loza noho ny tsy fitandremana!

1. jentilisa ( 14/01/2006 08:05)
nisinisy mihitsy ny loza vokatry ny tsy fitandremana teto an-tanàna izay. Ohatra farany ilay tao Androndra. Fanaovana soudure ve dia atao eo akaikin'ny citerne? vokany: roa ny olona kila firehitra!
nisy koa ny loza nateraky ny camion citerne. Ny tena fototry ny loza dia ny fitiavan-tenan'ny tompon'ny fiara. Tereny hahavita tour maromaro ireo camionneurs fa raha tsy izany dia voaroaka. Vokany tsy miraharaha fiarakely ry zalahy satria misy ny tour enjehina, trongisiny avokoa izay manakatsakana ny lalany! tokony hisy lalàna mivoaka amin'ny toe-javatra sahala amin'ireny!
novalian'i jentilisa ny 19/01/2006 12:17
2. dadabe ( 14/01/2006 08:41)
androndra izany any @ tanana izany ka :(
3. diamondra27 ( 14/01/2006 09:11)
raha resaka incendie aloha de tena betsaka tokoa no zavatra tokony fantan'ny tsirairay na de any antrano aza e!. Reny laques fatao @ volo, produits "bombe déodorant", produit de beauté sy fanasana trano na ao @ lakozia no mi stocks, reny rehetra reny de dangereux doly fa jereo nge ny tavoangy na le flacon raha tsy misy signe hoe: X de FEU , atoroko @ manaraka ny sokajiny.

De ty zavamiseho ty kosa aloha de tena tsy rariny e! tena suicide mitsy zany, manao danger na milalao ny fiainan'ny sasany de ze sendrany de zay "may,kila" fa ny fianakams no miantoka sy mampalahelo nefa ny assurance nga hiraharaha @ zany eo sady aiza ny vola entina hiadiana @ société handoavana avocat, raha hanome ary ry zala de zara fa volakely sous forme fotsiny.
4. Vahinala ( 14/01/2006 09:25)
D mahavaraina ndray zany ry jentilisa marina sady mampalahelo mihitsy, misy hoa le olona sasany dia efa tsy haiko intsony izay ao antsaina e, tsy miraraha ny hafa intsony fa d ny fitiavantena sisa no manjaka, samy manao ze maha mety azy na hiteraka loza ho any hafa aza, d sanatria ve efa misy manao toy ny fiainana biby mihitsy ny olombelona ankehitriny e ?
5. diamondra27 ( 14/01/2006 09:34)
Misy sokajy 4 ny kilasy ny afo de reto avy zany:

A:solides:(braises) bois,papier,carton,tissus,paille...
*extincteur à eau no ampiasaina mandrapahatonga ny pompier raha misy

B:liquides inflammables:fuel, alcool,huiles,esssences, éther...
Solides liquéfiables
*exticteur ampiasaina: CO2, Poudre

C: Gaz
:butana, propana, méthane, acétylène...
couper le gaz
*éxtincteur ampiasaina POUDRE

D:métaux:
sodium, magnésium,aluminium...
Extincteur ampiasaina: POUDRES SPECIALES, SABLE SEC

F: feux liés aux auxiliaires de cuisson: huiles et graises végetales et animales (mitovitvy @ kilasy B)

Ka ireo zany le zavatra tokony tsy stocke-na raha azo atao nefa moa misy tsy azo anoharana satria tsy maintsy ampiasaina
De le tao androndra zany de ity sokajy D ity no niseho raha ny fahazoako azy satria resaka métaux, sady le teo akaiky ny citerne koa vao maika loza
6. jentilisa ( 14/01/2006 13:27)
Amin'izay ange hono tena feno ilay citerne e! soa ihany fa mba hary fitaovana ny sapeur pompier eto Antananarivo fa raha tsy izany dia nojerem-potsiny ny zava-niseho.

Misaotra an'i diamondra27 milz ireo zavatra ireo e! ny an'ny gasy klely ny tena fantany dia rano nafasika ihany e! fa ny pompier aloha nahalala ny tokony ho nataony e!
7. ravakamalala ( 14/01/2006 14:42)
vaovao mahafinaritra kosa izany hoe hary fitaovana ny sapeur pompier! tsara kosa izany.
8. diamondra27 ( 14/01/2006 17:45)
ny tiako ambara @io ambony io de hoe : tsy mitovy ny extincteurs rehetra fa misy sokajiny araka ny loza miseho, ka raha sendra any @ toerampiasana na magasin na usine ... ka sendra misy afo de mba au moins mafantatra sy hoe 'ty ry reto misy extincteurs ho an'izay mahay mampiasa azy raha sendra eo akaikinao le izy. Mba manampy enao @zay fa tsy miala maina. Kanefa raha tsy misy fantatrao momba ny tokony atao dia aleo miala lavitra ny loza de mba miantso pompier e! na manakana ny olona mba tsy hanakaiky ny loza , de tokony ho calme

