ANARAN-JAZA ARAKA NY TONON’ANDRO

1. Fiffi ( 29/01/2006 05:00)
Teraka ALAHADY : andro voalohany : ILAHADY , ANDRIAMASINORO

2- Teraka ALATSINAINY : andro mafy , mainty toy ny alahasaty : RAMIERA , ANDRIAMIERA

3- Teraka TALATA : andro gorobaka , andro fandravana ,fanafihana : RATALATA , RAZAKANDISA

4- Teraka ALAROBIA : andro tsy miverina , fialan-tsaona , fandevenana : RABE , RABEFIERENA , RAMELINA

5- Teraka ALAKAMISY : andron’andriana , andro voalohany tamin’ny Malagasy , fahiny mbola tsy tonga teto ny Arabo : RAMISA , RAMISAVOLA , RASAMIMANANA , RAMISAMANJAKA , RAMISARIVO , RAZAFIMANISA

6- Teraka ZOMA : andro fanentanana , fiandrasana , faharetana : RAZIMA

7- Teraka SABOTSY : andro mena toy ny asorotany

8- Hitantsika araa ireo fanomezana anarana ireo fa tsy fomban’ny Malagasy loatra ny nanome anarana iraisana ho an’ny ankizy na dia mpiray tampo aza satria ny anarana dia nomena araka ny tonon’andro sy ny tonom-bitana


Nalaina tamin’ny gazety Feon’IMERINA laharana N°12
Mpanoratra: Ramelina
novalian'i fijo ny 03/02/2006 19:53
2. dadabe ( 29/01/2006 07:26)
le mpanoratra izany teraka alarobia a:-D
3. vale ( 29/01/2006 14:11)
Eny tokoa oà, Ramelina no aranan'ilay mpanoratra, teraka alarobia izy izany!:roll:
Fiffi: merci mampita fahalalana é!:wink::wink::wink:
4. lapino ( 29/01/2006 15:10)
Dia inona no mitranga raha zaza teraka zoma no atao Ramisa no anarany?
5. pissoa ( 29/01/2006 15:44)
Tsy misy na inona na inona mitranga kah. Fa ilay izy ary io teneniny io hoe "Fomba" kou!
Izaho izao teraka Alahady nefa ny anarako Pissoa tsy maninona akory - Hihihi :wink:
6. lapino ( 29/01/2006 16:36)
Ka njy tsinona zany vintam-Pissoa! :wink:
7. pissoa ( 29/01/2006 17:58)
Hihihi - tsy misy vitam-Pissoa izany ry lapino ah :-D:-D Pissoa aza tsy mianjy vintana izany mihitsy kou :idea:
8. Vahinala ( 29/01/2006 18:27)
Za koa zany tokony atao hoe Rabe Vahinala no anarako kle !:roll:
9. Fiffi ( 29/01/2006 19:10)
Vahinala: :-D:-D:-D de tsy tian'driko ve io ? de za zany teraka sabotsy de lasa mena ve ? :-D:-D:-D
ka ny mahagaga ahy tokoa an ! de zao : fahiny dia ny vavy samy manana ny anarany fa ny lahy hiany no mitondra ny anaran'ny rainy, asa hoe satria ve ny vavy rehefa manambady de very ilay anarana satria mitondra ny anaran'ny vadiny avy eo , fa ny lahy kosa dia tsy ho very mihintsy ?
10. Vahinala ( 29/01/2006 21:24)
Fiffi > Ie zay angamba satria misy fahamarinany koa zay nefa amzao fotoana koa toa na manambady aza ny vavy dia afaka misafidy foana hoe hitondra ny anarambadiny sa hitazona ny azy ihany. Ohatranay aloha dia mitovy amin'ny anaran'i Dadanay ihany ny anay rehetra e, na lahy na vavy.
11. Fiffi ( 30/01/2006 05:00)
Vahinala: wadray vao avy nijery fitaratra aho io an ! nefa tsy nahita hoe menamena akory :-D:-D:-D
Non fa efa niova kosa aloha e! taloha izany hoe ny vavy tsy mitondra ny anaran-drainy izany fa ankehitriny efa mitondra daholo ary marina ny adriko fa afaka misafidy @ izay ny vavy @ fitondrana ny anarana izay tiany :-*:-*:-* ndriko
12. lapino ( 30/01/2006 10:30)
Pissoa: ka na tsy miandry vintana aza ange efa voasoritry ny tonon'andro ilay izy e! Dia iny izany no lasa anarana avy eo. :wink:
13. Vahinala ( 30/01/2006 11:53)
Fiffi > Za koa aky efa nijery fitaratsa fa toa tsy be zany za koa, antonony ihany ! :-D:-D:-D:-D:-*:-*:-* ko njy.
14. pissoa ( 30/01/2006 18:29)
Lapino> Dia ny vitanao izany vintan'inona?
15. lapino ( 31/01/2006 00:32)
Vintana lapino ka! Fa dia mba inona àry izany ny andro nahaterahako kle?! :-w :wink:
16. Fiffi ( 31/01/2006 05:02)
lapino: jereo kely ny boky kely nisy fametrahana ny andro naterahanao , ary raha tsy mahita tsara de manova solomaso :-D:-D:-D:-D:-D:-D
17. pissoa ( 31/01/2006 06:15)
Fiffi> :-D:-D:-D
Lapino> Alakaosy :°) Lainga kambony e :-*
18. Fiffi ( 31/01/2006 07:27)
pissoa: :-D:-D:-D
lapino: hita ve ? :-D:-D:-D
19. lapino ( 31/01/2006 07:31)
Alakaosy izany ve tsy volana e? Fa ilay andro?
Fiffi: tena tsy manana an'izany boky kely fanandroana izany aho!
20. Fiffi ( 31/01/2006 08:27)
lapino: ilay "livret de famille" aza e! :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3528