abrahama,ismaela ary jakoba.

21. routa ( 22/01/2006 10:34)
:D:D:D
22. Mifenty ( 22/01/2006 11:26)
ato kou klou de misy miseo laibany doly ra vô resaka reportage kely madinidinika tsy mari pototra ary eh.

aveo ndray de isy hilaza eto oe i Madagascar no Atlantide fa satria nandé tao am arte kou manko io.

D hisy hilaza ndray eto oe nandé tam arte fa afrikana no niandohan'ny oul mbel zay avy am singe.

Nenay ny fantatray de Andriamanitra no nahary izao tontolo izao. point barre.
23. nani ( 22/01/2006 12:35)
Braaavoooooooo mifenty !!
24. marozevo ( 22/01/2006 20:02)
Hoy i mifenty hoe :

ato kou klou de misy miseo laibany doly ra vô resaka reportage kely madinidinika tsy mari pototra ary eh.

Dia tena marina io, ary mila fitandremana satria ankehitriny dia mahavita reportage daholo izao bodo sy adala rehetra izao, na pro na prà na prì afa tsy ny pret (tsy sirkonfexe nenay ny ordinatera), satria efa miha maro ireo fitaovana manamora ny fanaovana reportage, sady mora ampiasaina. Hany ka izay tokony ho credible lasa tsy credible, moa ny tsy dia misy lanjany lasa credible..
25. xxx ( 23/01/2006 08:10)
Mifenty:


Nenay ny fantatray de Andriamanitra no nahary izao tontolo izao. point barre.

Izany no olona entin'ny FINOANA izany,tsy misy intsony( afa-tsy raha mi arranger azy),ny fampiasana ati-doha ,tsy misy intsony ny havitra hafa ahafahana mba mitafa ara-tsaina amin'ny olona ohatr'izany,ary izany no riska lehibe indrindra tsy tokony hampihelezana ny "finoana" eo amin'ny valalabemandry satria sao lasa borné iray trano.Tohizo tsara ny militantisme anao ra-Tsimiandravola,fa mbola lavitra ny lalana!
Eo dia mody ohatra vorikaty momba ny Madagasikara sy Atlantide no mba raisina ohatra!Mbola ho ela ê!


26. dadabe ( 23/01/2006 09:03)
tsy azo tsy hay tsy araka
27. Mifenty ( 23/01/2006 09:32)
ary raha ifanarahana fa

x = 6 de aona zany ny xxx

:-D:-D:-D:-D kajy ankandrina tsotra io a.
28. dadabe ( 23/01/2006 09:38)
666 ka :^):^) :-D:-D
29. jentilisa ( 23/01/2006 11:54)
Fa izao anga mba mampieritreritra fa misy miseho favy tokoa!
Mba azavao ary:
Raha mivoatra ary ny zavatra rehetra! Nahoana no misy no nijanona ho akoho teny antenantenany teny, nisy nijanona ho rajako teny antenantenany teny? Raha mivoatra ve tsy tokony hiara-mivoatra avokoa?
Mbô fanontaniana ny ahy satria mety ho voazava siantifika izay ka tiako ho hay e!
Manaraka izany: ny olona koa izany mbola mety hivoatra ka ny fotsy no mety ho lasa olona mivoatra kokoa ka lasa "andriamanitra" fa ny mainty mbola hijanona no olona ihany?
Raha misy ny fivoarana, tsy tokony hisy ka ve ny fivarinana? izany hoe mety hisy koa izany ny olona mety hivadika ho rajako tsikelikely indray sa ahoana?

Dia ahoana izany ilay faritra miara-mandroso dradradradraina? :-D sa politika moa izany resahiko izany?
30. marozevo ( 24/01/2006 00:14)
FA INONA ZALAHY NO TENA FOTO-DRESAKA ETO AMIN'ITY LOHAHEVITRA ITY AH ?
31. diamondra27 ( 24/01/2006 01:19)
ABRAHAMA: genesisy 11:26 teraka i Abrahama (Tera no mamany ary Nahora no bebeny)= TARANAK'I SEMA
ISMAELA: Genesisy 16 :1-12 andininy 11: indro hanana anaka ianao ary ny anarany atao hoa: ISMAELA
JAKOBA: genesisy 25:19-34; andininy 26b:natao hoe: Jakoba no anarany

