Tononkalo misy manakihana

1. hasiniony ( 21/01/2006 09:03)
Misy ny olona tsotra na mpanoratra manankihana ny asa-soratr'ireo olona mavitrika amin'ny fiangaliana ny asa soratra izay ataony toy ny hoe: "tsara fa tsy ampy andalana iray, tsy miady rima ... sns

Amiko anefa dia tsy mety izany satria ireo mpandinika aza dia resy lahatra hoe : "Afaka mankafia asa soratra iray aho kanefa tsy azoko atao ny mitsara izany raha tsy fantatro ny olona nanoratra azy"

Manantena ny hevitry ny maro.
novalian'i mbositra ny 13/02/2006 19:34
2. nani ( 21/01/2006 10:06)
Hasiniony an !! tsy atao mahakivy zany fa samy manana ny fomba fijeriny anie na ny mpamaky , na ny mpakafy na ny mpanoratra ee!! Ahona kosa moa no ahafahanao manatsara raha ohatra ka tsy hisy ny olona hanakiana ee?? Mahasoa zavatra anie indraindray ilay izy ee , fa aza raisina ho toy ny tsy fankasitrahana na tsy fankatoavana !! de mazoto hatrany manoratra ee!!
3. hery ( 21/01/2006 11:11)
Azo raisina ho tsara foana ny vokatry ny fanakianana na dia fanakianana faran'izay manimba aza (ohatra hoe ratsy ny tanjon'ilay mpanakiana). Azo heverina ho fanatsarana hatrany ny zavatra soratan'ny tena. Tsy misy tonga lafatra, ary ny mpanoratra mahatsapa izay tsy tonga lafatra izay indrindra no tena mahavita soratra mahavariana rehefa avy eo.

Farany, ny mpanakiana araka io nolazainao io dia tsy mahafantatra ny mpanoratra akory, ary mety tsy mpanoratra akory, mety tsy hisy lanja akory ny zavatra lazainy satria mety tsy nianarany, mety tsy hainy akory ny zavatra lazainy, noho izany, raha tsy tianao, dia azonao tsy raisina akory ny tsikera ataony.

Izay ilay hoe ny mamy atelemo fa ny mangidy aloavy... tsy maintsy misy mangidy foana anefa.
4. fiaritiana ( 21/01/2006 11:59)
Entina hanarenana ny asa ny fanakianana fa raha ohatra indray hoe fanakianana amin ny tsy izy, samy mijery ny mpanoratra tsirairay araky ny lazain i Hery io ambony io oe: ny mamay atelomy, ny mangidy aloavy!
5. Vahinala ( 21/01/2006 12:25)
Hasiniony > Na misy aza ny fanakihanana tsara ihany ireny raisina mba entina mandinika sy manatsara ny asanao aoriana, aza entina atao mahakivy anefa zany fa tsy maintsy misy foana ny mitsikera na tsara na ratsy ny zavatra ataonao. Mahereza foana.
6. lapino ( 22/01/2006 01:19)
Hasiniony: Ndeha koa za mba hanakiana fa toa misy effet-ny izy izany! :wink::wink:
7. akamatiana ( 22/01/2006 05:15)
Samy manana ny fijeriny ny tsirairay , mety ohatra we misy zavatra itany fa tsy ampy kely tao , d mba manoro izy fa tsy we manakihana, amiko kou manatsara sy manarina izany , nefa asa klou euuh!!
8. Herimiafina ( 22/01/2006 06:57)
hasiniony:

Misy ny olona tsotra na mpanoratra manankihana ny asa-soratr'ireo olona mavitrika amin'ny fiangaliana ny asa soratra izay ataony toy ny hoe: "tsara fa tsy ampy andalana iray, tsy miady rima ... sns

Amiko anefa dia tsy mety izany satria ireo mpandinika aza dia resy lahatra hoe : "Afaka mankafia asa soratra iray aho kanefa tsy azoko atao ny mitsara izany raha tsy fantatro ny olona nanoratra azy"

Manantena ny hevitry ny maro.

Nitsikera sa nanakiana sa nanaratsy, iza amin'ireo teny telo ireo no tianao lazaina fa tena tsy azoko ilay olana? Samy hafa be mantsy ny dikan'ireo amiko.
Fa na dia izany aza aloha de mahereza manoratra e! de misaotra anareo manome teny mamy.8)


9. pissoa ( 22/01/2006 08:11)
Ilaina foana ny tsikera kah, na manakiana aza.

Amin'ny lafina teknika ... manatsara ny talenta ny tsikera na fanakianana avy amin'ny mpamaky. Jereo ny tononkalon'ireny mpanoratra efa tena ngezalahy ireny ... Na ny isan'ny vanin-teny aza toy ny voaisa amin'ny andalana tsirairay. Indraindray toy ny mihira mihitsy manaraka ny gadon'ilay tononkalo!

Amin'ny lafiny ara-kevitra ... manjary lasa kabary tsy valiana ny tonokalo raha tsy misy ny tsikera sy kiana amin'ny hevitra. Tsy izay anefa no izy, rehefa misy hevitra avoaka amin'ny asa-soratra iray, dia misy ny miombon-kevitra amin'ny mpanoratra, misy ny tsy mitovy hevitra aminy.

...

Tsy voatery hahalala ny mpanoratra vao afaka mitsikera, na ara-teknika na ara-kevitra. Anjaran'ny mpanoratra ny mandray na tsia ny tsikera avy amin'ny mpamaky.
10. nikopol ( 22/01/2006 09:43)
Normal raha misy ny tsy fitoviana ara-jery na tsy fitoviana fitiavana amin'ny asa-soratra.Ary misy karazan'olona tia mamoaka ny eritreriny "zay heveriny fa marina" mikasika ireny tononkalo ireny. Misy koa olona "te" hanakiana fotsiny zao.

Raha vao publika ny asa-soratra dia ara-dalana daholo zany rehetra zany.Tsy midika velively zany hoe ratsy na tsara ilay asa-soratra.

Amiko ny valeur'ny asa-soratra iray dia tsy miakina amin'ny tsikera ataon'ny mpanatsikera na tsara zany na ratsy fa miakina amin'ny fihetsem-po'ny ilay olona mamaky azy iny, fihetsika iray ao anatin'ny maro ny tsikera , dia zay ihany ...

Na misy be de be aza ny hiteny amiko fa ratsy ohatra ilay "hafatra" nosoratan'i Rado dia tsy raraiko fa tiako foana. Ny tsikera amizay dia raisiko signes hahafahako mahafantatra ny niveau an'ilay mpitsikera.

11. lapino ( 22/01/2006 09:50)
nikopol:
Ny tsikera amizay dia raisiko signes hahafahako mahafantatra ny niveau an'ilay mpitsikera.

Arakaraka ny niveau-n'ilay mpandray tsikera koa ange ny fandraisany ny niveau-n'ilay mpitsikera e! Betsaka ny ohatra! :wink:
12. mbositra ( 13/02/2006 19:34)
rarana ny mandrara
kianina ny fanankianana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.118