Voahendrikendrika nangalatra

1. xxx ( 23/01/2006 10:10)
Inona no hatao raha voahendrikendrika hoe nangalatra?
Misy namako anakiray mantsy mitaraina fa voahendrikendrika nangalatra.
Nahita annonce tamin'ny Gazety izy fa nisy ramatoa mipetraka any Arivonimamo mitady mpiasa. Dia raikitra avy hatrany. Aide Coiffure ilay asa.
Niasa mafy be mihitsy ry zareo nandritra ny fety fa betsaka ny clients. Nony vita ny fety dia nangingina amin'izay ny salon.
Indray andro anefa tamin'ilay handeha hiasa iny izy dia nolazain'ilay ramatoa fa nisy vola 1.500.000 very tao aminy ka tsy miala amin'ilay namako izy. Ilay namako anefa tena niteny fa tsy naka an'izany mihitsy. Dia hoy ilay ramatoa hoe miasa maimaim-poana mandritra ny 5 volana ianao hanoloana azy. Saingy tsy nanaiky ilay namako fa nijanona tsy niasa intsony. Vola 10.000 no mba nomen'ilay ramatoa avy eo kanefa efa niasa mafy be nandritra ny fety sy andro maromaro ilay namako.
TSy hita izay atao satria ilay ramatoa dia olona mahitahita ao amin'ny tribonaly ka sarotra ihany ny hametraka fitoriana. Ny asa koa contrat am-bava fotsiny fa tsy nety nanao contrat ilay ramatoa. Ny aina lany niasa mafy ny vola tsy azo. Ny tena indray no nolazainy fa nangalatra. Dia aleo niverina tao Antananarivo indray.
Marihana fa raha tena nisy marina ny vola halatra dia ato atao koa ny miahiahy ilay mpiasa ao amindry zareo. Manana an'ireny gadra manao asa amin'ny mpiasan'ny tribonaly ireny mantsy ry zareo. Kanefa izy nilaza fa tsy possible mihitsy hono hoe io no nangalatra satria efa antaonany maro io no teo fa tsisy zavatra very.
Malahelo ny fon'ilay namako satria sendra ny tsy rariny. Inona no hatao raha sendra izany?

répondu par survivant le 11/03/2006 10:58
2. Vahinala ( 23/01/2006 11:28)
Mampalahelo tokoa nefa tena sarotra be ihany azony voalohany indrindra tsy nisy contrat de travail akory zany ry zareo, ka raha hitory ilay namanao afaka mandà ilay ramatoa hoe tsy nampiasa azy izany satria tsy misy taratasy mazava, mety ho azon'ilay namana ihany koa anefa ny manaporofo hoe tsy izy no naka ilay vola raha toa ka manana vavolombelona izy nefa sarotsarotra koa. Tsy hay marina mantsy izay tena fahamarinana na mety tsy nisy vola very izany akory tao fa ilay ramatoa mihitsy no mety efa te hila vaniny amin'ilay namanao, maro mihitsy ireo manan-katao ireo no manao izany nefa d mampalahelo satria lasa atody miady amambato ny madinika. Tandremo koa ny amin'ny manaraka, aza manaiky miasa izany raha tsy misy contrat mazava tsara mihitsy. Mahereza
3. dadabe ( 23/01/2006 12:43)
:°):°)
4. jentilisa ( 23/01/2006 13:04)
Izay mihitsy! rehefa tsy misy ny contrat aleo milamina! hafetsena io! ny sazy dia tsy azo atao vola mihitsy raha tsy hoe mandray vola mivantana izy (caissier ohatra).
Izy tsy misy contrat aza no azo anararaotana tsara hakana onitra amin'ilay ramatoa! voasazy manko izany mampiasa olona tsy misy contrat izany! rehefa avy eo raha mandà ny hoe tsy miasa ao izy dia lazaina tsotra hoe tsy misy tokony hidirako ao an-tranona izany satria izaho koa mahay manao volo!
5. fijo ( 27/01/2006 21:27)
nycontrat de travail dia "contrat consonsuel"izany hoe contrat ambava dia efa azo ekana.araka ny lalana io,fa mila porofo ihnay na izany aza.ny porofo dia ny mpiara miasa,na ny kil.ka raha misy ireo,dia azo asiana ihany ilay ramatoa.
6. pika ( 02/02/2006 08:11)
ny 99 andro no an'ilay ramatoa fa ny indray andro an'Atra kosa mety tsy ho zakany
mampalahelo be izany fa marina io an'io fijo io saingy izao no blème matetika ny vola laninao mitory sy mivezivezy tsy mora2 indrindra avy eo mahitahita izy dia vao maika mifototra any aminao indray dia sao hivadihan'ny fitsarana dia ianao indray no tena hamafisina fa nangalatra marina
7. fijo ( 02/02/2006 20:46)
pika afaka mangataka fanampiana arapitsarana enao ka
8. pika ( 03/02/2006 04:26)
fijo a tsy azoko tsara hoe fanampiana ahoana moa?
eto madagasikara no miseho ny tantara a
9. fijo ( 03/02/2006 21:35)
hafaka mangataka "fananmpiana ianao raha toa ka hampiditra raharaha amin'ny tribonal,nefa tsy manambola handoavana ny fitsarana.manantona avocat,fa izy hafaka mangataka an'io,aryizy no handoavana le vola.
10. pika ( 06/02/2006 08:09)
mazava fa misaotra e
11. survivant ( 11/03/2006 10:58)
zavatra iray manahirana eto mcar de ity ilay hoe mahitahita ity ka na ny fitsarana koa ve de tokony ihisy an'izany?Kanefa aloha mapieritreritra ihany ny mahita didim-pitsarana sasany indraindray ary io mahazo anao io no profon'izay le tsy fahatokisana fitsarana izay intsony tsy omeko tsiny ihany aloha ianao fa de ataovy izay hazahoana ny vola am-pilaminana ka rehefa tsy azo @ izay de hadaboy fa sao ahitana loza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1416