Ny BAIBOLY dia tsy tantara na angano fa TENIN'ANDRIAMANITRA velona sady mahery , koa ireo voasoratra etsy ambony ireo izany no fihavian'izy 3 lahy

32. jentilisa ( 24/01/2006 07:18)
Sô dia milaza fahaterahana ireo fa tsy milaza fihaviana? 8O
33. lapino ( 24/01/2006 09:17)

Ny théorie-n'i Darwin dia THEORIE, ary mbola mijanona ho théorie. Izay mandray an'izany ho tena izy, ho tena marina, dia latsaka anatin'ny fahadisoan-kevitra lalina. Ny fomba ahafahana milaza ny fahamarinany dia ny fahalalana ny tetiharan'ny zava-manan'aina iray, ohatra indrindra olombelona iray hatramin'ny naha rajako azy. Raha misy mahavita fanandramana mandritra ny amanapitrisan-taona dia mety ho voaporofo ihany ilay izy na tsia.

Saingy satria ilay theorie tsy mifanipaka amin'ny zava-misy hita maso sy fantatry ny mpanao siansa, dia raisina ho fototry ny raisonnement entina mi-traiter cas isan-karazany. Dia mila tandremana foana, fa izay raisonnement miankina amina théorie ohatra an'izany, na dia misy cohérence ohatra ny inona aza, tsy azo lazaina fa marina mihitsy, fa hoe mifanaraka amin'ilay théorie fotsiny.

Izany koa dia isan'ny tsy mahamety ny siansa hanaporofoana fa marina na diso ny zavatra ao amin'ny baiboly. Fa "sambatra izay mino nefa tsy mahita".

>>> Raha mivoatra ve tsy tokony hiara-mivoatra avokoa?
Tsy voatery ka! Na am'zao fotsiny aza dia efa misy tsy fitoviana.
34. routa ( 24/01/2006 16:11)
za ko ry reto tsy maharaka ka:?:
35. fijo ( 24/01/2006 22:47)
lapino,samy théorie na darwin na ny baiboly,saingy ny voalazan'i darwin dia misy profo kokoa ,fa tsy toa ny baiboly izay milaza zavtra tsy mila porofo.
manontany nareo ery ambony hoe tsy hita ny hifandraisany ve sa ahoana?;ny tiany lazaina dia hoe tsy nifandray mihintsy ireo olona telo ireo.ary raha miteny "israely "izy,dia satria efa isrely no hiantsoana azy izao.fa tsy hoe ilay palestina alohan'ny hiantsona azy hoe israely.
ny baiboly dia tantara no nagonina ka natanmbatra ho boky iray.raha ny tantara nojerena,dia resy ary niparitaka matetika ny jiosy taloha,ka mba tsy hanadinoany,ny tantarany,dia nangoniny avokoa ireo tantara tranainy rehetra nisy tany,mba ho rakitra hianteeran'ny taranaka.tadidio,fa tsy boky masina io,tamin'ny voalohany,fa mboky natao hiraiketanana ny tantaran'ny jisy.ary aza hadino,fa tamin'ny fotoana nanambarana ireo tantara ireo ho lasa boky tokana,dia maro ny tantara izay tsy noraisina tao."marihiko,fa io,dia mpitondra fivavahana no nanamarika azy tami'ilay fandaharana"
taty aoriana efa ela be vao nanjarynasiana hasiny io boky io.
36. diamondra27 ( 25/01/2006 11:49)
jentilisa: f'anga samy hafa ny fiavina sy ny fahaterana
tena tsy arako tsony le teny gasy ka

asio size hafa indray ary @ fanabeazana e! ho an'ze mitovy cas amiko( manadino teny gasy sy tsy maharaka vocabulaire @zao fotoana le fitenin'ny jeunes 'reny)
37. jentilisa ( 25/01/2006 12:16)
avy amin'ny raiko sy ny reniko aho fa teraka tamin'ny andro iray mbola mety ho fantatrareo ihany! mitovy ve ireo zavatra nambarako ireo?
38. diamondra27 ( 25/01/2006 16:19)
ie ka le avy @ ray sy reny io nambarako io sa tsy nivoaka? raha tsy zany de vakio ny baiboly e!misy réferences ireo
39. Veloo ( 25/01/2006 17:02)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0656