Bourses extérieurs

1. revit ( 12/01/2006 11:56)
Salama daholo isika namana rehetra maneranan ny tany
Izao ry reto an! anisan'ireo mba sangany ihany ny tenanay teny amin'ny oniversite ary efa nahavita fianarana soa amantsara. Maniry ny mbola hanohy any an-dafy any handalina misimisy kokoa (DEA, Doctorat) kanefa toa tsy mahita hirika mihitsy.
Efa manao izao karazana recherche rehetra @ net izao kanefa mbola tsy mahita foana e!
Koa mangataka torohevitra amin'areo,aiza ny lalana mety aleha hahitana bourses. Marihina eto aloha fa tsy misy sôsy mihitsy ny tary raha hoe hianto-tena
Dia manatena valiny mahafapo
novalian'i Fiffi ny 07/02/2006 05:25
2. theanne ( 12/01/2006 13:50)
Eo indindra isika izao ranamana. Any amin'ny AUF Faravohitra manontany e!
3. dadabe ( 12/01/2006 13:57)
revit> matetika misy ireny concours hampanaovina compagnie ireny ohatra hoe air madagascar, na ASECNA , na be de be e, de mba mandray anjara ao ise , sady ise rahateo efa sangany, de rehefa tonga any andafy de mise debrouiller amin'izay manao izay taranja sahaza an'ise .

na ihany koa manatona mivantana ireny ambasady ireny dia any no manotany mivantana

torohevitra: isika malagasy malaza ho mahay miteny frantsay , dia ireny pays tsy miteny frantsay ireny aloha hanokafana lalana , de rehefa mahazo pasipaoro sy any andafy ise de lasa izao
4. Fiffi ( 12/01/2006 15:51)
revit: azo hatao aloha ny hoe manofinofy e! fa aza hatao mifangaro @ réalité izy io. Betsaka aloha ny olona tahaka anao mba mitady lalana indrindra ny fahazoana bourses extérieurs e! saingy ny faritra misy ahy aloha dia maro no mba mitady mihintsy ahazoana an'io e! saingy indrisy , manantena ny tsy misy no sampona e! fa ny mety hataonao angamba dia manao izay ahazoanao inscription eny @ fac aloha , azo io dia ahazo visa ianao , dia rehefa tonga aty izay vao mikaroka lalana , miasa kely aloha raha mahita , ary hipetraka aiza koa ? ka voatery hianto-tena aloha ianao , tsy mora ange ny fahazoana an'io bourses io e! nefa na izany aza tsy mi-decourager anao aho fa mankanesa eny @ ireny site ireny ohatra ao @ www.defense.gouv.fr na www.recherche-justine.qc.Ca/fr dia mazotoa e!
5. revit ( 13/01/2006 03:07)
Fiffi:

revit: azo hatao aloha ny hoe manofinofy e! fa aza hatao mifangaro @ réalité izy io. Betsaka aloha ny olona tahaka anao mba mitady lalana indrindra ny fahazoana bourses extérieurs e! saingy ny faritra misy ahy aloha dia maro no mba mitady mihintsy ahazoana an'io e! saingy indrisy , manantena ny tsy misy no sampona e! fa ny mety hataonao angamba dia manao izay ahazoanao inscription eny @ fac aloha , azo io dia ahazo visa ianao , dia rehefa tonga aty izay vao mikaroka lalana , miasa kely aloha raha mahita , ary hipetraka aiza koa ? ka voatery hianto-tena aloha ianao , tsy mora ange ny fahazoana an'io bourses io e! nefa na izany aza tsy mi-decourager anao aho fa mankanesa eny @ ireny site ireny ohatra ao @ www.defense.gouv.fr na www.recherche-justine.qc.Ca/fr dia mazotoa e!


Efa nojereko ireo site natoronao saingy tsy any @ talentako mihitsy izany resaka défense izany. Ilay iray moa tsy nisokatra.
Marihina eto aloha fa ao amin'ny sahatry ny BTP no nataoko ary mino aho fa betsaka ireo namana efa nandalo tao @ ESPA mandalina any am-pita any.
Ny hitako olana amiko koa dia ratsy ny naoty t@ bacc (tsy nahazo mention) fa nadalain'ny fitiavana sy ny ditraditra kely kanefa toa condition nécessaire mihitsy ny mention vao mahazo bourse.
Raha araka io hevitrao io izany dia mila eo amin'ny hoatrinona eo farafahakeliny handoavana frais d'avion sy hebergement mandrapahita asa majinijinika hameloman-tena?
6. Herimiafina ( 13/01/2006 03:18)
Ny bourse extérieur dia misy fempetra maromaro manokana fa tsy voatery ny fahaizana sy ny naoty tsara ihany. Rha fahaizana dia bourse d'excellence no iantsoana azy.

Fempetra lehibe voalohany: manana experiensa professionel herintaona farahafakeliny.

Fempetra faharoa: ny fotoana hangatahana bourse: misy daty mazava fara fanaterana dossier daholo ny bourse rehetra.

Fempetra fahatelo: na ianao hangataka directa any amin'ny ambassade na ianao mandalo fanjakana (Conabex Antanimena Ambatomitsangana), Na koa ianao manantona manokana ireo agence international mpanome bourse: AUF, UNICEF, UNESCo, sns
7. Herimiafina ( 13/01/2006 03:37)
Ireto avy no tiako hozaraina aminao, matotra sady tsy misy risoriso no assuré raha tsara ny dossier napetrakao.
1-AUF: Agence Universitaire de la Francophonie Faravohitra:
http://www.auf.org/recherche.php3?recherche=Bourses
-Daty farany fangatahana: janvier na fevrier 2006.
-Mila olona efa nangataka admission amina université iray amin'ny tany Francophone Europa na Amerika, tsy voatery efa voaray fa nangataka fotsiny (mail no porofo azo antina).

