Fahamarinana

1. Nickovy ( 17/01/2006 06:43)
samy milaza ho manana ny marina sy milaza ny marina daholo ny olona. Izay marina amiko mety tsy marina aminao na mety ho lainga mihitsy aza. Inona tokoa moa ny atao hoe FAHAMARINANA?
novalian'i Fiffi ny 23/01/2006 16:23
2. Fiffi ( 17/01/2006 09:57)
rehefa milaza ianao hoe izao no marina nolazaiko ka mandry ny herotrertrao dia io ny fahamarinana fa tsy andrasana porofo , saingy samy manana ny filazany koa ny rehetra.
3. Vahinala ( 17/01/2006 12:00)
Mitovy hevitra am Fiffi aho, ny tsirairay samy manana ny fahamarinany ankoatra ny zavatra izay voafehiny fiarahamonina. Rehefa fantatrao fa marina ny lazainao dia izay no tena important, ka rehefa madio ny sainao tsy mila manaporofo izany amin'ny hafa ianao fa afaka tsy mino koa izy.
4. cutie ( 17/01/2006 12:01)
Nickovy za tsy mahay :-D
5. fasaly ( 17/01/2006 12:43)
ny fahamarinana ny fanaovana zavatra ara-drariny, madio mahitsy ary tsy misy kimaizimaizina....
6. Fiffi ( 17/01/2006 13:11)
fasaly: dia madio manarangarana ny saina:-*:-*:-*
7. ravakamalala ( 17/01/2006 13:37)
Za naheno tany o any olona niteny hoe : 'Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana."(l)
8. Fiffi ( 17/01/2006 13:45)
ravakamalala: Ny Tompo Jesosy Kristy no nilaza an'io
9. mandrindra ( 17/01/2006 14:02)
Ny marina dia izay tsy diso rehetra, ary ny lainga dia izay tsy marina rehetra.
10. booboo ( 17/01/2006 14:08)
zay mitsy.
11. Fiffi ( 18/01/2006 04:52)
mandrindra: marina ny anao. Izao fotsiny e! ny ahy aloha dia rehefa nilaza zavatra aho ka mandry ny saiko dia milamina zany io ny fahamarinana amiko.
12. Angolaina ( 18/01/2006 05:01)
Fa zao koa aloha e! le panely tsaho koa de milaza fa marina ny azy ! marina @ inona ?
13. Fiffi ( 18/01/2006 05:08)
Angolaina: donc tsy ho raisina izany io @ fahamarinana ka! raha mahafantatra fa tsaho ilay izy dia tsy mamaly azy fotsiny fa aleo aloha jerena kely hoe raha mitombona ilay izy?
14. Angolaina ( 18/01/2006 05:34)
fiffi> tena zay mitsy no fanaovana azy ! sady tena mahasorena io an ! ny tena mahasosotra ange ny olona anelezany azy mihevitra fa marina ny lazainy e! tena tsssssssssss
15. Fiffi ( 18/01/2006 09:07)
Angolaina: ny mpamely tsaho aloha dia be dia be e! ary misy aza tena tsy afaka @ io mihintsy ary tena ahitana fa tena tiany mihintsy io na ny fijeriny an'ialy olona mihaino azy gaga dia gaga , na mihatsamboatra na matahotra na inona koa re eh ? dia hita fa tsy hoe mahafaly azy fa tena mahafapo azy e!
16. fijo ( 18/01/2006 21:20)
ny marina ,dia izay zavtra iray misy na nisy.ohatra,nisy olna naratra mafy tato.
dia samy milaza sy maneho ny heviny ny tsi11,hoe izoa no namparatra azy.izay dia hevitra fotsiny,fa ny marina dia hoe misy olona iray maratra eo.
ohatra hafa.nisy olona namono tena.ny antony dia diso fanantenana izy fa nilaozan'ny olontsiany.
eto dia misy milaza fa "marina ny azy",misy kosa hiteny hoe "diso izany ka".
eto indray ilay marina,dia arakaraky ny "fotoana"sy ny "toerana"

fotoana:taloha ohatra mety,tsy mety izany hetsika nataony izany.nefa izao mety hisy hanaiky izany.

toerana:amin'ny tany kristianina ohatra dia tsy mety ny famonoantena,any azia anefa,dia rehareha ny fahasahiana mamono tna.
ka hoy ny gasy hoe :"fisaka sy sarotadiavina ny marina"ka samia mitady azy arakaraky ny toerana sy ny fotoana misy anao.
17. mirana5 ( 23/01/2006 16:17)
Ny fahamarinana, dia zay tsapa sy henonao ao anatinao aho tsisy aloka na olana na pitiny kely aza, tsisy famitahana na ny tenanao aza dia zaiiiiiii!!:D:D
18. Fiffi ( 23/01/2006 16:23)
mirana: dia mandry izany ny heritreritrao dia izay!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7085