Soa ihany ary fa mba 2 fotsiny no maty fa grave nge zany cas zany e!
tena négligent mihitsy le patron anankiroa, le mpiasa moa afaka haninona fa may ny tsy fananambola demanaiky ze lazain'ny patron
9. jennifer2 ( 14/01/2006 20:52)
mampalahelo koa zany vaovao zany!:(
10. Veloo ( 15/01/2006 02:14)
:(:(
11. lapino ( 15/01/2006 15:17)
Ary maninona moa raha mba asiana programa sécurité amin'ny radio sy televizionam-pirenena e? Na izay karazana fampielezan-kafatra misy? Ilay fitandremana manko amina zavatra be dia be, dia mba tsara ampahatsiahivina matetika: resaka afo, eny an-dalana, ao an-trano, anaty rano na ambony rano, anaty ala, sakafo hanina, @internet, sns ... dia torolalana momba ny zavatra atao raha misy loza, ny secourisme, sns ... Fa toa tena tsy ampy amintsika gasy mihitsy izany.

jentilisa:
ny an'ny gasy klely ny tena fantany

Efa henonareo moa ilay blagy hoe "Nibolisatra aho mômpera!" :lol::lol:
12. fasaly ( 15/01/2006 20:38)
jennifer2:

mampalahelo koa zany vaovao zany!:(


f'ita wa! noho ny fitadiavana kely sitrany ahay de ahafohizana ny aina e! mahatoina be mintsy.....:cry:
13. Veloo ( 15/01/2006 23:30)
lapinbo a an3 mbola tsy enoko mba lazao oe lesy?:wink:
14. jentilisa ( 16/01/2006 13:13)
Ry lapino izany koa raha hitsipona an! ksy l anie mifanakaiky e! dia misy tokoany mibolisatra!

15. lapino ( 16/01/2006 15:14)
Ohatra ny nampahatsiaro an'ilay blagy fotsiny ilay fibolisarana ka. Na i Veloo koa aza lasa nibolisatra teo amin'ny n sy b :-D

Veloo, nataoko ao amin'ny hatsikana sy lalao ao le izy: http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m43cbb7ba6d95f :-D:-D
16. diamondra27 ( 16/01/2006 16:45)
lapino: marina mitsy zany e! tokony atao ny prévention fa tena betsaka ny tsy mahay sy tsy mairo @ loza

Ny sasany moa de tsy mivakl

Ny tena tsara de indrindra ianareo any dago: manasa anareo za mba hanontany any @ croix-rouge momba ny formation secouriste fa manampy io na tsy hanao secouriste aza enao. Gaga ihany za fa na de oe gratuit aza de tsy maharototra ny olona le izy nefa tena mahasoa tokoa. Lazaiko anareo fa aty france ohatra de mandoa vola vao mahazo manatrika io formation io. 50 euros eo ho eo.
17. ravakamalala ( 16/01/2006 20:39)
ohatran ny lé tamin ny "aro lozan ny fifamoivozana ireny"? :-D. nahomby tokoa iny tetika iny ka. :wink:
18. jentilisa ( 17/01/2006 09:45)
Izao indray dia re fa nisinisy indray ny haintrano tao Toamasina morarano tao...
19. lapino ( 17/01/2006 17:41)
Ie, ny ALF izao nahafinaritra, sady le bandy kely mi-kross ndeh hianatra dia tongony havia foana no eo aloha ... :-D:-D:-D Dia tadidiy foana hoe tsy maika loatra rehefa miampita arabe! Ohatra ny tokony hotohizana foana ireny!

Fa i jentilisa koa aloha dia milaza loza foana e! :wink: :cry:
20. eprom ( 18/01/2006 07:05)
Momba ilay haintrano tao morarano toamasina eh : nanapa-kevitra ny kaominina fa alalahana ny tanàna. Tokony hisy lalana ahafahan'ny fiara mifamoivoy any anaty tanàna any satria de saiky tsy nahita aleha mihintsy ny fiaran'ny mpamonjy voina t@'iny. Manasarotra ny fipariahan'ny afo koa moa izay. Io kartie io moa de trano hazo sy fanitso maro mifanizina no tao ka izay no nahabe ny fahavoazana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6774