2-CUD: Communauté Université Francophone pour le Développement, Belgique.
http://cud.ciuf.be
-Daty farany: fevrier 2006.
-Mila manana attestation de travail 2ans farafahakeliny.

3-Bourse de la Confédération Helvétique, Suisse: Jereo ao amin'ny Consulat Suisse.
-Mila olona efa manana admission amina Université Suiise iray.

4-Chevening Scolarship: British Embassy. (Tsy haiko raha mbola misy, satria ny Ambassade toa efa nakatona).
-Daty farany fanaovana fangatahana: décembre 2006.

5-Fullbright: US Embassy.
-Daty fangatahana: Mai-juin 2006.

6-Banque Mondiale-Japon: jereo ao Anosy Ampefiloha ao amin'ny biraon'ny World bank.
-Daty farany fangatahana: mars 2006.
-Mila manana experiences professionnelles.

7-Jereo ao amin'ny Vice primature ao Anosy fa misy bourse Japon foana ao formation Infgénieur routier Junior.

8. Herimiafina ( 13/01/2006 03:39)
Farany dia ilaina foana matetika ny Lettre de recommendation avy amina prof na avy amin'ny mpampiasa, ka anjaranao izany no mampiresaka an-dry Rafalimanana, ry Moizy na ry Vazaha raha nianatra tao amin'ny ESPA ianao.
Kandrakandrao ireo prof ireo hanome taratasy manohana. dia mazotoa e!!!!
9. revit ( 13/01/2006 04:16)
Misaotra an'i Herimiafina amin'ireo toro-hevitra sy adresses bdb ireo
Ilay Fullbright izao no efa nataoko (efa ela) fa tsy nahazo tamin'izany fa mbola mpianatra
Ilay hoe mahazo bourse moa tonga dia misy mpiantoka daholo ny hebergement sy frais sa mandoa participation ihany ianao?
Momba ilay fangatahana admission, misy afaka manome université tsara momba ny génie civil ve
bdb mantsy no hita @ net ka tsy fantatra intsony izay tena matotra sy assuré hoe mandray
10. Fiffi ( 13/01/2006 05:02)
revit: ny fahazahoana ny bourses tsy midika hoe " ilay mahazo bourse moa tonga dia misy mpiantoka daholo ny hebergement sy frais " sa mandoa participation ihany ianao. Tena tsy misy idiran'io mihintsy ny fahazahoana bourse fa ny fandehany dia izao: raha mahazo bourse ianao dia mahazo 1er versement aloha ary io isakin'ny 3 volana , in-3 ianao izany no mahazo io versement io fa tsy tonga dia omeny ny totaliten'io bourse io. Manarak'izany dia anao no mi-gerer io vola io satria misy ny kojakojam-pianarana tsy maintsy ho vidianao , na ny boky fotsiny aza , eny na dia maro tokoa ny bibliothèque . Tsara ho fantarina koa fa raha 1ère année fac ianao dia tsy ahazo chambre d'université ianao fa manomboka 2ème année indrindra fa @ doctorat
Fa raha ohatra koa ianao ka anofa trano kely studio ohatra dia misy koa ny fanampiana mety ho azonao APL (aide pour logement na koa misy aide hafa) ny tsara koa dia dia jereo ny site C.R.O.U.S fa io no tena mikarakara ny rehetra. Dia tandremo fa misy delai daholo ny momban'ireo fangatahana ireo , Janvier , Février no tena fanaovana azy , dia mazotoa ary.
11. revit ( 13/01/2006 06:16)
OK:D
12. xxx ( 13/01/2006 09:24)
Arakaraka ilay organisme mpanome bourse no hoe misy mpiantoka daholo sy ny hoe isaky ny inona ny versement.Mety cas Fiffi sy ny hitany maso ihany io ary mety ho any France, fa raha ny sahala aminay dia iantohana ny rehetra tsy misy participation na ariary aza ary vonona ho anao daholo izay ilaina rehetra, mianatra sisa no atao.
Ka hoy aho hoe miankina amin'ny organisme mpanome bourse io.
13. Angie ( 13/01/2006 10:07)
Mirary soa an'i revit zany e. Efa janvier zao fa sao tara eo fa ataovy malaky.
14. Fiffi ( 13/01/2006 11:26)
xxx : marina aloha io e! ny zavatra nolazaiko io dia eto Frantsa aloha e! nefa asa koa na any @ province tahak'izao koa fa tsy aiko aloha fa io dia eto Paris
malakilakia ary ry revit fa ny dossier tonga aloha tena voadinika tsara miadana fa tsy ho tratran'ny fikoropahana.
15. revit ( 16/01/2006 04:08)
Dia misaotra anareo rehetra izay nandray anjara sy nanome toro-hevitra e
Mino aho fa hisy olona maro hafa koa hahita tombontsoa tamin'ity dinika nataontsika ity
Dia any amin'ny dinika vavolombelona indray izany aho no hitanareo rehefa hahazo soa aman-tsara izay tadiaviko
Mazotoa daholo e!
16. Fiffi ( 16/01/2006 13:57)
revit: bonne chance e!
17. Fiffi ( 07/02/2006 05:25)
Mampatsiahy anareo fotsiny fa tandremo fa tena ao anatin'ny fotoana fanaovana fangatahana ny bourses izao , sao dia diso train e! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5853