"sage" hono.

1. fijo ( 18/01/2006 04:24)
raha namaky ny midi androany aho dia lasa saina ihany nahita ity lahatsoratra iray mikasika ny olona dimy lazainy fa azo hianteherana raha toa ka."sage" hono.
ny olona voatanisa tao moa dia ny kardinaly razafimahatratra,ratsiraka ,rabesahala,ramaholimiaso ary monibo.
lasa ny saiko hoe ,inona marina no atao hoe "sage" na hendry amin'ny mpanoratra.raha ry ratsiraka sy ry rabesahala ary ry monibo izay efa hay ny nataony teo amin'ny firenena no atao hoe hendry,dia mahalasa saina ihany.ka atsy hoatsy izany ry kotity koa tsy ho lasa isan'ny anjely kely?
novalian'i fijo ny 20/01/2006 21:08
2. Angolaina ( 18/01/2006 04:51)
Za koa sage ka ! :-D:-D:-D
3. Fiffi ( 18/01/2006 05:00)
fijo: mba tsy miheritreritra sy tsy misaina loatra koa izany olona nanoratra sy nilaza an'izany an! mety sy hainy angamba ny dikan'io teny io hoe "sage" na ny zava-drehetra nitranga sy niseho t@ fanjakan'i ratsiraka ve dia azo lazaina na pitiny monja aza hoe ao antin'ny lisitrin'ny sage izy? :?:
4. pika ( 18/01/2006 06:49)
samy manana ny fahitany azy ny tsirairay tsy hanomezantsiny azy izany fa izay no heveriny fa mety aminy
dia samy mba afaka milaza ny heviny koa isika :lol::-D
5. bozimanga ( 18/01/2006 08:23)
fijo ! hendry @ fijeriny fa tsy manery anao hanao ireo olona ireo ho hendry izy izay nanoratra . fijery tsy mitovy eh. ny sage aminao mety ho .... aminy.
6. Vahinala ( 18/01/2006 08:28)
fijo > Mety ho ny mpamono olona koa zany no ho lazaina fa sage ko ! Misy raha la terre e !
7. Fiffi ( 18/01/2006 09:03)
pika: marina ny anao saingy tokony avadika im-pito hono ny lela alohan'ny hilazan-dravatra , fa na izany aza aloha an! tsy hoe tonga dia hanomezan-tsiny azy , marina tokoa fa samy manana ny ny heviny fa tokony hasiana ary alavirana lavitra tokoa ny saina alohan'ny hanoratana indrindra fa raha journaliste no nanoratra an'io satria ho maro no ho tafitohina.
8. mandrindra ( 18/01/2006 09:17)
iza ary io RC nanoratra an'io? ny fahafantarana hoe iza io olona io dia mety ahafahana mahazo bebe kokoa ny antony nahatonga azy nanoratra io angano be io.
9. Fiffi ( 18/01/2006 10:14)
mandrindra: mba hilazao hiany rehefa fantan-driko hoe iza mba ahafahana mahafantatra hoe inona tokoa?:)
10. Manoela ( 18/01/2006 11:02)
:evil:
11. Ragadona ( 18/01/2006 12:34)
Tsy Razafimahatratra fa Razafindratandra. Avy namaky an io koa aho fa hitako hoe nataony anaty farango sosona ilay teny hoe sage na sages ka azoko ny tiany holazaina ary tsy diso izy satria tsy mifantoka amin ny resaka jugements moraux akory ny itondrany ny asasorany
12. fijo ( 18/01/2006 21:06)
marina fa heviny ilay izy,nefa aza hadino,fa gazety no hanehoany io heviny io?ary vahoaka no hamaky io gazety io.
nataony anaty ""ilay hoe sage satria teny frantsay,fa jereo tsara fa ilay hoe hendry tsy nataony ao.izany hoe ireo dia heveriny fa hendry sy tokony hilaina.ary azavainy tsara ny antony nifidianany an'ireo.ka aza gaga ny mpanao gazety ,raha lazain'i ravalo ho emila mihofana kely fa tena tsy ao mihintsy raha toa izao.
13. jennifer2 ( 18/01/2006 23:41)
hihihi! hay ve nisy an'zany e?
14. Herimiafina ( 19/01/2006 00:16)
fijo:

raha namaky ny midi androany aho dia lasa saina ihany nahita ity lahatsoratra iray mikasika ny olona dimy lazainy fa azo hianteherana raha toa ka."sage" hono.
ny olona voatanisa tao moa dia ny kardinaly razafimahatratra,ratsiraka ,rabesahala,ramaholimiaso ary monibo.
lasa ny saiko hoe ,inona marina no atao hoe "sage" na hendry amin'ny mpanoratra.raha ry ratsiraka sy ry rabesahala ary ry monibo izay efa hay ny nataony teo amin'ny firenena no atao hoe hendry,dia mahalasa saina ihany.ka atsy hoatsy izany ry kotity koa tsy ho lasa isan'ny anjely kely?

Ngo de sage femme no tiany hambara? hehehehe=))=))

15. fijo ( 19/01/2006 21:37)
herimiafina,i mama besahala ngamba izany ka
16. pissoa ( 20/01/2006 06:08)
:-D:-D
17. fijo ( 20/01/2006 21:08)
asa ko,iza no mahita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2088