Tsy marim-pototra ny tetika

1. Fiffi ( 27/01/2006 06:15)
Be filaza fa kanosa ny ankamaroan'ny mpitari-tolona aty amin'ny mpifamandrina amin'ny fanjakana ka raha raikitra ny fidinana an-dalambe dia ny mifitsaka any an-trano no ataon'ny sasany fa ilay vahoaka kosa avela hiaritra ny mafy eny an-dalambe , eny fa mba firy moa ireo tra-pahavoazana nandritry ny hetsika rehetra natao teto no mizaka ny tsy eran'ny aina kanefa mba iza no mahavangivangy azy ireny ? Toa tsy marim-pototra ny tolona ka ny vola fotsiny no very.

Nalaina avy amin'ny gazety Tribune
Mpanoratra: Naivo kely
Zoma faha 27 Janoary
novalian'i fijo ny 03/02/2006 19:56
2. jentilisa ( 27/01/2006 08:02)
Ka zavatra tsy dia mety anie ilay midina an-dalam-be raha resaka politika e! resaka sosialy ahay nefa mbola sarotra koa izany raha eto Dago eto.
3. Ragadona ( 27/01/2006 08:55)
Tokony hovana alo le tetika an dalambe e, misy fotoana ilana azy fa mba tokony hovoalanjalanja fa tsy refa misy tsy mifanaraka amin ny eritreritra dia io foana no vahaolana. Nefa koa zay eo amin ny fitondrana tsy tokony ho mafy loha hoe manana ny marina foana fa izany foana no olana hoantsika gasy. Ny mpanohitra manao bontolo, zay tsy voatery ho diso fa ny fomba anehoany azy no tsy mety. Ny mpitondra sy ny mpomba azy tsy afaka manao recul(fandinihana) intsony fa de hoe zahay ihany na iza faly na iza tsy faly... De lalam be foana no iafarana. Nefa dia manana traikefa amin io dhl zay mitondra eo
4. Fiffi ( 27/01/2006 09:51)
jentilisa: fa ahoana aloha no tsy mampety azy ?
5. fijo ( 27/01/2006 21:13)
le eny an dalana efa mankaleo ny olona.
6. Fiffi ( 30/01/2006 06:00)
fijo: dia tsy ahitana tombon-tsoa ve io na kely aza ? ary ny olona rehetra ve mitovy fiheritreretana daholo ?
7. vale ( 30/01/2006 13:04)
mba mampalahelo tokoa raha izany toe-javatra izany ry fiffi an, araka io voalazan'ny gazety io! ny sasany izany lasa fitaovana fotsiny ange raha ataoko ny fandinihana, ....ko tsy mba tsiavin'ny ireo notohanany akory izy ko! hummmm!
8. Fiffi ( 31/01/2006 05:04)
vale: tena mampalahelo e!
9. fijo ( 02/02/2006 04:09)
fiffi,tsy mitovy heritreritra daholo ka,fa misy zavatra efa mankaleo ny olona
10. Fiffi ( 02/02/2006 06:22)
fijo: marina ny anao . Dia miandry izay manaraka indray zany.
11. fijo ( 03/02/2006 19:56)
izay aloha no azontsika atao izao ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1304