevitro no avoitrako) fa raha hiova mpitondra isaky ny 5 taona isika dia tsy ho tafavoaka mihitsy, satria ho hafa indray koa no tetik'asan'izay vao2 eo.
Ny hilahatra eny andalambe koa aloha tsy hisy intsony, ary, ny @ ilay anarana iray dia: Rafotsibe leon-Trandraka ny vahoaka ka matahotra vodi-kofafa, sa ahoana hoyianareo?

eeee, tena miombon-kevitra aminao ny tenako ry jeancharles à, vao dimy taona kosa ve no nitondran'ny filoha ankehitriny (izaho tsy mifidy fa na iza no sendra eo @ fitondrana na iza an!)dia @ fomba ahoana ny hanarenany firenena iray nibaby trosa nandritry ny firy taona maro? asa nefa .......

11. vale ( 30/01/2006 12:59)
bozimanga:

izaho mba namaky fotsiny fa tena tsy manao pol eh ! amiko na iza na iza na iza mitondra eo ny omaly tsy miova ihany ny fiainana ;fa kosa ny olona ho fidina dia aleo ireny mba tsy be fampanantenana ireny.

Kà ny anton'izay ange ry bozimanga dia tsy mora kosa ny fanarenana firenena iray efa tafidina ambany be ary nandritry ny firy taona eeee!

12. vale ( 30/01/2006 13:00)
lemenakely:

mahaiza ary mifidy tsara fa sao mananina e


ny ho fatram-pifidy ny manganana no ahiako!:roll: :-D:-D:-D
13. Fiffi ( 31/01/2006 05:03)
vale: indrisy akia e ? tsy ho zava-mora mihintsy io
:-*:-*
14. fijo ( 31/01/2006 21:33)
aleo hiomana ry zalahy e,sofima aloha izao
15. vale ( 31/01/2006 22:47)
fiffi, fijo: ny ahy tô ataoko ankitsapaka raha izao no mitohy :-D:-D:-D
16. Fiffi ( 01/02/2006 10:19)
:-D
17. fijo ( 02/02/2006 04:06)
vale,hi hi hi marina nendry.
18. Fiffi ( 02/02/2006 06:17)
vale , fijo , andraso kely hoe hiheritreritra kely aho :-D:-D:-D:-D:-D
19. fijo ( 03/02/2006 19:53)
an an,tsy mila miheritreritra ka,ny tannana no alefa ao dia vita
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043