matoatoa

1. Tinahr ( 25/01/2006 12:09)
Vaovao nivoaka ny gazety ny 24/01/06;Nisy matoatoa vavy nanakana taxi teny Ambohitrarahaba,tsy fantatr'ilay chauffeur mihitsy hoe matoto de nentiny;kanjo nanjavona nony tonga akaikin'ny toerana nialany ilay vehivavy.Hay vao avy nalevina vao haingana kay io.De mbola nisy hafa koa ilay 3 vavy nanao auto stop hay matoto koa ry zareo.Efa nisy nahita matoto ve taminareo?Raha mba nareo no teo @ toeran'le chauffeur de ahoana?
novalian'i pissoa ny 08/02/2006 18:21
2. Tinahr ( 25/01/2006 12:13)
To vehivavy daholo le totoma ry zalahy fa mba mahimahina ihany fa sao mifanena aminy a!
3. diamondra27 ( 25/01/2006 14:57)
ka le kof mbola variana milalao sy any @ bar ary casino
4. vale ( 25/01/2006 15:11)
Tinhar : ary sao de mba nivoaka tsimoramora ny fira ilay olona fa tsy hitan'ilay sofera?:roll:
5. Vahinala ( 25/01/2006 15:42)
Ie sao d te handositra anle fandoavambola kosa izy koa ! Za aloha tsy mbola nahita anizany e.
6. Herimiafina ( 25/01/2006 19:16)
Efa betsaka ny tantara henoko toa izany ry zareo an, tsy hahitako fanazavana matotra ka aleoko mody inona klou satria mbola betsaka ny zavatra tsy voafehin'ny siansa ka rehefa tsy voafehy dia tsy classer-na anatin'ny tsy mi-exista tsy akory. hehehehe:-D:-D
7. jennifer2 ( 25/01/2006 22:35)
:-D:-D:-D, Tinahr ity mampihomehy! mitandrema zany nareo lehilahy sao efa matoatoa ny sipanareo na ny vadinareo!
8. fijo ( 26/01/2006 04:13)
maheno matetika azy io koa aho,nefa dia tsy mbola nahita ka sarotra be ny hino na tsia
9. flotune ( 26/01/2006 09:09)
mba te hanontany aho hoe aminareo ve asan'ny devoly ireny sa tena zavatra hafa mihitsy?
10. Vahinala ( 26/01/2006 11:17)
Za koa mitovy am fijo, rehefa tsy mbola nahita za dia tsy mino aloha ary hatramzao mbola tsy nahita d mbola tsy mino koa zany.
11. Vahinala ( 26/01/2006 11:18)
fijo > Mety misy hiteny ndray zao hoe "sambatra ny tsy mino nefa tsy nahita" nefa tsy azo afangaro zany. :-D:-D:-D:-D
12. fasaly ( 26/01/2006 11:59)
Tinahr:

Vaovao nivoaka ny gazety ny 24/01/06;Nisy matoatoa vavy nanakana taxi teny Ambohitrarahaba,tsy fantatr'ilay chauffeur mihitsy hoe matoto de nentiny;kanjo nanjavona nony tonga akaikin'ny toerana nialany ilay vehivavy.Hay vao avy nalevina vao haingana kay io.De mbola nisy hafa koa ilay 3 vavy nanao auto stop hay matoto koa ry zareo.Efa nisy nahita matoto ve taminareo?Raha mba nareo no teo @ toeran'le chauffeur de ahoana?


zà kalou tsy mbola mino mintsy hoe mi existe io e!
raha mbola tantarain'ny olona de otran'ny angano fotsiny ihany amiko fa raha izà mintsy no tratra vao mino zà
13. mandrindra ( 26/01/2006 13:51)
ô ry matoatoa ô mitrangà amiko raha toa ka misy ianao.
14. fasaly ( 26/01/2006 19:21)
hitrangàny eo tokoa zay vao mipararetra e! milatsaka ambakan'ny tsy hilatsaka rehetsa zao:wink:
15. mandrindra ( 27/01/2006 09:10)
i fasaly angaha efa nahita np milaza amiko hoe hitrangany eo aho, sa mino ny fisiany ?
16. mimiso ( 07/02/2006 17:04)
Matoatoa!!!
Efa betsaka ny resaka henoko ,ary iny Ambohitrarahaba iny no tena malaza isehoan'ny tantara .
17. Samoana ( 08/02/2006 12:48)
Mpamosavy no tadidiko nampalaza an'Ambohitrarahaba ! Hay lasa nitombo matotoa koa ?!! Ary sao de vazimba le saofera de tsy hitany nivaoka ny taxi le kalanoro ?:lol:
(Tokony hitondra fakan-tsary ny mpanao gazety @ manaraka fa mba te ahita izahay, na saritapak'ilay saofera monja aza mba hinoana e !)
18. lapino ( 08/02/2006 13:43)
maizina fotsiny ange hono ny sary raha maka sary an'ireny e!
19. pissoa ( 08/02/2006 18:21)
Fa inona nefa no ataon'ny matoatoa no atahorana izy e?
Ny fahalalako izany atao hoe matoatoa izany dia toy ny hoe " Vetivety aho hitanareo - vetivety aho tsy hitanareo" :roll: dia izay - koa inona no olana amin'izany? :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3991