RANO sy VARY

1. Fiffi ( 28/01/2006 05:24)
« Fahavaloko ny mosary , ny tondra-drano … »

Izaho sy ny vary dia iray ihany …. Ireo no hafatry ny Ombalahibemaso .

Manana ny toerany tokoa ny rano sy ny vary eo amin’ny fiaraha-monina , raha fakafakaina ireo hafatra ireo .Nampanao fefiloha manodidina Andriamasinavalona ho fiarovana ny tanàna sy ny tanimbary . Notohizan’Ny Ombalahibemaso ny famitàna izany fefiloha izany . Namoaka didy ihany koa ny Ombalahibemaso hanasazy henjana izay tratra mamaky fefiloha , sy ny vatandehilahy tsy mamonjy ranovaky . Raha misy moa vahoaka mila fanampiana any amin’ny mpanjaka dia tolorany angady hiasàna ny tany . ireo no ahafahana milaza fa zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny rano sy vary , tsy afa-misaraka na an-tsaha na an-tanàna . Natao hifamelona ny rano sy ny vary kanefa ihany koa mifamono raha tsy hay ny mampifandaja azy .


Nalaina tamin'ny gazety Feon'IMERINA
Laharana faha-12
Mpanoratra : R.L
novalian'i fijo ny 03/02/2006 19:54
2. Herimiafina ( 28/01/2006 06:05)
Voaporofo ara-tysiantifika fa tsy mila rano ny vary afatsy izay ilainy ihany amin'ny fitomboany, entina hiadivana amin'ny haidratsy no ialna ny rano fa tsy tena hoe entina hampaniry azy akory.
Fikarohana nataon'i Herimiafina taloha io
jereo eto anie e:
http://ciifad.cornell.edu/sri/countries/madagascar/essajoh.pdf
3. Herimiafina ( 28/01/2006 06:06)
Diso fa ity ary no entiko manohana izay hevitro izay e!
http://ciifad.cornell.edu/sri/countries/madagascar/essajoh.pdf
Fiffi:-*:-*
4. Fiffi ( 28/01/2006 06:20)
Herimiafina: :-*:-* mahagaga ahy tokoa izany an! nefa dia ahoana kay ireo tolona hataon'ny tantsaha @ fanaovana "irrigation" indrindra eny an-tanimbary sa ve tsy mba nisy siantifika nanazava an-dry zareo momba an'io ?
5. Herimiafina ( 28/01/2006 06:32)
Tandremo fa ny tantsaha intelligent an, ny siantifika no tsy misaina injainjay, ny rano dia ilaina entina hiadiana amin,ny haidratsy, satria ny vary irery no mahazaka rano amin'iny, ilaina ihany koa izy entina hiadivana amin,ny fidinan'ny temperature, mila temperature mafana mantsy ny vary, capacité calorifique de l'eau e! hehehehe=))=))

Misy anie ny vary antanety, misy ny tavy e, fa tsy voatery ny vary antanimbary tondraka foana tsy akory!
6. Fiffi ( 28/01/2006 07:14)
herimiafina: tena marina tokoa ny anao fa intelligent ny tantsaha , raha tsy izany ve ho hainy tsara ery ny fomba famokarana ny variny ? :-*
7. fijo ( 02/02/2006 04:13)
ka izao e,hano ny vary dia sotroy ny rano ,fa hosalama tsara enao,ary vary ihany wa ny antsika malagasy
8. Fiffi ( 02/02/2006 06:19)
fijo: hasio ovy kely kosa e! sy katsaka , sy mangahazo ! :-D:-D
9. fijo ( 03/02/2006 19:54)
an an,vary sy laoka ihany ka;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4047